Tôko faha 3

1 Soraty ho an'ny anjelin'ny fiangonagna agny Sardisy hoe: 'Zao no tenin'ilay mitàgna ire Fagnahy fiton'Andriamanitra sy ire kintagna fito. ''Fantako zay natônô. Malaza ho velogna anô, naifa anô maty. 2 Mifohaza ary hatanjaho zay tavaila, fô aifa ho foaty, satrià tsy hitako tantairaka ire asanô eo imason'Andriamanitro. 3 Tadidio, noho izegny, zay niraisinare sy regninare. Ike izany, ary mibaibaha. Fô ra tsy mifôha anare, de ho avy kara mpangalatra Za, ary tsy ho fantatrare ny laira haviako aminare. 4 Fô misy agnaran'ôlo vitsivitsy agny Sardisy zay tsy nandoto ny ankanjon'izy ire. Handaiha hiaraka aminahy izy ire, magnatô akanjo fotsy, satrià mendrikia. 5 Lay raika zay maresy de ho agnatôvagna akanjo fotsy, ary tsy hamafa ny agnarany akô amin'ny Bokin'ny Fiainagna mihitsy Za, ary hilaza ny agnarany eo agnatraihan'ny Babako, sy eo agnatraihan'ire anjely. 6 Oka zay manan-tadigny hitandregny zay lazain'ny Fagnahy amin'ire fiangonagna.''''' 7 Soraty ho an'ny anjelin'ny fiangonagna any Filadelfia hoe: 'Zao no tenin'ilay raika zay masignia sy marignia _izy no mitazogna ny fagnalahidin'i Davida, izy no manôkatra ary tsy misy na izôvy na izôvy magnidy, izy no magnidy ary tsy misy na izôvy na izôvy afaka manôkatra. 8 ''Fantako zay vitanare. Indro, namaitrahako tamiagna misôkatra eo agnatraihanare zay tsy afaka afodin-jôvy na zôvy. Fantako fô managna hery hely anare, kay nagneky ny teniky ary tsy nandà ny agnarako. 9 Indro! Ire zay an'ny synagogan'ny Satana, ire zay mivôlagna fô Jiosy izy ire naifa tsy izy; fô mandaingia kôza izy ire. Hatôko tônga kay hiondrika eo an-tongotranô izy ire, ary ho avy izy ire mbô hahay fô nitià ana Za. 10 Satrià aifa nitandrignia ny didiko tamin'ny faharaitagna anare, de hiaro anare amin'ny andro fitsapagnia zay aifa ho avy amin'izao tontolo jiaby zao ihany koa Za, mbô hitsapa ire zay miaigna eo ambônin'ny tany. 11 Ho avy tsy ho aila Za. Tano mafy zay hanagnanô mbô tsy hisy hafaka hagnala ny satro-boninahitrao. 12 Atôko andry eo amin'ny tempolin'ny Andriamanitro zay mandresy, ary tsy hiala eo mihitsy izy. Ho soratako eo aminy ny agnaran'Andriamanitro, lay agnaran'ny tanàgnan'ny Andriamanitro (lay Jerosalema vôvô, zay mirôrogna avy akagny an-dagnitra avy amin'Andriamanitro), sy ny agnarako vôvô. 13 Oka zay manan-tadigny hitandregny zay lazain'ny Fagnahy amin'ire fiangonagna.''''' 14 Soraty ho an'ny anjelin'ny fiangonagna agny Laodikia hoe: ''Zao no tenin'ny Amena, lay vavolombelogna matoky sy marignia, lay mpanapaka ny zava-boaarin'Andriamanitra. 15 ''Fantako zay natônare, ary tsy mangatsiaka na mafana anare. Magniry za mbô ho mangatsiaka na mafana anare! 16 Noho izegny, satrià anare matimaty_sady tsy mafana no tsy mangatsiaka_de aifa haloan'ny vavako anare. 17 Fô hoy anare hoe: 'Manan-kariagna za, nanagna fitaovagna maro, kay tsy mila na ino na ino.' Saingy tsy fantatrare fô anare no taigna ory, mampahinakinaka, mahantra, jamba ary mibolaka. 18 Hitandrignaiso ny torohevitro: Mividiana vôlamaina voadio tamin'ny afo aminahy mbô ho tônga mpanan-kariagna anare, ary akanjo fotsy mangilatra mbô ho afaka mampitafy ny taignianare anare kay tsy hampiseho ny haigniatry ny fibolahanare, ary hagnôsitra ny masonare mbô hisôkatra. 19 Ampiofaniko ny tsiraikaraika avy zay tiako, ary hampianariko azy ire ny fomba tôkony hiaignan'izy ire. Noho izegny, mazotoa ary mibaibaha. 20 Indro, mitsangagna eto amin'ny varavaragna za ary mandondogna. Raha misy maregny ny feoko kay manôkatra ny tamiagna, de ho avy akô an-dragnony Za kay hihinagna miaraka aminy, ary izy miaraka aminahy. 21 Lay raika zay mandresy, hamiako azy ny zo hipaitraka miaraka aminà ake amin'ny sezy fiandriagnako, karaha nandreseko koa ke nipaitraka niaraka tamin'ny Raiko take amin'ny sezy fiandrianagna. 22 ôka zay manan-tadigny hitandregny zay vôlagnin'ny Fagnahy amin'are fiangonagna.'''''