Tôko faha 2

1 Soraty ho an'ny anjelin'ny fiangonagna aka Efesosy hoe: "Ireto ny teny avy amin'ilay raika zay mitazogna ire kintagna fito amin'ny tagnana ankavagnany ary mandaiha eo amin'ire fagnanôvan-jiro vôlamaina fito, 2 "Fantako zay aifa vitanà sy ny asa mafinô ary ny fiaraitana maharitra. Fantako fô tsy afaka handefitra amin'ny ôlon-dratsy anô. Fantako fô nitsapaina ire zay mivôlagna azy ire ho apostoly, naifa tsy izy, ary hitanô izy ire fô sandoka. 3 Fantako fô managna faraitagna anô, ary nijaly mafy nohon'ny amin'ny agnarako, ary tsy nilavo lefogna anô. 4 Naifa manôhitra anô za satrià namaila ny fitiavana voalôhany anô. 5 Tsarovy noho izegny ny toeragna zay nalavo anô. Mibebaha ary magnanôva ire raha zay natônô voalôhany. Fô ra tsy mibebaka anô, de avy agny aminô za ary agnala ire fanôvan-jironô amin'ny fitoerany. 6 Kanaifa zao no atônô: ''Tsy tianô ny raha vitan'ny Nikolaita, zay halako ihany koà. 7 Oka zay manan-tadigny hitandregny zay lazain'ny Fagnahy ho an'ire fiangonagna. Ho an'ilay raika zay maresy de hamiako alalagna hihinagna ny avy amin'ny kakazon'ny fiainagna, zay aka amin'ny paradisan'Andriamanitra.''''' 8 Soraty ho an'ny anjelin'ny fiangonagna agny Smyrna hoe: ''Ireto ny tenin'ilay raika zay voalôhany ary farany, lay raika zay aifa maty naifa velogna indray: 9 ''Fantako ire fahoriagnanô sy ny fahantranô, naifa manan-kariagna anô. Fantako ny fivolagnan-dratsy ho an'ire zay mivôlagna ny taigniàny fô Jiosy, naifa tsy izy. Synagogan'i Satana izy ire. 10 Aza matahotra ny amin'izay aifa hiaraitanô. Indro! Ny devoly de hamarignia ny sasany aminare agny amin'ny tragnomaizignia mbô ho tsapaignia anare, ary hijaly mandritry ny fôlo andro anare. Matokia mandra-pahafaty, kay hamiako anare ny satro-boninahitry ny fiainagna. 11 Zay manan-tadigny ôka izy hitandregny zay lazain'ny Fagnahy ho an'ire fiangonagna. Lay raika zay maresy de tsy ho maratran'ny fafataisagna faharoa.''''' 12 Soraty ho an'ny anjelin'ny fiagonagna agny Pergamosy hoe: ''Ireto ny tenin'ilay raika zay managna lefogna roa laila: 13 ''Fantako zay hipitrahana, de aka amin'ny hitoeran'ny sezy fiandrianan'i Satana. Ary avaizo mitagna mafy ny agnarako anô. Fantako fô tsy nandà ny finoagnana ny amiko anô, na de tamin'ire andron'i Antipasy vavolombeloko aza, zay natoky Za, zay nivonignia teo aminare, takô amin'ny fonaignan'i Satana. 14 Fô manandra-volagnina hely amina Za: ''Misy sanagny aminare mitagna mafy ny fampianaran'ny Balama, zay nampianatra an'i Balaka hamaitraka fagnafitohinagna eo agnatraihan'ny zanak'Israely, mbô hinanan'izy ire hanignia natô sorogna ho an'ny sampy ary ho fijangajangagna. 15 Karan-jagny ihany, misy sanagny aminare zay mitagna mafy ny fampianaran'ire Nikolaita. 16 Mibebaha, noho izegny! Fô ra tsy izegny, de ho tônga faingiana agny aminare Za, ary hifagnandrignia amin'izy ire za miaraka amin'ny lefon'ny vavako. 17 Oka zay manan-tadigny hitandregny zay lazain'ny Fagnahy ho an'ire fiangonagna. Ho an'ire zay maresy, hamiako ny sanagny amin'ire mana miafignia, ary hamiako vato fotsy miaraka amin'ny agnaram-bôvô voasôratra eo amin'ny vato, agnarana zay tsy fantatr'ôlo afa-tsy zay mandray ananjy ihany.''''' 18 Soraty ho an'ny anjelin'ny fiangonagna akô Tyatira hoe: 'Ireto ny tenin'ny Zanak'Andriamanitra, zay managna maso kara lailafo ary tongotra kara varahagna mangilatra: 19 ''Fantako zay vitanô: Ny fitiavana sy ny finoagnanô sy ny fanompoagnanô ary ny faraitanô. Fantako fô zay vitana farany de baitsaka noho zay vitanô voalôhany. 20 Kanaifa zao no hanohairako anô: Leferinô lay viavy Zezebela, zey magnantso ny taigniany ho mpaminany vavy. Amin'ny alalan'ny fampianarany de mamitaka ire mpanompoko izy mbô hijangajanga sy hihinagna anignia atô sôrogna ho an'ny sampy. 21 Namia fotoagna mbô hibaibahany Za, kanaifa tsy mety hibaibaka ny amin'ny fijangajangany izy. 22 Indro! Hatôko marary eo ampandriagna izy, ary ire zay mijangajanga miaraka aminy de hampijaliky mafy, ra tsy mibaibaka amin'ny asa ratsin'ilay viavy izy ire. 23 Hivoniky ho foaty ire zanany, ary ire fiangonagna jiaby halala fô Za lay mahita fieritreretagna sy fihetseham-pô. Hamiako araka ny asanare tsiraikiraikia avy anare. 24 Fô ny aminare zay sisa akô Tyatira, zay jiaby tsy mitagna izao fampianaragna izao, sy tsy mahay zay antsôvin'ny sanagny hoe sain-dalin'ny Satana__zao no volagniky aminare hoe: ''Tsy vaisariky aintagna hafa anare.'' 25 Na izegny aza, tsy maintsy mitazogna mafy ny finoagnanare anare mandra-piaviako. 26 Lay raika zay maresy sy zay magnano zay aifa vitako hatramin'ny farany, de hamiako ananjy ny fahefagna amin'ny firenegna jiaby. 27 'Hanapaka eo amin'izy ire miaraka amin'ny tehim-by izy, karaha fanorotoroagna vilagny tany no hanapotaihagna azy ire.' 28 Karaha nandraisako avy amin'ny Babako, no hagnomaizako ananjy kintagna maraignia ihany koa. 29 Oka lay raika zay manan-tadigny hitandregny zay lazain'ny Fagnahy ho an'ire fiangonagna.'''''