Tôko faha 6

1 Kôfa nanôkatra ny raika tamin'ire tombo-kase fito ny Zanak'ondry de nizaha za, ary naregny ny raika tamin'ire raha-managn'aigna aifatra tamin'ny feo karaha ny kotroka za nivôlagna hoe: ''Avia! 2 Nizaha za ary nisy soavaly fotsy take. Ny mpitaingina zany de nitazogna tsipika, ary nomegna satro-boninahitra izy. Nivoaka toy ny mpandresy izy mbô handresy. 3 Kôfa nanôkatra ny tombo-kase faharoa ny Zanak'ondry, de naregny ny raha-managn'aigna faharoa za nivôlagna hoe: ''Avià!'' 4 De nisy soavaly hafa nivoaka-mirehitra mena. Ny mpitaingigna izegny no namiagna alalagna hagnala ny fiadanagna amin'ny tany, mbô hifamono ny ôlony. Io mpitaingigna io de namiagna lefogna maventy. 5 Kôfa nanôkatra ny tombo-kase fahatelo ny Zanak'ondry, de naregny ny raha-managn'aigna fahatelo za nivôlagna hoe: ''Avià!'' Nahita soavaly mainty za, ary ny mpitaingigna zegny de natàgna mizàna vôlagna an-tagnany. 6 Naregny karaha ny feo tamin'ny raha-managn'aigna aifatra za nivôlagna hoe: ''Ny vary eran'ny fatram-bary ho an'ny denaria raika, ary ny hordea in-telon'ny fatram-bary ho an'ny denaria raika. Fô aza manimba ny menaka sy ny divay.'' 7 Kôfa nanôkatra ny tombo-kase fahaifatra ny Zanak'ondry, de naregny feon'ny raha managn'aigna za nivôlagna hoe: "Avià! 8 De nahita sôvaly mahià za. Ny mpitikina izegny, de nantsôvignia hoe Fafataisagna, ary ire Fasagna de nagnaraka ananjy. Namiagna fahefagna amin'ny ampahaifatry ny tany izy ire, mbô hamono amin'ny lefona, silôgna sy aretignia, ary amin'ire bibidian'ny tany. 9 Kôfa nanôkatra ny tombo-kase fahadimy ny Zanak'ondry, de hitako tambany alitara ire fagnahin'ire zay nivonignia noho ny tenin'Andriamanitra sy ny fitsanganagna vavolombelona zay nitanàn'izy ire. 10 Niàka tamin'ny feo mafy izy ire: "Mandra-pahoviagna, ry Mpanapaka ambônin'ny jiaby, masigna sy marigna, no ire zay miaigna aketo an-tany, sy hamaliàna faty ny rànay? 11 De namiàgna akanjolava ny tsiraikiraikià avy tamin'izy ire, ary nivolagnina izy ire, fô tôkony andigny helihely mandra-pazoagna ny isa fenon'ire mpiara-manompon'izy ire sy ire ralahy sy anabavin'izy ire zay tôkony hovonignia izy ire kara namonoagna azy ire. 12 Kôfa nanôkatra ny tombo-kase faenignia ny Zanak'ondry, de nizaha za ary nisy hôrohôron-tany maventy. Lasa mainty toy ny lamba fisônagna ny masoandro, ary ny volana fenomanana de lasa karaha rà. 13 Ire kintagna teny amin'ny lagnitra de nianjaira tety an-tany, karaha aviavy manintsana ny voany manta kôfa ahetsiky ny rivotra mahery. 14 Ny lagnitra de nanjavogna karaha horonan-taratasy zay naorongorogna. Ny tendrombohitra sy ny nosy jiaby de nalagna take amin'ny toerany. 15 Avake ire mpanjakan'ny tany sy ny ôlogna manan-danja, sy ire jeneraly, ny mpanan-kariagna, ny mahery, ary ny hafa jiaby, andevo sy afaka, niafigna takô agnatin'ire lava-bato sy tamin'ire vatolampin'ny tendrombohitra. 16 Nivôlagna tamin'ire tendrombohitra sy tamin'ire vatolampy izy ire hoe: ''Milavoà aminay! Akajy amin'ny tarehin'ilay raika zay mipaitraka ake amin'ny sezy fiandrianagna sy amin'ny fahavigniran'ny Zanak'ondry zaihay. 17 Fô tônga ny andro maventin'ny fahavigniran'izy ire. Zôvy no havita hiaritra?''