Tôko faha 7

1 Tavafaran'izegny de nahita anjely aifatra nitsangagna take amin'ny zôro tany aifatra za, nanôhitra mafy ny rivotra aifatra ny tany, mbô tsy hisy rivotra hitsoaka amin'ny tany, amin'ny ranomasigna, na hifagnohitra amin'ny hazo jiaby. 2 Nahita anjely hafa za niakatra avy tagny antsignianagna, zay nanagna ny tombo-kasen'Andriamanitra velogna. Nihiaka tamin'ny feo mafy tamin'ire anjely aifatra zay nahazo alalagna hanimba ny tany sy ny ranomasigna zay hoe: 3 ''Aza simbagna ny tany, ny ranomasigna, na ire hazo mandra-panisintsika ny tombo-kase ake amin'ny handrin'ire mpanompon'Andriamanitra.'' 4 Nahare ny isan'ire zay voatombo-kase za: 144,000, no voatombo-kase avy tamin'ny fôkon'ny ôlon'israely jiaby: 5 Roa arivo sy raika aligna no voatombo-kase avy tamin'ny fôkon'i Joda, roa arivo sy raika aligna avy tamin'ny fôkon'i Robena, roa arivo sy raika aligna avy tamin'ny fôkon'i Gada, 6 roa arivo sy raika aligna avy tamin'ny fôkon'i Asera, roa arivo sy raika aligna avy tamin'ny fôkon'i Naftaly, roa arivo sy raika aligna avy tamin'ny fôkon'i Manase. 7 Roa arivo sy raika aligna avy tamin'ny fôkon'i Simeona, roa arivo sy raika aligna avy tamin'ny fôkon'i Levy, roa arivo sy raika aligna avy tamin'ny fôkon'i Isakara, 8 roa arivo sy raika aligna avy tamin'ny fôkon'i Zebolona, roa arivo sy raika aligna avy tamin'ny fôkon'i Josefa, ary roa arivo sy raika aligna avy tamin'ny fôkon'i Benjamina no voatombo-kase. 9 Tafaran'ire raha ire de nizaha za, ary nisy ôlogna maro be zay tsy tambo isaigna--- avy tamin'ny firenegna, fôko, ôlogna, ary fivôlagna jiaby---nitsangagna take agnatsehan'ny sezy fiandrianagna sy take agnatsehan'ny Zanak'ondry. Nagnano akanjo lava fotsy sy mitagna sampan-drofia tagny amin'ny tagnan'izy ire, 10 ary nagnantso mafy tamin'ny feo mahery izy ire nagnano hoe: ''Ny famonjegna de an'Andriamanitra zay mipaitraka ake ambônin'ny sezy fiandrianagna, sy an'ny Zanak'ondry!'' 11 Ny anjely jiaby nitsangagna magnodidigna ny sezy fiandrianagna sy magnodidigna ire lôhôlogna sy ny raha-managn'aigna aifatra, ary izy ire de nampiondrika ny tarehin'izy ire take agnatrehan'ny sezy fiandrianagna. Nivavaka tamin'Andriamanitra izy ire 12 nagnano hoe: ''Amena! Dera, Voninahitra, fahaindriagna, fisaoragna, fahefagna, ary ny hery anie ho an'Anandriamanitra mandrakizay doria! Amena!'' 13 Avake ny raika tamin'ire lôhôlogna nagnotany za hoe: ''Iza ire, mitafy akanjolava fotsy, ary avy aiza izy ire?'' 14 Hoy za taminy: ''Tompoko, ana mahafantatra,'' ary hoy izy tamiko: ''Ire no hivoaka avy amin'ny Fahoriagna Maventy. Nosasan'izy ire ny akanjolavany ary nofotsiagna tamin'ny ràn'ny Zanak'ondry. 15 Noho zany antony zany, de ake agnatraihan'ny sezy fiandriagnan'Andriamanitra izy ire, sy mivavaka amin'ny andro aman'aligna akô amin'ny tempoliny. Ny raika zay nipaitraka take amin'ny sezy fiandrianagna de hamailatra ny lainy amin'izy ire. 16 Tsy tihinagna koà izy ire, na hangaitahaita indray. Tsy hamely azy ny masoandro, na ny hafanagna mandoro. 17 Fô ny Zanak'ondry ake agnivon'ny sezy fiandrianagna no ho mpiandry azy sy hitari-dalagna azy ire agny amin'ny lôharanon'ny rano velogna, ary hifafan'Andriamanitra ny ranomaso jiaby amin'ny mason'izy ire.''