Toko faha 4

1 Ary nagnandogna nampianatra tiô amoron-dranomasina ndreka Izy, de nisy vaôka maro be nipetraka nagnodidigna Anazy. Niditra tan-dakana bitika tiô an-dranaomasina Izy, ary nitoetra taman'izany. Ny vaôka mantolo koza de nizanogna tiô amoron-dranomasina. 2 Nampianatra an-jarô ra maro be tamin'ny alalan'ny fagnoarana Izy, ary tiô amin'ny fampenarany, de zô no nizakeny taman-jarô. 3 Tsonoè, nisy mpamafy ande amafy voa. 4 De rehefa namafy izy, de nisy voa sasagny niraraka tan-ketogna, de rehefa avy ny vorogna de nihinana anazy. 5 Ny voa sasagny niraraka tamin'ny tany be vatovato, zay tsy nisy tany firy. Afaka naniry avy atrany izy regny, fa tsy lalina ny tany nisy anazy. 6 Ka rehefa mipiriàka agnandro, de nalazo zarô, satria tsisy vahany, de megna. 7 Ny voa afa niraraka tamin'ny tany be fatsy (tagnatina ahitra maniry). Ary naniry menka agnona ny fatsy de namia anazy, de tsy namoa izy. 8 Ny voa afa ndreka niraraka tami'ny tany tsara (tany malemy) ka namokatra voa tiô am-pagnoasany, ary nisasgny nitombo avo telopolo eny, ny sasagny enimpolo, ary ny sasgny zato. 9 Avy tiô de hoy Izy hoe: ''Zay manantadigny tonoana ra, de aok' izy iteno!" 10 Rehefa nipetra manokana Jesosy, de nagnadina Anazy mikasika io fagnoarana io zarô marivo Anazy sy zarô mpianany roambifolo. 11 Hoy Izy taman-jarô hoe: "Andriô no tsy agnafenana ny ra miafina ao amin'ny fanjakan'Andriamanitra". Fa ho an-jarô agny avelagny de fagnoarana daholo, 12 mba amin'ny fotôna izahanan-jarô, eny angitigna zarô, nefa tsy haita, ary mba amin'ny fotôna hitonoàn-jarô, eny aregny zarô, nefa tsy afantatra an'izany, na koa hiodigna zarô de amindra fo aman-jarô Andriamanitra. 13 Ary hoy Izy taman-jarô hoe: "Tsy azon-driô ma fagnoarana zany a? Aôna zany azaoanariô ny fagnoarana afa rehetra? 14 Ny mpamboly zegny mamafy ny voa de olona reka zegny mamafy ny teny. 15 Ireto zay niraraka tegny an-dalana, de namafy ny teny, ka rehefa regnin-jarô zany, de tonga de avy Satana de nangalatra ny teny izay vôfafy taman-jariô. 16 Ireto zegny vôfafay tamin'ny tany be vatovato, de zarô naregny ny teny, de tonga de nandray tam-pifaliana avy atragny. 17 Tsisy vahàny taman-jarô, fa tagnatiny fotôna fohy fogna. Ka ra tonga ny fijaliana na ny fagnenjeana non'ny teny, de tonga de lavo zarô. 18 Ireo afa zay vôfafy tamin'ny tany be fatsy (be aitra). Regnin-jarô ny teny, 19 fa ny fagnain'izao tontolo zao, ny famitahan'ny arena, sy ny fagniriana ny raha hafa de tafiditra ka manageza ny teny, ka tsy mamoa vokatra zany. 20 Ary ireo zay vôfafy teny amin'ny tany tsara dia ireo zay maregny ny teny ka mandray zany, ka mamoa vokatra izy ireoˍtelopolo, enimpolo, na avo zato henin'izay nafafy. 21 Jesosy nizaka taman-jarô hoe: "Mô entinô andragno va ny jiro de atô akô ambany tanty, na ambanin'ny farafara? Fa andonô miditra zany de atônô ambonin'ny fagnatovan-jiro. 22 Fa tsisy raha miafina zay tsy ho fantatra, ary tsisy tsiambaratelo zay tsy voaka. 23 Ra misy manan-tadigny tsonoana ra, de aoka izy hiteno!" 24 Hoy Izy taman-jarô hoe: "Mitandrema amin'ny teny zay regnin-driô, fa arakaraky ny oatra anoaran-driô my, no anoarana an-driô, ary ho ampiana aminarô zany. 25 Satria na zovy na zovy managna, de omena lalina be izy, ary na zovy na zovy tsy managna, na de zegny anagnany aza de alana amanazy." 26 Ary hoy iany koa Izy hoe: "Ny fanjakan'Andriamanitra de tahaka ny olona reka mamafy ny voany amin'ny tany. 27 Mandry izy amin'ny andro alina ary mifoa amin'ny mandregna, ary ny voa de mipaka de maniry, fa tsy fantany hoe ahôna. 28 Ny tany de mamoa amin'ny tegnany hiany: vôlognany ny tagnantagnany, avy akiô de ny taony, avy akiô de ny voa matoe eo amin'ny taony. 29 Ary rehefa matoe ny voa de tonga de andefasana mpambely, fa efa tonga ny fotom-pambilezana." 30 Ary hoy indray Izy hoe: "Ino ra azontsena agnoarana amin'ny fanjakan'Andriamanitra, inona no fagnoarana ampesentsena agnazavanan'izany? 31 Izany de karany ny vôtsinampy, rehefa afafy, de izy ny voa farany bitika indrindra amin'ny voa mantolo aketo ambonin'ny tany. 32 Nefa rehefa vôfafy zany, de maniry ary lasa lebe nohon'ny kakazo mantolo, ary managna tagnantagnana maventy, ka azon'ny vorogna mirigna agnanovana tragno amin'ny malemileminy." 33 Ary fagnoarana maro karan'izany no nizakany teny taman-jariô, arak'izegny azahoan-jarô anazy, 34 ary tsy nizaka taman-jarô ra-tsy tamin'ny fagnoarana Izy. Fa rehefa Izy reka, de azaveny amin'ny mpianany manokana my ny zavatra rehetra. 35 Taman'izany andro zany, rehefa tonga ny folak'andro, de hoy Izy hoe: "Andô ntsena hisaka agnilany." 36 Ka niala tamin'ny vaôka zarô, nitondra an'i Jesosy niaraka taman-jariô, tendrika Anazy tagnaty lakana bitika igny. Nisy lakana bitika afa ndreka nandia niaraka taminy. 37 Avy takiô nanomboka nisy rivotra be ary ny onjan-drano nandifotra ny lakana bitika ka efa seky feno rano ny lakana bitika. 38 Ary Jesosy reka nandry tiô ambodin'ny lakam-bitika, tambonin'ny ondana. Nifoazin-jarô Izy, nagnano hoe: "Mpampiatra ô, tsy mampagnino Anô ve ra hofaty aketo ntsena?" 39 Ary nifoha Izy, de nizaka mafy tamin'ny rivotra, ary nizaka taman'ny ranomasina hoe: "Mitsahara! milamina!" Ary nizanona ny rivotra, ka nilamina sô mantsara. 40 Ary hoy Izy taman-jarô hoe: "Naoana anariô no mataotra? Mbola tsy manam-ponoana fogna va nariô?" 41 Vaka be zariô ka nifampizaka hoe: "Iza mô ty, fa na de ny rivotra sy ny ranomasina aza de magneky Anazy?"