Tôko faha 21

1 Avaké zaho nahita lagnitra vôvô sy tany vôvô, fô foagna ny lagnitra voalôhany ndraiky tany voalôhany, kè tsisy intsony ny ranomasigna. 2 Hitako lay tanàgna masina, Jerosalema vôvô, zay nidigna avy agny an-dagnitra avy amin'Andriamanitra, voaômagna karaha ny ampakarigna ampihaingoagna ho an'ny vadiny. 3 Naharegny feo mahery avy agny amin'ny sezy fiandrianagna zaho magnano hoe: ''Io! Aké amin'ny ôlogno ny toeran'ny tabernakelin'Andriamanitra, ké hiaigna miaraka aminjaré ré izy. Ho ôlony zaré ré, ke Andriamanitra tegnany hiaraka aminjaré ré ké Izy ho Andriamanitry zaré ré. 4 Hamafa ny ranomaso jiaby amin'ny masonjaré ré Izy, ké tsisy fahafatesagna intsony, na alahelo, na tomagny, na fanaintaignana. Efa lasa iré raha také alôha. 5 Lay araiky zay nipetraka také amin'ny sezy fiandrianagna nivôlagna hoe: ''Io! Natô vôvô ny raha jiaby. '' Ahozy Izy: ''Soraty zô Satrià iré tany iré de mahatoky sy marigna.'' 6 Ahozy Izy taminahy hoe: ''Efa vita iré raha iré! Zaho no Alfa sy Omega, lay fiandohagna sy fiafaragna. Zay mangetaheta de hamiako ho sotroigna maimaim-poagna avy amin'ny lôharanon'ny fiainagna. 7 Zay mandresy de handova irè raha iré, ké Zaho no ho Andriamaniny, ké izy ho zanako. 8 Fô iré osa, tsy manam-pinoagna, maharikoriko, mpamono ôlogno, mpijangajanga, mpagnano ody, mpanompo sampy, sy mpandainga, de agny amin'ny farihy mirehitr'afo solifara no toeranjaré ré. Izégny no fahafatesagna faharoy.'' 9 Nagnatogna anahy ny araiky tamin'iré anjely fito, lay araiky zay nanagna iré lasety fito feno iré loza fito farany, kè ahozy izy hoe: ''Avy atô. Ho asehoko anà lay ampakarigna, lay vadin'ny Zanak'ondry.'' 10 Avy aké nindosiny tamin'ny Fanahy tagny amin'ny tendrombohitra ambo zaho ké nasehony anahy lay Jerosalema tanàgna masigna midigna avy agny an-dagnitra avy amin'Andriamanitra. 11 Nanagna ny voninahitr'Andriamanitra i Jerosalema, ké ny famirapiratany de karaha ny vato soa sarobidy, karaha ny vato kristalina jaspy madio. 12 Nanagna rindrigna ambo maventy niaraka tamin'ny vavahady roy ambin'ny fôlo izégny, niaraka tamin'ny anjely roy ambin'ny fôlo také amin'iré vavahady, Také amin'iré vavahady no voasôratra ny agnaran'iré fôko roy ambin'ny fôlon'ny zanak'Israely. 13 Nisy vavahady telo také antsinagnana, vavahady telo také avaratra, vavahady telo také atsimo, ké vavahady telo takè andrefagna. 14 Nanagna fotoagna roy ambin'ny fôlo ny rindrin'ilay tanàgna, ké také amin'irè no nisy iré agnaragna roy ambin'ny fôlon'ny apostolin'ny Zanak'ondry. 15 Lay araiky zay nivôlagna taminahy de nanagna fandrefesagna volotara vita tamin'ny vôlamena mbô handrefesagna ny tanàgna, iré vavahadiny, kè ny rindriny. 16 Karaha efa-joro lay tanàgna; mitôvy ny lavany ndraiky sakany. Nandrefy ny tanàgna tamin'ilay fandrefesagna volotara izy, roy arivo stadio ny lavany (mitôvy ny lavany, sakany, kè hahavony). 17 Nandrefy ny rindrin'izégny koà izy, 114 hakiho kôfa refin'ny ôlogno (zay refin'ny anjely foagna koà). 18 Vita tamin'ny jaspy lay rindrigna ké tamin'ny vôlamena tsisy fangarony, karaha ny fitaratra madio. 19 Ny fototr'ilay rindrigna de voaravaka tamin'iré karazagna vato sarobidy jiaby. Ny voalôhany de jaspy, ny faharoy safira, ny fahatelo kalkedona, ny fahefatra emeralda, 20 ny fahadimy sardoniksa, ny fahenina karneola, ny fahafito krysolita, ny fahavalo beryla, ny fahasivy topaza, ny fahafolo krysopraso, ny faha araiky ambin'ny fôlo hyakinta, ny faha roy ambin'ny fôlo ametysta. 21 Ny vavahady roy ambin'ny fôlo de vato soa roy ambin'ny fôlo; ny tsiraikaraiky amin'irè vavahady de vita tamin'ny vato soa araiky. Iré lalam-be an-tanàgna de vôlamena tsisy fangarony, karaha ny fitaratra mangarahara. 22 Tsy nahita tempoly takô amin'ny tanàgna zaho, satrià Tompo Andriamanitra tsitoha ndraiky Zanak'ondry no tempoliny. 23 Ny tanàgna de tsy nila masôva na volagna mbô hamirapiratra amin'izégny satrià ny vôninahin'Andriamanitra de namirapiratra tamin'izégny, ké ny Zanak'ondry no jiron'izégny. 24 Handeha amin'ny fahazavan'izégny tanàgna izégny iré firenegna. Iré mpanjakan'ny tany de hitôndra ny fahatsaranjarè ré ho aké amin'izégny. (Fagnamarihagna: Ny antontan-taratasy talôha sanany de mivaky hoe: ''Iré firenegna zay vôvonjy de handeha amin'ny fahazavan'izégny tanàgna izégny.'') 25 Tsy hidy iré vavahadin'izégny mandritry ny andro, ké tsy hisy aligna agny. 26 Hitôndra ny fahatsaragna ndraiky hajan'iré firenegna akô amin'izégny zaré ré, 27 ké tsy hisy maloto hiditra akô amin'izégny mihitsy. Tsy hisy na zôvy na zôvy hagnano raha mahamegnatra na mamitaka hiditra akô, fô iré zay voasôratra agnaragna akô amin'ny Bokin'ny Zanak'ondrin'ny fiainagna foagna.