Toko faha 3

1 Ka Naomy, rafozam-baviny, nivola taminy hoe: "Re anakam-pelako, tsy tokony mba hila toera mba hiegnenanao va aho, mba hahasoa anao? 2 Ka Boaza, gny johary zay niarahanao gny mpiasa ampela mpanompony, tsy longotsika va ie? Ingo, hagnororoky vary hordea am-pamoloa ao ie androany haly. 3 Noho ny zay, sasao gny vatanao, hosoro soliky gny vatanao, anaovo gny akanjonao soa mare reo, ka mijotsoa am-pamoloa agny. Fa ka atao hain'ny gnolo iha mandra-pahavitany gny mijabo voho mino. 4 Fa lafa mandry ie, tiarovo gny toera ze handreany mba hahafahanao magnaminy eo bakeo, alao gny siky an-tombony egny, ka mandrea eo. ka hambarany aminao gny hatao." 5 Hoy Rota tamin'i Naomy: "Hanao gny raha iaby vinolanao aho." 6 Ka la nijotso am-pamoloa agny ie, ka la gnanaraky reo toro-hevitsy namean-drafozam-baviny azy. 7 Lafa nijabo voho nino i Boaza ka nazoto gny fony, ka la nandeha nadre teo amin'ny gny faran'ny gny antontam-bary ie. Bakeo niavy moramora ie, nangalaky gny siky tantombony egny ka nandry. 8 Zao gny niseho lafa nitaitsy gny johary tamin'ny gny vakimira haly. Nitoliky ie, ka tampoky ingo nisy sevaky nandry antombony eo! 9 Hoy ie: "Ia iha eo?" La namaly ie hoe: "Zaho Rota eo, mpanompo vavinao. Atanigno amin'ny gny mpanompo vavinao gny sikinao, fa longo marikitay aho." 10 Hoy Boaza: "Ry anak'ampelako, hotahian'i Yaveh anie iha. Fa nahare hasoam-panahy bevata tamin'ny gnafara ato noho ny tamin'ny gny voalohany iha, fotony tsy nagnarake gny zatovo lahy iha, ndra mijaly ndra manan-kanagna. 11 henany zao, re anak'ampelako, ka matahotsy! Hataoko anao gny iaby zay vinolanao, fotony gny tanan'ny gnoloko iaby mahay fa sevaky menbdriky iha. 12 To fa longo aho, fe misy longo marikitsy mare noho ny zaho. 13 Miegnena eto androany haly, ka amin'ny gny maraindray, laha hagnatanteraky gny lily maha longo marikitsy ho anao ie, soa zay, ao ie hanao gny lily maha longo marikitsy. Fa laha tsy hanao gny lily maha longo marikitsy anao ie, la hataoko zay, noho gny fahaveloman'i Yaveh. Mandrea hatramin'ny gny maraindray." 14 La nandry an-tombony eo hatramin'ny gny maraindray ie. La nifoha ie laha mbo maike tsy nahaizagnologny gnandro. Fa Boaza nanao hoe: "Ao tsy ho hay hoe niavy am-pamoloa eo ra ampela." 15 La hoy Boaza: "Andeso gny siky fisikinanao ka tanjaho." Lafa nanao an'izay ie la nagnameza vary hordea ignen'ny gny fagnamezagna tagnatiny zay ao ie ka nametraky gnenta taminy eo. La nagnantana agny ie. 16 Lafa niavy amin-drafozam-baviny agny Rota, la hoy ie: "Akory gny hataonao, re anak'ampelako?" La nivola taminy iaby izay nataon-dralehilahy taminy Rota. 17 Hoy ie: "Reto vary hordea ignenin'ny gny fagnamezagna reto ro nameany ahy, fa hoy ie: 'Ka mandeha amin'izao avao magnany amin-drafozam-bavinao.' 18 La hoy Naomy: "Miegnena eto, ry anak'ampelako, mandra-pahaizanao gny fivalihan-draha, fa tsy hiegny ralehilahy mandra-pahavitany zay raha zay androany."