Tôko faha 19

1 Tafaran'iré raha iré de nandre zay karaha ny feo mafin'ny vahoaka maro isa tagny an-dagnitra zaho nagnano hoe: ''Aleloia. Ny famonjegna, ny vôninahitra, ké ny hery de an'Andriamanitsika. 2 Iré fitsarany de marigna sy mahitsy, fô nitsara ny mpivaro-tegna maventy zay nagnaratsy ny tany tamin'ny fijangajangany izy. Namaly faty ny ràn'iré mpanompony, zay nalatsany izy.'' 3 Nivôlagna fagnindroiny zaré ré hoe: ''Aleloia! Ny setroka de miakatra avy aminanjy mandrakizay doria.'' 4 Iré lohôlogno efatra amby roapolo sy iré raha-managn'aigna efatra de niankôhoka ké nanômpo an'Andriamanitra zay nipetraka také amin'ny sezy fiandrianagna. Ahozy zaré ré: ''Amena. Aleloia!'' 5 De nisy feo nivoaka avy takô amin'ny sezy fiandrianagna, nagnano hoe: ''Derao Andriamanitsika, anaré jiaby mpanompony, anaré zay matahotra Ananjy, na ny tsy manan-danja na ny mahery.'' 6 De naharegny zay karaha ny feon'ny ôlogno maro isa, karaha ny firohondrohon'ny rano maro, sy karaha ny fianjeran'ny kotroka mafy zaho, nagnano hoe: ''Aleloia! Fô manjaka ny Tompo, Andriamanitra zay manapaka amin'ny jiaby. 7 Ôka atsika hifaly sy ho ravoravo ké hagnamia voninahitra Ananjy satrià tônga ny fampakaram-badin'ny Zanak'ondry, ké ny ampiakariny efa niomagna. 8 Namiagna alalagna hagnatô akanjo rongony mamiratra sy madio izy'' (fô ny lamba rongony de iré asa marin'iré ôlo-masigna). 9 Lay anjely nivôlagna taminahy hoe: ''Soraty zao: Sambatra iré zay nasaigna tamin'ny fety fampakaram-badin'ny Zanak'ondry. Nivôlagna taminahy koà izy hoe: ''Iré de koragna marin'Andriamanitra.'' 10 Niankôhoka také amin'ny tôngony mbô hanômpo ananjy zaho, fô ahozy izy taminahy: ''Aza magnano zao! Zaho de mpiara-manômpo aminô sy iré rahalahinô zay mitagna ny fijoroagna vavôlombelogno momba an'i Jesosy. Manompoa an'Andriamanitra, fô ny fijoroagna vavôlombelogna momba an'i Jesosy de ny fagnahin'ny faminaniagna.'' 11 De nahita ny lagnitra nisôkatra zaho ké nizaha ké nisy soavaly fôtsy. Lay mpitaigigna izégny de nantsoigna hoe mahatôky sy marigna. Amin'ny fahamarignana no hitsarany sy hiadiany. 12 Iré masony de karaha ny lelan'afo, ké aké amin'ny lôhany misy satro-bôninahitra maro. Managna agnaragna voasôratra aké aminanjy zay tsisy mahafantatra afa-tsy izy foagna izy. 13 Magnatô akanjo lava zay natsoboka takô amin'ny rà izy, ké ny agnarany de nantsoigna hoe ny Tenin'Andriamanitra. 14 Iré tafiky ny lagnitra de nagnaraka ananjy tamin'ny soavaly fôtsy, magnatô lamba rongony, fotsy sy madio. 15 Avaké amin'ny vavany no mivoaka ny sabatra maragnitra zay amin'izégny no hamelezany iré firenegna, ké hanapaka zaré ré amin'ny tehigna vy izy. Magnitsaka akô amin'ny famiazan'ny fahavigniran'ny fahatizeran'Andriamanitra tsitoha izy. 16 Managna agnaragna vôsoratra aké amin'ny akanjo lavany aké amin'ny feny izy hoe: '' Mpanjakan'iré mpanjaka sy Tompon'iré Tompo.'' 17 Nahita anjely nitsangagna také amin'ny masôva zaho. Nagnantso tamin'ny feo mahery iré vôrona magnidigna ambôny jiaby izy hoe: ''Avià, miangona ho an'ny fety lehiben'Andriamanitra. 18 Avia ihinagna ny nofon'iré mpanjaka, ny nofon'iré mpitari-tafika, ny nofon'iré lalahy mahery, ny nofon'iré soavaly sy iré mpitaingina izégny, ké ny nofon'ny lalahy jiaby, ny afaka ndraiky andevo, ny tsy manan-danja ndraiky mahery.'' 19 Nahita ny bibi-dia sy iré mpanjakan'ny tany niaraka tamin'ny tafiky zaré ré zaho. Niangogna zaré ré mbô hiady amin'ny araiky zay nitaingigna ny soavaly sy amin'ny tafiny. 20 Vôsambotra lay bibi-dia ké niaraka taminanjy ny mpaminany sandoka zay nagnano iré famantaragna také agnatrehany. Tamin'iré famantaragna iré no namitahany iré zay nandray ny mariky ny bibi-dia sy iré zay nanompo ny sariny. Zarè roy de natsipy velogna takô agnaty farihin'afo mirehitra solifara. 21 Ny ambinjaré ré de novonoigna tamin'ny sabatra zay nivoaka ny vavan'ny araiky zay nitaingigna ny soavaly. Ny vorogna jiaby nihinagna ny nôfo mangatsiakanjaré ré.