Tôko faha 4

1 Tavafaran'izegny raha zany de nizaha za, ary nahita tamiagna raika nisôkatra teny aminn'ny lagnitra. Ny feo voalohany zay regniky de niraisaka taminahy karaha ny trompetra, nagnano hoe: ''Miakara ety, ary ho asehoko anô zay tsy maintsy hitranga avafaran'ire raha ire.'' 2 Nisy fotoagna za voatariky ny Fagnahy, ary nahita fô nisy sezy fiandrianagna nipaitraka teny amin'ny lagnitra, nisy ôlo nipaitraka tambônin'izegny. 3 Lay raika zay nipaitraka tambôniny de miendrika tahaka ny jaspa sy karneola. Nisy avana nagnodidigna ny sezy fiandrianagna. Lay avana de karaha emeraoda. 4 Nisy sezy fiandrianagna aifatra amby roapolo nagnodidignia lay sezy fiandrianagna, ary lohologna aifatra amby roapolo no nipaitraka teo ambônin'ire sezy fiandrianagna, nagnatô lamba fotsy, niaraka tamin'ny satro-boninahitra vôlamaina teny amin'ny lôhan'izy ire. 5 Avy tamin'ilay sezy fiandrianagna no nisy tsela-pahazavagna, kotroka, ary kotro-baratra. Nisy jiro fito nirehitra teo agnatraihan'ny sezy fiandrianagna, jiro zay fagnahy fiton'Andriamanitra 6 Teo alohan'ny sezy fiandrianagna de nisy ranomasigna fitaratra, karaha kristaly. Ire raha-managn'aignia aifatra de teo ategnategnan'ny sezy fiandrianagna sy nagnodidigna zany, feno maso, teo agnatraihany sy tao an-dakambôhiny. 7 Lay raha-managn'aigna voalôhany de tahaka ny liona, lay raha-managn'aigna faharoa karaha ny zanaka ahomby, lay raha-managn'aigna fahatelo de karaha ôlogna, ary lay raha-managn'aigna fahaifatra karaha ny voro-mahery manidigna. 8 Ire raha-managn'aigna aifatra de samy managna elatra enigna avy, feno maso ny ambôny sy ny ambany. Andro sy aligna izy ire de tsy mijanogna mivôlagna hoe: ''Masigna, masigna, masigna lay Tompo Andriamanitra Tsitoha zay nisy, sy misy, ary mbôla ho avy.'' 9 Na oviagna na oviagna ire raha-managn'aigna de hagnamia voninahitra, laza, ary fisaoragna an'ilay raika zay mipetraka eo amin'ny sezy fiandrianagna, lay raika zay velogna mandrakizay doria, 10 ire lôhôlogna aifatra amby roapolo de nampiankôhitra ny tegnan'izy ire eo agnatraihan'ilay raika zay mipaitraka eo amin'ny sezy velogna mandrakizay doria izy ire, ary nanôraka ny satro-boninahitr'izy ire take agnatrehan'ny sezy fiandrianagna, mivôlagna hoe: 11 ''Mendrika anô, ry Tomponay sy Andriamanitray, handray ny vôninahitra sy ny laza ary ny hery. Fô ana no namorogna ny raha jiaby, ary tamin'ny alalan'ny sitrapôna, de nisy izy ire ary nohariagna.''