Tôko faha 16

1 Naharegny feo mafy nagnantso avy takô an-tempoly zaho ke nivôlagna tamin'iré anjely fito hoe: ''Mandiana ké apariaho amin'ny tany iré lasety fito feno ny havigniran'Andriamanitra.'' 2 Lasagna lay anjely voalôhany ké nagnapariaka ny takô an-dasetiny tamin'ny tany; ratra ratsy sy marary no tônga tamin'ny ôlogna zay nanagna ny marikan'ny bibi-diá, iré zay nankalaza ny sariny. 3 Lay anjely faharoa nagnapariaka ny takô an-dasetiny tamin'ny ranomasigna. Lasa rà izegny, karaha ny ràn'ôlogna naty, ké naty ny raha-managn'aigna jiaby takô an-dranomasigna. 4 Lay anjely fahatelo napariaka ny takô an-dasety tamin'iré ony sy lôharagno, ké lasa rà iré. 5 Regniko ny anjelin'ny rano magnano hoe: ''Marigna anô_lay avaizo sy talôha, lay ray masina _satrià efa nitsara iré raha iré anô. (Fanamarihagna: Ny antotan-taratasy sanany talôha de mamaky hoe: ''Marigna anô, Tompo_Lay avaizo sy talôha ary ho avy, satrià efa nitsara iré raha irè anà.'') 6 Satrià ny ràn'irè mpino sy mpaminany no nalatsak'anjaré ré, de namianà rà ho sitroigna zaré ré; izegny no mendrika ananjy iré.'' 7 Regniko ny alitara namaly hoe: ''Ia, Tompo Andriamanitra lehibe, irè fitsaranà de marigna sy mahitsy.'' 8 Lay anjely fahaefatra nagnapariaka ny takô an-dasety tamin'ny masoandro, ké nahazo alalagna handoro ny ôlogna amin'ny afo izegny. 9 Main'ilay hafanagna be zarè ré, ké nikoran-dratsy ny agnaran'Andriamanitra, zay managna ny fahefagna amin'iregny lôza iregny. Tsy nibebaka zaré ré na nagnamia voninahitra Ananjy. 10 Avy aké ilay anjely fahadimy nanapariaka ny takô an-dasaty tamin'ny sezy fiandrianan'ilay bibi-dià, ké nandrakotra ny fanjakany ny haizigna. Nihota ny lelany zaré ré nohon'ny fahoriagna. 11 Nikoran-dratsy lay Andriamanitry ny lagnitra zaré ré nohon'ny fahoriagna sy ratran-jaré ré, ké mbôla nandà ny hibebaka amin'izay vitan-jaré ré. 12 lay anjely faha-enina nanapariaka ny takô an-dasetiny tamin'ny ony maventy, lay Eofrata. Noritina Izégny mbô hanomanana ny lalana ho an'iré ampanjaka zay ho tônga avy agny antsinanagna. 13 Nahita fanahy maloto telo zaho zay niendrika sahona miboàka avy agny am-bavan'ny dragona, avy agny am-bavan'ny biby-dià, ary avy amin'ny vavan'ny mpaminany sandoka. 14 Fô fanahin'ny demonià magnano famantaragna mahagaga zaré ré. Nankagny amin'iré ampanjakan'izao tontôlo izao zaré ré mbô hanangona ananjy iré miaraka ho an'ny adin'ny andro lehiben'Adriamanitra Avo indrindra. 15 (''Indro! Avy karaha ny mpangalatra Zaho! Sambatra zay miambigna, miaro iré fitafianany mbô tsy hiboaka hibolaigna izy ké hitanjaré ré ny fitanjahany.'') 16 Nindosin-jaré ré niaraka tagny amin'ny toeragna zay antsovigna hoe Hara-magedona amin'ny Hebreo zaré ré. 17 Avy také lay anjely fahafito nanapariaka ny takô an-dasetiny tamin'ny rivotra. Ké nisy feo mafy nivoàka avy takô an-tempoly sy avy tamin'ny sezy fiandrianana, magnano hoe: '''Vita izégny!'' 18 Nisy tselatra, kotroka, kotro-baratra, ary horohoron-tany mafy_ horohoron-tany maventy noho zay efa nitranga hatramin'izay nisiàn'ôlogna takéto an-tany, ké de mafy izégny horohoron-tany izégny. 19 Vaky ho fizaragna telo lay tanàna maventy, ké rava ny tanànan'iré firenegna. Avy aké Andriamanitra nagnantso mbô hahatsiaro an'i Babylona maventy, ké namiany izegny tanàna izegny ny kapoàka feno divay vita avy amin'ny firehetan'ny fahavinirany. 20 Nanjavogna ny nosy jiaby, ké tsy hita intsony iré tendrombôhitra. 21 Nisy havandra mavénty, milanja aké amin'ny talenta raika aké, nidina avy agny an-danitra ho amin'ny ôlogna. Nanozogna an'Andriamanitra zaré ré nohon'ny lôza avy tamin'ny havandra satrià tegna mafy loàtra izégny lôza izegny.