Tôko faha 8

1 Kôfa novahan'ilay Zanak'ondry ny tombo-kase fafito, de nisy fahanginagna tagny an-dagnitra take amin'ny antsasaka ora take. 2 Avake de hitako ire anjely fito zay nitsangagna take agnatraihan'Andriamanitra, ary nagnamia trompetra fito izy ire. 3 Nisy anjely hafa tônga, nitazogna lasety vôlamaina fandoroagna ditin-kazo magnitra, nitsangagna take ambônin'ny alitara. Ditin-kazo magnitra maro no namiagna azy mbô hagnomaizany zany mbamin'ny vavaky ny mpino jiaby ake ambônin'ny alitara vôlamaina fandoroagna ditin-kazo magnitra ake agnatrehan'ny sezam-boninahitra. 4 Ny setrok'ilay ditin-kazo magnitra, mbamin'ny vavak'ire mpino, de niakatra take agnatraihan'Andriamanitra avy amin'ny tagnan'ny anjely. 5 Naka lay lasety fandoroagna ditin-kazo magnitra lay anjely ary nagnamia zany tamin'ny afo avake amin'ny alitara. Avake natsipy tamin'ny tany zany, ary nisy kotro-baratra, kotroka, tselatra, ary horohoron-tany. 6 Ire anjely fito zay nanagna ire trompetra fito de niomagna hitsoka zany. 7 Nitsoka ny trompetrany lay anjely voalôhany, ary nisy havandra sy afo mifangaro rà. natsipy tatô an-tany zany mbô ho may ny ampahatelon'izegny, may ny ampahatelon'ny kakazo, ary may dahôlo ire ahi-maintso. (Fagnamarihagna: Ny sanagny amin'ire dika-teny talôha de magnala ny hoe: ''mbô ho may ny ampahatelon'izegny.'') 8 Nitsoka ny trompetra lay anjely faharoa, ary nisy raha karaha tanety maventy nirehitr'afo natsipy tagny an-dranomasigna. Lasa rà ny ampahatelon'ny ranomasigna, 9 maty ny ampahatelon'ny raha-managn'aigna takô an-dranomasigna, ary rava ny ampahatelon'ire sambo. 10 Nitsoka ny trompetra lay anjely fahatelo, ary nisy kintagna maventy nilatsaka avy agny an-dagnitra, mirehitra karaha ny fanilo, tamin'ny ampahatelon'ire ony sy lôharano. 11 Raha mangidy no agnaran'ilay Kintagna. Lasa nangidy ny ampahatelon'ilay rano, ary ôlogna maro no maty tamin'ilay rano zay lasa nangidy. 12 Nitsoka ny trompetra lay anjely faha aifatra, ary nivoaka ny ampahatelon'ny masoandro, karaha ny ampahatelon'ny volana sy ny ampahatelon'ire kintagna. Noho zany de lasa mainty ny ampahatelon'ire; tsisy hazavagna ny ampahatelon'ny aligna. 13 Nizaha za, ary naregny vôro-mahery zay nagnaimbagna tegny ampovoan'ny lagnitra, nagnantso tamin'ny feo mafy hoe: '''Loza, loza, ho an'ire zay monignia ambônin'ny tany, nohon'ny feon'ny trompetra sisa zay efa ho tsofin'ire anjely telo.''