Marka toko faha 3

1 De ninga taman'ny Synagoga ndreka Jesosy ary nisy lilay maty tagnana takô. 2 Nizaa marivo Anazy ny olona sasagny mba ahita raha agnasitrana azy amin'ny Sabata Izy mba afahan-jarô magnameloka Anazy. 3 Hoy Jesosy tamin'ny lilay maty tagnana hoe: "Misangána ka mijoroà aketo agnivon'ny olo-maro aketo". 4 De nizaka tamin'olona izy hoe: "Azo atao va magnano ra tsara amin'ny andro Sabata sa magnano ratsy; ny magnavotra egna, sa ny mamono?" Nefa zarô tsy nizaka se. 5 Nizaha an-jarô tamin'avignirana Jesosy, sady nalaelo Izy nony hamafin'ny fon-jarô, de nizaka tamin'ilay lilay Izy hoe : "Amparo ny tagnanô". 6 De namparin'ilay lilay ny tagnany ka sitrana. Nivoaka zarô Fariseo ka nignonognonogna be niaraka tamin'ny Herodiana hiaragna fomba amonona Anazy. 7 Avy tiô Jesosy, niaraka taman-jarô mpianany, ninga tagny andranomasina, ary nisy olona maro nagnara avy tagny Galilia sy avy agny Jodia, 8 ary avy agny Jerosalema sy avy agny Edoma ary hatragny ami'ny reniranon'i Jordan sy magnodidigna ny Tyro sy Sidona. Rehefa naregny momba ny zavatra natôny zarô, de nisy vaôaka maro nandea ankiô aminy. 9 De nagnasa ny mpianany niaragna lakana bitika Jesosy ho Anazy non'ny amaroan'olona tiô, mbarase tsy voatosik'olona Izy. 10 Nony Izy nagnasitrana olona maro, dia nifarombaka nagnatogna Anazy ny olona manontolo zegny nanagna aretina mba ikasika Anazy. 11 Isaky naita Anazy ireo fagnahy maloto, de miandoalika aloany ary mibarara, ary hoy zarô hoe: "Anô no zanak'Andriamanitra". 12 Nizakeny mafy ireo mba tsy agnatoro Anazy. 13 Niakatra tegny antam-potavirana Izy, ary nagnantso an-jarô zegny tiany, mba inga akiô Aminy zarô. 14 Nagnasa an-jarô roa ambifolo lahy Izy (izay nantsoiny hoe Apositoly), mba afahan-jarô miaraka Aminy sady koa afahany mandefa an-jarô magnambara ny afatra, 15 sady hanagnany faefana androaka demonia. 16 Avy tiô de nagnasa ireo roa ambifolo Izy: Simona, zay nameny agnarana hoe Petera; 17 Jakoba zanak'i Zebedio, sy Jaona tambokireka amanazy, zay nameny agnarana hoe Boanarijesy, mitovy amin'ny hoe, zana-baratra; 18 ary Andrea, Filipo, Baritolomeo, Matio, Tomasy, Jakoba zanak'i Alfeo, Tadeo, Simona Zelota, 19 ary Jodasy Iskariota, izay hamadika Anazy. 20 De nody tan-dragno Izy, de niara-tonga ndreka ny vaôaka, ka tsy afaka ninan-kanina se zarô. 21 Ra naregny ny momba anizany ny avany, de nivoaka zarô angalaka Anazy, satria nizakan-jarô hoe: "Foka Izy." 22 Zariô mpitondra fanjakana de nandrorogna avy takagny Jerosalema ka nizaka fa: "Ipetrahan'ny Belzeboba Izy ka amin'ny alalan'ny mpanapaky ny demonia my no androhany demonia." 23 De nantsovan'i Jesosy agnatogna Anazy zarô ka nizakany tamin'ny alalan'ny fagnoarana hoe: "Karakory ma afahan'ny Satana mandroakan'i satana? 24 Ra misy fanjakana miady andragno, de ho rava zany. 25 Na misy tokantrano miady andragno, de ho potika izany tokan-tragno zany. 26 Ra nitsangana nanohitra ny tegnany Satana de misaraka, de tsy aharitra, ka hifaragna. 27 Fa tsisy afaka miditra andragnon'ny lilay matanjaka ka mandrobaka ny fanagnany ra tsy mamatotra zay mahery aloaka, de androbaka ny tragony izy avy akiô. 28 Zakeko mazava tsara aman-driô, ho vôvela daholo ny olona, amin'ny teny ratsy rehetra izay avôkan'ny vavany, 29 fa zay miteny ratsy ny Fagnay Masina koza de tsy vôvela heloka mandrakizay." 30 Nagnambara izany Jesosy non'ny filazan-jarô hoe: "Managna fagnay maloto Izy." 31 Avy tiô de tonga ny mamany sy tambokoreka amanazy nipetraka tagny avelagny. Nagnasa olona niaragna Anazy zarô, ka nagnantso Anazy. 32 Nipetraka magnodidigna Anazy ny vaôka de hoy zarô tamanazy hoe: "Ny mamanô sy tambokireka amanô de avelagny akô, miaragna anô zarô kô". 33 Ary Izy namaly hoe: "Zovy mà mamako sy tambokireka amanaa?" 34 Ary nizaha nagnodidigna taman'olona nitoetra magnodidigna Anazy Izy de hoy Izy hoe: "Antegno, itôgna ny mamako sy tambokireka amanaa! 35 Fa na zovy na zovy magnano ny sitrapon'Andriamanitra, de zany olona zany no ralahiko, sy anakaviko, ary mamako."