Tôko faha 18

1 Tafaran'irè raha iré de nahita anjely hafa zay nidigna avy agny an-dagnitra zaho. Nanagna fahefagna maventy izy, ké namirapiratra nohon'ny voninahiny ny tany. 2 Nihiaka tamin'ny feo mahery izy, nivôlagna hoe: ''Nianjera, nianjera lay Babylona maventy! Lasa tônga toeram-ponegnan'ny demony, fialôfagna ho an'iré fagnahy maloto, ké fialôfagna ho an'ny iré vorogna maloto sy marikoriko jiaby. 3 Fô ny firenegna jiaby de nisôtro ny divain'ny fitondran-tegna malotony. Iré mpanjakan'ny tany de nagnano fitondran-tegna maloto taminanjy. Iré mpivarotra ny tany de tônga mpanan-kariagna tamin'alalan'ny fômba fiaignany amin'ny nôfo.'' 4 Avaké de naharegny feo hafa avy agny an-dagnitra zaho, mivôlagna hoe: ''Mialà aminahy, ry ôloko, mbô tsy hizarany ny fahotany akô aminaré, ké mbô tsy hahazoanaré ré lozany. 5 Efa nihangogna karaha ny ahavon'ny lagnitra iré fahotany, kè Andriamanitra mahatsiaro iré asa ratsy. 6 Mamalià ananjy karaha ny namalian'ny hafa, ké valio avy roy eny zay efa vitany; takô amin'ny fiky zay efa nofinoiny, de fenoy avo roy eny ho ananjy. 7 Karanjegny nagnamia vôninahitra ny tegnany sy niaigna tamin'ny tsy fiafiagna, amiao ananjy ny fampijaliagna ndraiky alahelo sahaza ananjy. Fô izy nivôlagna takô am-pôny nagnano hoe: 'Nipetraka karaha ny mpanjaka viavy zaho. Tsy naty vady zaho, ké tsy hisaogna mandrakizay.' 8 Noho izégny de ho avy amin'ny andro araiky iré areti-mandringany: ny fahafatesagna, ny fisaonagna, ké ny mosary. Hodoran'ny afo izy, fô ny Tompo Andriamanitra de mahery, ké izy no mpitsara ananjy. '' 9 Iré mpanjakan'ny tany zay nijangajanga sy nandeha tsy am-pieritreretagna niaraka taminanjy de hitomagny ké hiankôhoka akè agnatrehany kôfa hahita ny setroky ny fahamaizany zaré ré. 10 Hijôro lavitra zarè ré, hatahotra ny fijaliany, hivôlagna hoe: ''Loza, loza ho an'ilay tanàgna maventy, Babylona, lay tanàgna mahery, fô amin'ny lera araiky de ho avy ny sazinaré.'' 11 Iré mpivarotra ny tany de mitomagny sy misaogna ho ananjy, satrià tsisy ôlogno niady varotra ho ananjy intsony- 12 varotra vôlamena, vôlafôtsy, vato sarobidy, firavaka, lamban-drongony tegna tsara, vôlomparasy, landy, mena, iré karazagna hazo ala, ny fanaka ivoara, ny fanaka jiaby vita avy amin'ny hazo sarobidy, varahigna, vy, marbra, 13 kaneligna, raha-magnitra, ditin-kazo, miora, hagnitra, divay, menaka, koba tsara tôto, vary, biby fiompy ké ondry, soavaly sy kalesy, iré andevo sy fagnahin'ôlogno. 14 Ny vôkatra zay tianô tamin'ny herinô jiaby de hiala aminô. Ny entanà lafo vidy sy iré namirapiratra de nanjavogna, ké tsy ho hita intsony mandrakizay. 15 Ny mpivarotra iré entagna zay tônga mpanan-kariagna noho izy de hiala aminanjy lavitra nohon'ny fatahoragna ny fijaliany, hitomagny sy hisaogna mafy. 16 Hivôlagna zaré ré hoe: ''Lôza, lôza ho an'ilay tanàgna maventy zay nagnatô akanjo tamin'ny lamban-drongony tegna tsara, vôloparasy, sy mena, ké noravahagna tamin'ny vôlamena, firavaka sarobidy, ké vatosoa! 17 Agnatin'ny lera araiky de ho foagna izégny haregna jiaby izègny. ''Iré kapitenin-tsambo jiaby, iré mandeha egny ambônin'ny ranomasigna jiaby, tantsambo, sy zay jiaby monigna an-dranomasigna, de hijôro alavitra. 18 Nihiaka zaré ré kôfa vao nahita an'ilay setrokin'ny fahamaizagna. Nivôlagna zarè ré hoe: ''Tanàgna ino no karaha ny tanàgna maventy? 19 Nanipy vovoka tegny an-dôhany izy, ké nihiaka mafy, nitomagny, sy nisaogna, nagnano hoe: ''Lôza, lôza ho an'ilay tanàgna maventy zay nisy an'iré jiaby nanagna iré sambo an-dranomasigna no tônga mpanan-kariagna avy amin'ny harenany. Fô takô agnaty lera araiky de simba izégny.'' 20 ''Mifalia aminanjy, ry lagnitra, anaré mpino, apostoly, ké mpaminagny, fô Andriamanitra nitôndra ny fitsaranaré taminanjy!'' 21 Anjely mahery araiky naka vato karaha ny vato maventy ké nanipy izègny tagny an-dranomasigna, ké nivôlagna hoe: ''amin'izégny fômba izégny, Babylona, lay tanàgna maventy, harodagna arahigna herisetra, ké tsy ho hita intsony. 22 Lay feo natôn'iré lokanga, mpitendry mozika, mpitsoka sodigna, sy trompetra de tsy ho re akô aminô intsony. Tsy hisy feon'ny vato fikosoham-bary ho re intsony akè aminô. 23 Ny fahazavan'ny jiro, de tsy hamirapiratra akô aminô intsony. Iré feon'ny mpampakatra sy ampakarigna de tsy ho re akô aminô intsony, fô ny mpivarotraré no andrian'ny tany, ké iré firenegna de voafitaka tamin'ny famosavinaré. 24 Takô aminanjy no nahitagna ny ràn'ilay mpaminany, sy irè mpino, ké ny ràn'iré jiaby zay voavono taketo an-tany.''