Tôko faha 20

1 Ké nahita anjely nidigna avy tagny an-dagnitra zaho. Nanagna ny fagnalahidin'ny lavaka tsy hita noanoa izy, ké nanagna rojo vy maventy tegny an-tagnany. 2 Nisambotra an'ilay dragogna izy, ny menaragna fahiny, lay devoly, na satana, ké nofatorany arivo taogna. 3 Natsipiny tagny amin'ny lavaka tsy hita noanoa izy, nafodiny izégny ké nasigna tômbo-kase také aminanjy. Natô izégny mbô tsy hamitahany ny firenegna maro intsony mandra-pahatapitry ny arivo taogna. Afaran'izègny, de tsy maintsy havotsotra fotoagna hely izy. 4 Kè nahita sezy fiandrianagna maro zaho. Nipetraka také amboniny iré zay namiagna fahefagna mitsara. Nahita ny fagnahin'iré zay notapahin-dôha zaho noho ny fijoroagna vavôlombelogna mahakasika an'i Jesosy ké nohon'ny tenin'Andriamanitra. Tsy niankôhoka tamin'ny bibi-dia na tamin'ny sariny zaré ré, ké izy iré de nandà ny handray ny mariky ny bibi-dia také amin'ny handriny na také amin'ny tagnany. Tônga velogna indray zaré rè, ké nanjaka niaraka tamin'i Kristy nandritran'ny arivo taogna. 5 Ny ambin'irè naty de tsy velogna mandra-pahatapitry ny arivo taogna. Izégny no fitsanganagna vôlôhany. 6 Sambatra ké masina zay ôlogno managna anjara amin'ny fitsanganagna vôlôhany! Aké agnatrehan'izégny de tsy manan-kery ny fahafatesagna faharoy. Zaré ré de ho mpisôrogna an'Andriamanitra sy Kristy ké hanjaka miaraka Aminanjy mandritran'ny arivo taogna. 7 Kôfa tapitra ny arivo taogna, de hovahagna akô amin'ny tragnomaiziny Satana. 8 Hivoaka izy mbô hamitaka ny firenegna maro egny amin'ny vazan-tany efatra—Goga sy Magoga—mbô hitôndra ananjy iré miraka ho agny amin'ny ady. Zarè ré de ho betsaka karaha ny fasiky ny ranomasigna. 9 Niakatra také ambônin'ny tany lemaka zarè ré ké nagnodidigna ny tobin'irè mpino, lay tanàgna malala. Nefa nisy afo nidigna avy tagny an-dagnitra ké nandripaka ananjy iré. 10 Ny devoly, zay namitaka ananjy iré, de natsipy takô amin'ny farihy afo solifara, toeragna zay hanipazagna ny bibi-dia ndraiky mpaminagny sandoka. Ké ho ampijaliagna andro amagn'aligna mandrakizay ke mandrakizay zaré ré. 11 Ké nahita sezy fiandrianagna fôtsy maventy zaho sy lay nipetraka také ambôniny. Ny tany ndraiky lagnitra de nandositra ny fagnatrehany, kanefa tsisy toeragna andihananjaré ré. 12 Nahita ny naty zaho —ny maventy ké ny hely—nijôro také agnoloan'ny sezy fiandrianagna, ké novelarigna iré boky. Ké nisy boky araiky novelarigna—Ny bokin'ny Fiainagna. Ny naty de notsaraigna araka zay voasôratra takô amin'iré boky, araka iré asany. 13 Ny ranomasigna namoaka ny naty zay takô agnatiny. Ny fahafatesagna sy iré fiainan-tsy hita de namoaka ny naty zay takô aminjaré ré, ké ny naty de notsaraigna araka ny raha natôny. 14 Ny fahafatesagna ndraiky fiainan-tsy hita de natsipy takô amin'ny farihy afo. Izégny no fahafatesagna faharoy— de ny farihy afo. 15 Ndraiky nisy agnaragna tsy hita voasôratra akô amin'ny Bokin'ny Fiainagna, de natsipy takô amin'ny farihy afo.