Marka toko faha 2

1 Rehefa nierigna takô Kapernaomy Izy rehefa afaka andro visivisy, de regny fa takô andragno Izy. 2 Maro be ny olona nitangorogna tiô ka non'izany de tsy nisy toerana intsony, na de tiô ambarangaranga aza, ary nizaka raha taman-jarô Jesosyy. 3 De nisy lilay mompa mompagna nagnatogna an'Azy izay nitondra lelay malemy reka; zay nolanjen'olona efa-day. 4 Refa tsiafaka nagnatogna anazy akeky zarô nony amaroan'ny vaôka, de nagnendan-jarô ny tafotragno tiô ambonin'i Jesosy, ary reefa vôsokatran-jarô de nampidignin-jarô tiô ny randriana nisy an'ilay lelay nalemy. 5 Non'ny naita ny finoan-jarô, Jesosy de hoy Izy tamin'ilay lelay malemy hoe: "Anaka vôvela ny elokao". 6 Ary nisy ny sasagny taman-jarô mpitondra fanjakana nipetraka tiô, ka nimonomonogna takagny ampony zarô hoe: 7 "Aôna no afan'io lilay io mizaka karan'izany? Miteny ratsy Izy! Fa tsy andriamanitra reka my va mamela eloka?" 8 Fa jesosy nafantatra avy atragny tam-pagnainy ny zavatra nieretreretin-jarô, ary hoy izy taman-jarô hoe: "Nagnino anarô mieritreritra zany ra izany tao amponarô? 9 Ino no moramora koa ny mizaka amin'io lelay malemy io hoe: "Vôvela ny elokanô" Sa hoe: "Misangàna, batiô ny fandriagnanô, ka mandiana?" 10 Fa mba afantaranarô fa managna faefana hamela eloka eto amboniny tany ny zanak'olona, ho Izy tamin'ilay makemy hoe: 11 "Zakeko amanô, misangàna ka batiô ny rafandriananô ka modia agny andragnonô" 12 De nisangana izy de tonga de nibata ny rafandriany avy atragny, ka nivoaka ny tragno takiô agnatrean'olona rehetra, ka variana ny olona manontolo ka nagnome voninahitra an'Anandriamanitra, ary hoy zarô hoe: "Mbola tsy naita ra karan'ity ze." 13 Aviô de nivoaka tiô amoron-dranomasina ndreka Izy ary nagnatogna anazy daolo ny vaôka, de nampianariny zarô. 14 Ary rehefa nandalo Izy de naita an'i Levy zanak'i Alfeo nitoetra tiô amin'ny toerana fandoavan-karatra ka hoy Izy taminy hoe: "Magnaraa ana". De nisangana izy ka nagnaraka anazy. 15 Nihinana tao andragnon'i Levy Jesosy ary mpitaky hetra sy olona mpnonta marobe no niaraka ninan-kanina tamanazy sy zarô mpianany, fa maro zarô takô ka nagnaraka anazy. 16 Ary zarô mpaay lalàna, izay fariseo, ra naita an'i Jesosy niara-ninan-kanina taman'olona mpanonta sy ire mpanery hetra, de nagnadina ny mpianatra hoe: "Nagnino Izy no miaraka minan-kanina amin'ny mpanangon'etra sy olona mpanonta?'' 17 Raha naregny an'izany Jesosy de hoy Izy taman-jarô hoe: "Tsy ny salama no mila mpisabo; fa ny marary iany no mila an'izany. Tsy tonga agnantso ny olo-marina Aho , fa ny mpanota." 18 Ary nifady ra-anina zarô mpianatr'i Jaona sy zarô Fariseo. Lilay maromaro no nagnatogna Anazy ka nizaka tamin'ny hoe: "Nagnino ny mpianatr'i Jaona sy mpianatran-jarô Fariseo no mifady ra-anina, fa mpianatra anô koza tsy mba mifady?" 19 De hoy Jesosy tamanjarô hoe: "Afaka mifady ra-anina va ny mpagnatrika ny fampakarana ra mbola akiô ny mpampakatra? Ra mbola miaraka aman-jarô akiô ny mpampakatra, de tsy afaka mifady ra-anina zarô. 20 De ho tonga ny andro angalanan'ny mpampakatra eo aman-jarô, de aman'izegny andro zegny vao hifady ra-anina zarô. 21 Tsy misy olona manombigna lamba rota amin'ny lamba vôvô, ra izany de miala amin'ny lamba vôvô ny lamba rota ary vômenka ratsy ny farotavany. 22 Ary tsy misy olona magnatô divegna vôvô agnatin'ny siô oditra rota, ra izany de vaky ny siô oditra rota, ka ho very ny divegna. Fa divegna vôvô de atô agnatin'ny siô oditra vôvô. 23 Tamin'ny andro Sabata Jesosy de nande tegny ankoraka maromaro, ary nanomboka nambely tan-tagnombary ny mpianany. 24 De hoy zariô Fariseo Taminy: "Antegno, nagnino zarô no magnano raha tsy arakaky ny lalàna amin'ny andro Sabata?" 25 De hoy Izy taman-jarô hoe: "Mbola tsy nivakinarô angamba zegny natôny Davida rehetra tô agnatin'ny tsy fanagnana sy farefognana izyˍsy zarô lilay niaraka taminy. 26 Nagnino ny fomba nidirany takô andragnon'Andriamanitra tamin'ny andron'i Abiatara mpisorogna be, ka ninana ny mofon'ny fanatrehana, zay tsy ara-dalana n'iza n'iza no omana anazy ra tsy mpisorogna my ary mbola nagnomezany be de be zarô niaraka tamananzy aza?" 27 Jesosy nizaka hoe: "Ny Sabata de natô ho an'ny zanak'olombelona, fa tsy ny zanak'olombelona natô ho an'ny Sabata. 28 Non'izany , de ny zanak'olona no tompo, nade amin'ny Sabata aza''.