Toko faha 4

1 La niakatsy ambavahady eo Boaza ka niegny teo. Ingo, avy gny longo marikitsy zay fa vinolan'i Boaza. Hoy Boaza taminy hoe: "Ry namako, misiziha ka mipetraha eto." Nisiziky gny lehilahy ka nipetraky. 2 Bakeo la nangalaky johary folo tamin'ireo lohaolo an-tana eo Boaza ka nanao hoe: "Mipetraha eto." Ka nipetraky rozy. 3 Hoy Boaza tamin'ny gny longo marikitsy hoe: "Naomy, zay nimpoly bakao amin'ny gny tanan'i Moaba, la namarotsy ampahan-tany zay an'i Elimeleka rahalahintsika. 4 Nieritseritsy gny hitalily aminao voho hagnambara aminao aho hoe: 'Vilio agnatrehan'ireo zay mipetraky eto zay, voho eo agnatrehan'ireo lohaolon'ny gny oloko.' fa laha magniry gny hagnavotsy an'izay iha avoto zay. Fa laha halanao gny hagnavotsy an'izay, la volagno aho, mba hahaizako, fotony tsy misy gny hagnavotsy an'io ankoatsy ny iha, ka zaho manoha anao." ka hoy gny lehilahy raiky hafa hoe: "Havotako io." 5 Ka hoy Boza hoe: "Amin'ny gnandro zay hivilianao tany io an-tagnan'i Naomy egny io, la tsy maitsy mangalaky an'i Rota zay Moabita, valin'ny gny lehilahy maty, mba hanandratsy gnagnaran'ny lehilahy maty amin'ny gny lovany avao koa iha." 6 Ka hoy gny longo marikitsy hoe: "Tsy afaky hamarotsy an'izay ho an'ny gny vatako aho laha manimba gny lovako zay. Alao ho anao gnazon'ny gny fagnavota, fotony tsy hagnavotsy an'izay aho." 7 Ka izay ro lily taloha tao Israely mahakasiky gny fagnavota voho fifanakalozagn'enta. Mba hagnato gny raha iaby, gny lehilahy raiky la nangalaky gny kapany ka nagnomea an'izay ho an'ny gny mpiara-belo aminy; zay ro lily fanaova gny fifagnenkegna magnara-dalagna tao Israely. 8 Ka la hoy gny longo marikitsy tamin'i Boaza hoe: "Vilio ho an'ny gny vatanao zay," ka nalany gny kapany. 9 kKa hoy Boaza tamin'ireo lohaolo voho gny olo iaby hoe: "Vavaolombelo nareo androany fa vigniliko iaby zay an'i Elimeleka voho zay iaby an'i Kiliona voho Mahalona teny an-tagnan'i Naomy. 10 Laha gny mahakasiky an'i Rota zay Mobita, valin'i Mahalona: fa nalaeko ho valiko koa ie, mba hahafahako manandratsy gnagnaran'ny gny lehilahy maty mba ho lovany, ka tsy hienga eo amin'ireo rahalahiny voho eo amin'ny gny vavahadin'ny tanàny gnagnarany. Vavaolombelo nareo androany." 11 Hoy ngnolo iaby zay teo amin'ny gny vavahady voho reo lohaolo hoe: "Vavaolombelo rahay. I Yaveh anie hanao gnampela zay niavy tan-tragnonao ao hanahaky an'i Rahely voho Lea, rozy roa zay nananga gny tranon'Israely; ka enga anie hateza ao Efrata voho halaza ao Betlehema. 12 Enga anie gny tragnonao hanahaky gny tragnon'i Fareza, zay naterak'i Tamara tamin'i Joda, amin'ny gnalalan'ny havorohota zay hamean'i Yaveh anao miarak'amin'io sevaky io." 13 Ka rinambin'i Boaza Rota, ka nanjary valiny. Niaraky nandre taminy ie, ka i Yaveh la nagnenga azy ho amintroky, ka niteraky zaza johary ie. 14 Hoy gn'ampela tamin'i Naomy hoe: "Hisaora anie i Yaveh, zay tsy nagnenga anao tsy hanan-dongo marikitsy, la itoy zaza toy. Halaza ao Israely anie gnagnarany. 15 Enga anie ie gny hagnampoly gny fiaignanao amin'ny gny laoniny ka hikarakara anao lafa antitsy iha, fa gny vignatonao, zay teagnanao, zay soa aminao mihoatsy noho ny gnanakao fitilahy, ro niteraky azy." 16 Rinambin'i Naomy gny zaza, la nampiroroeny an-tratrany eo, ka kinarakarany. 17 Namean'ny ampela mpiara-belo agnara ie hoe: "Gny zaza johary nateraky ho an'i Naomy." Kinai-drozy hoe Obeda. Ie ro niteraky an'i Jese, zay niteraky an'i Davida. 18 Ka reto gny havorohotan'i Fareza: Fareza la niteraky an'i Herzona, 19 Herzona niteraky an'i Rama, Rama niteraky an'i Aminadaba, 20 Aminadaba niteraky an'i Nasona, Nasona niteraky an'i Salmona, 21 Salmona niteraky an'i Boaza, Boaza niteraky an'i Obeda, 22 Obeda niteraky an'i Jese, Jese niteraky an'i Davida.