Tôko faha 17

1 Araiky tamin'iré anjely fito zay nitazogna iré lasety vôlamena fito nagnatogna sy nivôlagna taminahy hoe: ''Avià, ho atoroko anà ny sazin'ny mpijangajanga maventy zay mipetraka ambôny rano maro. 2 Niaraka taminanjy no nampijangajanga an'iré mpanjakan'ny tany. Ny divain'ny fijangajangany no nahamamo iré mponin'ny tany.'' 3 Avakè lay anjely nitondra anahy tamin'ny Fanahy tagny amin'ny tany maigna, ké nahita viavy nipetraka také ambôny bibi-dia mena zay feno agnaragna vôlan-dratsy zaho. Lay bibi-dia managna lôha fito sy tandroka fôlo. 4 Lay viavy de nagnatô akanjo vôloparasy sy mena ké voaravaka vôlamena, vato sarobidy, ké vato soa. Izy de nitazogna tamin'ny tagnany kapoaka vôlamena feno iré raha maharikoriko sy iré tsy fahadiôvan'ny fijangajangany. 5 Také amin'ny handriny no nisy agnaragna managna dikany miafigna voasôratra hoe: ''Babylona maventy, lay renin'iré mpijangajanga ndraiky raha maharikorikon'ny tany.'' 6 Nahita zaho fô lay viavy de mamon'ny ràn'iré mpino ndraiky ràn'iré martiry ho an'i Jesosy. Kôfa nahita ananjy zaho, de tegna talanjogna. 7 Fô lay anjely nivôlagna taminahy hoe: ''Magnino no talanjogna anà? Hô azavaiko anà ny dikan'ilay viavy sy lay bibi-dia zay mitôndra ananjy, lay bibi-dia zay managna lôha fito sy tandroka fôlo. 8 Lay bibi-dia zay hitanô de misy, fô tsisy avaizo, fô andalam-piakaragna avy agny amin'ny farany ambanin'ny lavaka tsy hita noanoa. Avaké de hankagny amin'ny fahasimbagna izégny. Iré zay miaigna ambôny tany, iré zay tsy voasôratra akô amin'ny Bokin'ny Fiainagna hatramin'ny namoronagna an'izô tontôlo izô ny agnarany- ho gaga zaré ré kôfa hahita fô lay bibi-dia de misy, fô tsisy intsony avaizo, fô andalam-pihaviagna. 9 Magnantso saigna zay manam-pahendregna izègny. Iré lôha fito de vohitra fito zay hipitrahan'ilay viavy. 10 Zaré ré foagna koà de mpanjaka fito. Mpanjaka dimy no lavo, araiky no misy, ké ny hafa de mbôla tsy tônga; kôfa tônga izy, de fe-potoagna hely foagna no hipitrahany. 11 Lay bibi-dia zay misy, fô tsisy avaizo, mpanjaka fahavalo izy; ndraiky araiky amin'iré mpanjaka fito izy, ké hankagny amin'ny fahasimbagna. 12 Iré tandroka fôlo zay hitanô de mpanjaka fôlo zay mbôla tsy nandray fanjakagna, fô hahazo fahefagna karaha ny mpanjaka miaraka amin'ilay bibi-dia - mandritry ny adiny araiky zaré ré. 13 Firaisan-tsaigna izégny, ké zaré ré de hagnamia ny hery ndraiky fahefanjaré rè an'ilay bibidia. 14 Hanangan'ady manohitra ny Zanak'ondry zaré ré. Fô ny Zanak'ondry no handresy ananjy ré satrià Izy no Tompon'ny tompo, ké Mpanjakan'ny mpanjaka-ary miaraka aminanjy iré voaantso, iré voafidy, ké iré manam-pinoagna.'' 15 Ahozy ny anjely taminahy: ''Irè rano zay hitanô, takè amin'ilay nipitrahan'ilay mpijangajanga, no ôlogno, vondron'ôlogno, firenegna, ké fivôlagna. 16 Iré tandroka fôlo zay hitanô-zaré ré sy lay bibi-dia de hankahala an'ilay mpijangajanga. Ho atônjaré ré lao sy mitanjaka izy, handrovitra ny nôfony zaré ré, kè handoro ananjy tanteraka amin'ny afo. 17 Fô Andriamanitra efa nametraka izègny takô am-pônjaré ré mbô hagnatanteraka ny fikasagna amin'ny fagnekenjaré ré hagnamia ny herinjaré ré hitôndra lay bibi-dia mandra-pahatanteraky ny tenin'Andriamanitra. 18 Ké raviavy, lay hitanà no tanàgna maventy zay manjaka amin'ny mpanjakan'ny tany.''