Toko faha 5

1 Tonga tagny agnilany ranomasina zariô, tao amin'ny faritr'i Gerasena. 2 Rehefa niala avy tiô amin'ny lakam-bitika Jesosy, de tonga de nisy lilay reka azon'ny fagnahy maloto no nagnatogna Anazy avy tegny amin'ny fasagna. 3 Nibodika tegny amin'ny fasagna ity lilay ity. Tsy nisy koza olona afaka nitàna anazy nade tamin'ny rojo vy aza. 4 Voafatotra matetika tamin'ny gadra vy sy rojo vy izy. Notapahiny ireo rojo ary potika ireo gadra vy.Tsy nisy nanagna hery nifehy ananjy. 5 Isan'alina sy isan'adro tegny amin'ireo fasagna sy tegny an-tendrombohitra, de nihoekoeka izy ary mandratra ny vatagny tamin'ny vato marangitra. 6 Rehefa nahita an'i Jesosy avy alavitra izy, de nisadodo ninga akiô Amanazy ary niankohoka tiô aloany. 7 Ary nangeka tamin'ny fiȏ mafy izy hoe: ʺIno ma no ifadraisako aminȏ, ry Jesosy zanak'Andriamanitra Avo indridra? Mangataka aminȏ amin'ny agnaran'Andriamanitra reka my zao, aza mampijaly ana". 8 Fa Izy niteny tamanajy hoe: ʺMivoaà aman'io lilay io, ry fagnahy malotoʺ. 9 Ary izy nagnadina ananjy hoe: ʺZovy agnaranô? Ka novaliny hoe: ʺLegiona no agnarako, satria maro be zeʺ. 10 Ary nangataka mafy Taminy hatragny hatragny mba tsy anora anjarô agny ivelagn'ny faritra. 11 Ary nisy lambo marobe nitrongy tamin'ny tagnambona, 12 ary nangataka Taminy zariô hoe: ʺAlefaso amin'ny lambo rôgna ze; avile ze hiditra akô". 13 Ka de navelany zarô; ary nivoaka ireo fagnahy maloto ka de niditra tamin'ireo lambo, de tonga de nibiridika tegny amin'ny elaka ho agny an-dranomasina ireo, ary lambo tiô amin'ny roa arivo tiô no maty tao an- dranomasina. 14 Ninga nilefa ireo namahagna ny lambo ary nitatitra ny zava-niseo tiô an-tanàna sy tagny ambanivolo, ary olona maro no nivoaka izaha ny raha niseo. 15 Avy tiȏ zariô de ninga amin'i Jesosy ary hitan-jariô ny lilay nitoeran'ny demonia, ilay izay nitoeran'ny Legiona, nipetraka tiô, nagnatô lamba ary nilamintsaina tsara; ka de natahotra zariô. 16 Ireo zay nahita ny ra-niseo tamin'ilay lilay nipetrahan'ny demonia de nikorana taman-jarô ny momba zany tamin'ny antsipiriany, ary koa nitantara momba ireo lambo taman-jariô. 17 De nanomboka nangataka Azy zariô mba hialany eo amin'ny faritra misy an-jarô. 18 Rehefa hiakatra tao amin'ny lakam-bitika Izy, dia niangavy taminy ilay lilay nipetrahan'ny demonia mba omba Anazy. 19 Saingy tsy nagnek'izany nefa Jesosy, fa nagnano Taminy hoe: "Nda mody agny amin'ny tragnonô sy ny fianakavianô ka tantariô aman-jariô izay natôn'ny Tompo taminô, sy ny namindrany fo taminô!" 20 De ninga nody izy ary nanomboka nagnambara ny zava-dehibe izay natôn'i Jesosy tamanazy tany Dekapolisy, ary gaga ny rehetra. 21 Ary rehefa nandia tegny agnilany ndreka Jesosy, tamin'ny lakam-bitika, de indro nisy olona maro be nivory nagnodidina Ananjy, raha tiô amorogn'ny ranomasina iny Izy. 22 Avy tiô de tonga ny reka taman-jariô mpitarikan'ny Synagoga, atao hoe Jairo, ka ra vô nahita Azy, de nisoroaka tamin'ny Ongony. 23 Nibiôbiôka tiô izy, ka nagnano hoe: "Marary be efa ho faty ny zanako viavy. Mitalaho aminô zao, andô koa de atife amanazy ny tagnanô mbarase sitrana sy ho velona izy". 24 De ninga niaraka tamanazy Izy, ary olona maro be no nagnaraka sy nagnety nagnodidina Ananjy. 25 Ary nisy viavy reka tiô voan'ny fahaverezan-drà nandritry ny roamby folo tôna. 26 Nijaly be fogna izy ary nitety mpitsabo maro sy nandany ny fanagnany manontolo, nefa de tsy sitrana se fa vômenka aza menkarasy. 27 Rehefa naregny ireo tatitra mamomban'i Jesosy izy, de ninga tafara tao anaty vaôaka izy ary nikasika ny akanjony. 28 Satria hoy izy hoe: "Raha mahakasika ny lambany fogna aho, de efa sitrana." 29 Ndreka nikasika Anazy izy, de negnina ny fahaverezan-drà, ary sapany atragny agnatiny fa sitrana tamin'ny aretinanazy izy. 30 Fantan'i Jesosy niaraka taman'izany fa nisy hery niala avy tamananjy. Nitodika tamin'ny vaôaka Izy ary nizaka hoe: "Zovy no nikasika ny akanjoko tiô?" 31 De namaly Azy ny mpianany hoe: "Hitanô vaôaka maro be mibosesika aminô io ka hoy Ianô hoe: "Zovy no nikasika Anà." 32 Fa nagnintigna ny magnodidina Ananjy Jesosy mba ahitany zegny nagnano an'izany. 33 Ilay viavy, nafantatra zegny raha nitranga taminy, de nataotra sy nangitakitaka. Nande izy ary nisoroàka tiô alohan'i Jesosy ka nizaka tamanazy ny marina manontolo. 34 De hoy Jesosy hoe: "Anaka, ny finoanô no nagnasitrana anô. Mandiana aminy fiadanana ary misitranà amin'ny aretina anô." 35 Raha mbola nizaka Izy, dia tonga ny olona sanagny avy tagny amin'ny mpitarika ny Synagoga, nagnano hoe: "Efa maty ny zanagno. Naoana no mbola mampijaly ny mpampianatra my anô?". 36 Fa rehefa naregny raha nizaken-jariô Jesosy, de hoy Izy tamin'ilay mpitarika ny Synagoga hoe: "Aza matahotra. Fa minoà fogna." 37 Ary tsy nisy navelany iaraka aminy, ra-tsy Petera, Jakoba, ary Jaona, tamboka reka amin'i Jakoba my. 38 Tonga tagny andragnon'ilay mpitarika ny Synagoga zariô ary nahita olona nihoalahola be takiô Izy; nitomagny sy nibarara be zariô. 39 Raha vô niditra tan-dragno Izy, dia hoy Izy taman-jariô hoe: "Naôana andrio no mitabataba sy mitomagny? Tsy maty ny zaza fa mandry." 40 Nimoe an'Azy zariô. Nefa navoagny tagny avelagny izy manontolo ary nangalaka ny iabany sy ny renin'ilay zaza sy ireo izay niaraka taminy, ary niditra tao amin'ny efitragno nisy ilay zaza Izy. 41 Nisamboriny ny tagnan'ilay zaza ary nizaka taminy hoe: "Talita, Komy!" zany raha adika de hoe: "Ry zaza viavy, mizaka aminô Zao ,mitsangȧna." 42 Tonga de nitsangana zaza viavy ary nandiaa (satria roa ambin'ny folo taona izy). Magnana fogna lilaka zariô. 43 Nizakeny mafy zariô mba tsy hisy na zovy na zovy afantatra ny momban'izô. Avy tiô de naseny namena ra-anina razaza viavy.