Toko faha 6

1 Niala taman'io toerana io Izy ka nandiaa antanin-drazagna, ary nagnaraka Anazy zarô mpianany. 2 Ary raa tonga ny andro sabata, de nampianatra tiô amin'ny Synagoga Izy. Maro ny olona niteno Anazy ka magnana zariô. Hoy zariô hoe: "Avy akeza no nazaoan'io fampianarana io''? ''Ino zô fahedrena zay namena Anazy zô?" Ino ra mamagnana zay natôny taman'ny tagnany io?'' 3 Tsy le mpandrafitra va io, ilay zanak'i Maria tambokireka aman'i Jakoba, Josesy, Jodasy ary Simona? Tsy miaraka amantsena aketo koa ve ny anakaviny?'' Voatoina taman'i Jesosy zariô. 4 De hoy Jesosy taman-jarô hoe: ''Tsy misy mpaminagny azaina eo amin'ny tanindrazagny sy ny eo amin'ny avany ary eo amin'ny ankohonany. 5 Tsy afaka nagnano asa magaga Izy, ra tsy ny fametran-tagnana tamin'ny marary visivisy ary magnasitrana an-jarô. 6 Magnana nony tsy finoan-jarô Izy. Avy takiô de nandia nagnodidigna ireo tanàna Izy hampianatra. 7 Avy takiô de nagnantso an-jarô roambifolo lahy Izy ary nanomboka nagnasan-jarô siroe roe, ary nomeny fahefana tamin'ny fagny ratsy zariô, 8 Ary nandrara an-jarô tsy tondra na ino na ino amin'ny diany, na mofo, na kitapo, na vola amin'ny fehikibon-jarô, ra-tsy tehina my, 9 fa magnatova kapa, fa aza magnatô akanjo roé. 10 Hoy Izy taman-jarô hoe: ''Na oviana na oviana andriô miditra andragno reka, de mipetraha akô tampy ialanarô akagny. 11 Ary ra misy tanàna tsy mandray narô na tsy miteno ndriô, ka rehefa magnamboho zany toerana zany anarô, de fafao ny vovoka amin'ny tongonarô mba ho vavolombelona iampanga an-jarô. 12 De ninga zarô ka nitory fa ny olona de tokony hibebaka amin'ny fahotany. 13 Nandroaka demonia maro zarô, ary nagnosotra marary maro tamin'ny ilo ka nagnasitrana anazy reny. 14 Regnin'i Heroda mpanjaka izany, satria rengy laza ny agnaran'i Jesosy. Ny sasagny de nizaka hoe: "Nitsangana tamany maty Jaona mpagnano batisa ka zany no anagnany hery aezany magnano raha magaga io. Zarô sasagny koza nizaka hoe: "Elia izy". 15 Fa zarô sasagny mbola nizaka hoe: "Mpaminagny Izy, kara ny reka aman-jariô mpaminagny tamin'ny andro talofa my". 16 Fa rahefa naregny an'izany Heroda de hoy izy hoe: "Jaona, ilay notapaiko loha, no nitsangana tamin'ny maty" 17 Fa Heroda nagniraka olona anambotra an'i Jaona ka nampigadra azy nohon'ny rahalain'ny Herodiasy (vadiny Filipo rahalahiny), satria natôny vady raviavy. 18 Fa Jaona nizaka taman'i Heroda hoe: "Tsy araka ny lalàna no angalaranô ny vadin'ny ralainô." 19 Fa vignitra tamanazy Herodiasy ka niaragna tetika amonoana anazy, nefa tsy afaka, 20 nony fatahoran'i Heroda an'i Jaona; fantany fa olo-marina sy feno fahamasinana izy, ary niaro anazy izy. Nampiasa loha anazy ny faregnesany anizany. Kanefa mbola niteno anazy tamin-kafaliana izy. 21 Avy tiô de nisy niraina tamin'ny fiveregnany taona naterakan'i Heroba ka nagnano fanasana ho an-jariô lebeny, sy ireo mpifehiny, ary zariô mpitarikan'ny Galilia Izy. 22 De niditra tagn'efitragno fanasana ny zanaka vavin'i Herodiasy ary nandihy ho an-jariô, ary nahafinaritra an'i Heroda sy zariô vahiny nantsovana tamin'ny finanan-kanina izy. Hoy ny mpanjaka tamin'ny zaza viavy hoe: "Laoe amanaa zegny ra rehetra tianô fa omeko anô zany". 23 Ary niafatrafatra tamazy izy ka nagnano hoe: "Na ino na ino no angatahinô amanaa, de omeko anô, na de antsasagny fanagnako aza. 24 "De nivoaka izy, de nizaka tamany mamany hoe: "Ino ma ra tokony laoeko amanazy"? De hoy mamany hoe: "Ny lohan'i Jaona mpagnano batisa". 25 Takiô takiô my de nierigna tamin'ny mpanjaka izy, ka nagnano hoe: "Tiako omenô ana zô de zô, eo ambony lasety ny lohan'i Jaona mpagnano batisa.'' 26 Na de nampalahelo be ny mpanjaka aza zany, de tsy afaka nandà fangatahany izy nony afatrafatra izay natôny sy nony vahiny nantsovana nihinana takiô amin'ny fanasana. 27 Non' izany de tonga de nagnasa maramila reka avy tamin'ny mpiambina ny mpanjaka ka nagnasa anazy hitondra ny lohan'i Jaona ankiô aminy. Nandeha ilay mpiambina ka nanapaka ny lohany tao antragnom-pigadrana. 28 Nindôny tambonin'ny lasety ny lohany ka nomeny an-jaza viavy, ary le zaza viavy nagnomia anazy an-dreniny. 29 Rehefa naregny an'izany zarô mpianany de ninga nangalaka ny vatagny ka nalevigny agny ampasagna. 30 Nierigna tagny amin'i Jesosy jariô Apositoly ary nitantara taminy zegny ra rehetra vitan-jarô sy nampenarin-jarô. 31 Ary hoy Izy taman-jarô: "Andô ntsena inga antany foagna mba angalaka robiana bitika.''' Fa maro ny olona misavoesavoe, ary tsy manam-potoana hinanan-kanina koza zarô. 32 De nandia an-dakana bitika zarô mba ho agny antany foagna. 33 Fa zariô nahita an-jarô ninga ary maro no nahafantata an-jarô, de niara-niazakazaka an-tongotra avy tagny amin'ny tanàna rehetra zarô, ary tonga teo talohan-jarô. 34 Rehefa tonga tegny amorogny zariô, de natazagna vaôaka maro Izy ary nangoraka an-jarô Izy, satria kara ondry tsisy mpiambina zariô. Ka nanomboka nampianatra raha maro an-jarô Izy. 35 Ary rehefa folak'andro ny andro, de nagnatogna Anazy zariô mpianany ka nagnano hoe: "Tany foagna ity, ary ny andro de efa ho alina koá. 36 Avile zarô mba inga agny amin'ireo fonegnany sy tanàna magnodidigna hividy sakafo mba hoanin-jarô." 37 Fa namaly Izy ka nagnano taman-jarô hoe: "Omeo raha ohanina zarô''. De hoy zariô taminy hoe: "Afaka mande minga mivanga mofo azon'ny denaria roanjato ve zé ka agnomen'izany an-jariô ho aniny?" 38 De hoy Izy taman-jarô hoe: "Firy ny mofo anagnandriô? Ndá de zahano." Refa hitany, de hoy zariô hoe: "Mofo dimy sy lôka roe." 39 De nibeko ny olona jiaby mba hitoetra mitokotokogna takiô amboniny ahitra meso Izy. 40 De nipetra nitokogna zariô; tokogny zato sy dimampolo. 41 Nangalaka ny mofo dimy sy lôka roe Izy, nidraka ny lanitra Izy de nisôtra ka nizarazara ny mofo ka nangnomen'izany tamin-jarô mpianatra mba omena ny olona .Nizareny koa ny lôka roe ho an-jarô rehetra. 42 De nihinana aby zarô maro be madrapa voky an-jarô. 43 Nalen-jarô ny mofo tsy lany, de nahafeno roambifolo tanty mitafotafo, ary koa ambin-dreo lôka. 44 Nisy dimy arivo zarô lilay nihinana ny mofo. 45 Tiô de tiô my de naseny nideba lakam-bitika zariô mpianatra mba inga alohany ho agny agnilany, hôagny Betsaida, raha nampody ny vaôaka Izy. 46 Rehefa dila zariô, de niakatra an-tampotavirana Izy mba hivavaka. 47 Tonga ny alina, ary efa antegnantegna rano ny lakam-bitika, fa Izy reka tavela tan-tamboo. 48 Ary hitany fa nijaly be zarô nive lakam-bitika, satria nanohitra be an-jariô ny rivotra. Takiô aman'ora fembenana fahefatra ny alina de nagatogna inga akiô aman-jarô Izy, nandia tegny ambony ranomasina, ary te-handalo taman-jarô Izy. 49 Fa rehefa nahita Anazy nandia tegny ambonin'ny ranomasina zariô, de neverin-jarô ho angatra na (raraa) Izy ka nioekoeka zariô. 50 Satria nahita Anazy zarô ka vaka, tiô tiô my de nizaka taman-jariô Izy hoe: "Matokisa! Zao my ty! Aza matahotra!" 51 Ary niditra tan-dakana bitika niaraka taman-jarô Izy, de negnina tsy nandrivotra koza. De magnana aby se zariô. 52 Ary tsy takatry ny segnan-jariô se ny dikan'ile mofo. Fa nefa koza, menka mafy ny fon-jarô. 53 Rehefa tody zariô, de tonga tô Ganesareta zariô ka nibodika takô. 54 Ary rehefa niala tan-dakam-bitika zarô, tonga de fantan'olona tô Izy. 55 Ka niazakazaka nagneragna ny faritra manontolo zariô ary nanomboka nitondra marary tamin'ny fandriany tagny amin'izegny rehetra regnin-jariô misy an'Azy. 56 Fa na takaa na takaa nandianany na an-tanàna, na antanam-be, na tegny amin'ny vohitra bitika, de napetrakan-jarô teo amin'ny kianja ny marary. Niangavy Anazy zariô mba andefa an-jarô hikasika ny morognak'anjony, ary zarô manontolo izay nikasika Anazy dia sitrana.