Tôko faha 5

1 Ary nahita ny tagnana ankavanagnan'ilay raika zay nipaitraka take amin'ny sezy fiandrianagna za, horonan-taratasy voasôratra eo agnatrehany sy akô avafara. Ary nofihezignia tamin'ny tombo-kase fito zany. 2 Nahita anjely mahery nagnambara tamin'ny feo mafy za, nivôlagna hoe: ''Zôvy no mendrika ny hanokatra ny horonan-taratasy ary hamoha ny tombo-kasen'izany?'' 3 Tsy misy ôlogno avy an-dagnitra na eto an-tany na ambanin'ny tany ka afaka hanôkatra ny horonan-taratasy na hamaky zany. 4 Nitomagny mafy za- satria tsy nisy ôlogno hita mendrika ny hanôkatra ny horonan-taratasy na hamaky zany. 5 Kanaifa raika tamin'ire lôhôlogno nivôlagna hoe: ''Aza mitomagny. Indro! Lay lion'ny fokon'i Joda, lay solofon'i Davida, de nandresy. Afaka ny hanôkatra ny horonan-taratasy sy ire tombo-kase fito izy. 6 Nahita zanak'ondry mitsangana ake agnelagnelan'ny sezy fiandrianagna sy ire raha-managn'aigna aifatra ary ake agnivon'ire lôhôlogno za. Karaha ny hoe ôlogno novonoigna izy. Nanagna tandroka fito sy maso fito izy; izy ire no fagnahy fiton'Andriamanitra nalefa naneragna ny tany. 7 Nandaiha izy ary nalaka lay horonan-taratasy teny amin'ny tagnana ankavanagnan'ilay raika zay nipaitraka take amin'ny sezy fiandrianagna. 8 Kôfa nalain'ilay Zanak'ondry lay horonan-taratasy, ire raha-managn'aigna aifatra sy ire lôhôlogna aifatra amby roapolo de nampiondrika ny tegnan'izy ire take agnatrehany. Samy nanagna lokanga sy lasety vôlamena feno emboka magnitra avy ny tsiraikaraika tamin'izy ire, zay vavak'ire mpino. 9 Nihira hira vôvô izy ire: ''Mendrika ny malaka an'ilay horonan-taratasy ana ary hanôkatra ny tombo-kasen'izany. Fô ana de novonoigna, ary tamin'ny rànao no nividianagna an'ire ôlon'Andriamanitra avy tamin'ny foko, fivôlagna, ôlogno, ary firenegna jiaby. 10 Natônô fanjakagna sy mpisorogna izy ire mbô hanompo an'Andriamanitra, ary hanjaka eto an-tany.'' 11 Avy ake za de nahita sy naregny feon'anjely maro nanodidignia ny sezy fiandrianagna sy ire raha-managn'aigna ary ire lôhôlogno. Ny fitambaran'izy ire de aman'aligna aligna. 12 Nivôlagna tamin'ny feo mafy izy ire hoe: ''Mendrika anie lay Zanak'ondry zay novonigna mbô handray fahaifana, haregna, fahendregna, hery, laza, vôninahitra, ary dera.'' 13 Naregny ire raha voaforogna jiaby zay tany an-dagnitra sy teto an-tany ary an-dranomasigna za - ny raha jiaby takô anatin'ire-nivôlagna hoe: ''Ho an'ilay raika zay mipaitraka ake amin'ny sezy fiandrianagna sy ho an'ilay Zanak'ondry, anie ny dera, laza, ny vôninahitra, ary ny fahefagna handidy, mandrakizay doria.'' 14 Ire raha-managn'aigna aifatra, nivôlagna hoe: ''Amena!'' Ary ire lôhôlogno niondrika sy nivavaka. [Fagnamarihagna: Ny sanany amire dika-vôlagna talôha de mivaky hoe: ''Ire lôhôlogna roa amby aifapolo de niondrika sy nanômpo an'ilay zay velogna mandrakizay doria.'']