Toko faha 2

1 Ka Elimeleka, valin'i Naomy, la nanandongo marikitsy, Boaza, zay manan-kanagna, voho lelahy manam-pahefa. 2 Rota, zay Miabita, nivola tamin'i Naomy hoe: " Henanizao aho engao hitimpo ze tavela amin'ny gny salohim-bary ambaibo egny. Hagnaraky gnolo hahitako hatea amasony eo aho." ka hoy Naomy tagnaminy hoe: " Mandena, re anakampelako." 3 La nandeha Rota ka nitimpo gny tavela tambaibo egny lafa baky namofoky rozy. Ka lafa niavy teo amin'ny gnanjara baibon'i Boaza, zay longon'i Elimeleka ie. 4 Ka ingo, Boaza bakagny Betlehema ka nivola tamin'ny mpamofoky reo hoe: "Ho aminareo anie i Yaveh. " Namaly azy rozy hoe: "Hitahy anao anie i Yaveh." 5 Ka Boaza nivola tamin'ny gny mpanompony zay nagnara-maso gny mpiasa hoe: "anak'ia moa io ampeleo?" 6 Gny mpanompo mpagnara-maso gny mpiasa namaly ka nanao hoe: "Ampela Moabita niaraky nimpoly tamin'i Naome bakagny amin'ny gny tanin'i Moabita io. 7 Nivola tamiko ie hoe: 'Mba engao lahy aho mba hitimpo ngy tavela nengany mpanampaky vary reo.' Ka la niavy teto ie ka nanohy nanomboky tamin'ny gny maraindray ka hatramin'izao, fa niay tseky ie tan-tragno ao." 8 Hoy Boaza tamin'i Rota: "Mijanjy ahy va iha, anaky? Ka mandeha mitimpo agny amin'ny gny baibo hafa; ka manenga gny baiboko. Fa, miegnena eto ka miasa miaraky aminireo ampela mpiasako. 9 Eo amin'ny gny baibo zay hanampahan'ny gny zatovo avao ro afantoho gny masonao ka magnaraha baka afaran'ireo sevaky hafa. Tsy fa nivolagniko moa johary reo tsy hitolo anao? Ndra mbia ndra mbia ro mangetaheta, la afake magneo amin'ny gny barikan-drano iha ka mino gny rano zay nantsakan'ny johary reo." 10 La niankohoky teo agnatrehan'i Boaza ie, nakasony amin'ny gny tany gny lohany. Hoy ie taminy: " Nagnino aho ro la nahita hatea teo amasonao, ka la nambenanao aho, zaho vahiny toy?" 11 Namaly azy Boaza ka nanao hoe: "Voatatitsy amiko atoy, zay iaby nataonao hatramin'ny gny nahafaty gny valinao. Nanenga gny raenao, voho gny reninao, voho gny tany nilatsahan'ny gny tavoninao mba hagnoriky gny rafozam-bavinao ka hagnagny ho amin'ny gnolo zay tsy hainao. 12 Ndragnahary anie hamaly hatea anao nohon'ny gnasanao. Enga anie handramby gny valiny atsiky bakamin'i Yaveh iha, zay Ndragnanaharin'i Israely, zay nahajereanao fialofa tao ambanin'ny gnelany." 13 La hoy ie bakeo: "Aoky hahajery hatea amasonao eo aho, tompoko, fa nampiaritsy ahy iha, ka nivola tamin'ny gny fahatsoram-po tamiko, ndra la tsy agnisan'ireo mpanompo ampela aza aho." 14 Tamin'ny gny fotoa fijaboa la hoy Boaza tamin'i Rota: "Avia eto, ka mijaboa amin'ny gny mofo, ka atsopoho ao amin'ny gny divay madiro gny mofonao." La nipetraky tagnilan'ireo mpiasa ie, ka la nagnomea vary voaendy ho azy ie. Nijabo ie mandra-pahavitsiny ka nengany gnambiny. 15 Laha ie vao nitsanga hamory gny voa igne, la nagnigna reo mpamaraky reo Boaza, nanao hoe: " Engao ie hamory gny voa ndra la eo amin'ny gnireo amboara aza, ka kamivola azy tsy hanao anizay. 16 Ka manoraha feheam-bary maromaro bakao amin'ny gny amboara ho azy avao, ka engao zay mba havoriny, ka kameloky azy." 17 Ka la nitimpo tambaibo egny ie mamdra-pahatsofitsy ngandro. Bakeo namofoky gny feheam-bary navoriny ie, ka vary hordea tokony ho eo amin'ny gny efaha raiky izay. 18 Naondrany io ka nagna-tana agny ie. Bakeo jerin'ny gny rafozam-baviny gny voavoriny. Nanday vary voaendy ambin'ny gny haniny avao koa Rota ka nagnomea an'izay hoa azy. 19 Hoy gny rafizam-baviny taminy hoe: "Nitimpo taia iha nandroany? Niasa taia iha? Ho tahie anie gny johary zay nagnampy anao." La vinolan'i Rota tamin'ny gny rafozam-baviny gny mahakasiky gny johary zay nana gny baibo niasany. Hoy ie hoe: "Boaza gnagnaran'ny gny johary zay tompony gny tany zay niasako nandroany." 20 Hoy Naomy tamin'ny gny vinantovaviny hoe: "Ho tahin'i Yaveh, zay tsy nahafoe gny fahitiany tamin'ny gny velo voho gny maty anie ie." Hoy Naomy taminy: "Longotsika marinike johary igne, raiky amin'ny gny reo longo mpagnavotsy antsika." 21 Hoy Rota Moabita hoe: "Hoy vatany ie tamiko hoe: 'Tokony hagnarikitsy amin'ny gny mpamarakiko avao iha mandram-pahavitandrozy gny filam-bokatsy iaby.'" 22 La hoy Naomy tamin'i Rota vinantovaviny hoe: "Soa zay, re anakam-pelako, gny hiarahanao miarakamin'ireo mpiasany ampela, mba tsy hisy gny hanjo anao ambaibo hafa agny." 23 Ka la nipetraky anilan'ireo mpiasan'i Boaza sevaky ie mba hitimpo mandra-pahatampitsy gny filam-bary hordea voho gny fila varim-bazaha. Niaraky nipetraky tamin-drafozambaviny ao ie.