Tôko faha 15

1 Avy aké de nahita famantaragna hafa vôlagna amin'ny lagnitra zaho, maventy sy mahatalanjogna: Nisy anjely fito miaraka amin'ny loza fito, zay loza farany indrindra, fô amin'izy iré no hahatanteraka ny fahavigniran'Andriamanitra. 2 Nahita izay niboaka tamin'ny ranomasigna fitaratra nampiarahigna tamin'ny afo zaho. Nitsangagna také marivo ranomasigna iré zay nandresy an'ilay bibidia sy ny sariny, sy ny isa magnatoro ny agnarany. Zaré ré de nitazogna harpa namián'Andriamanitra ananjy iré. 3 Zaré ré nihira ny hiran'i Mosesy, lay mpanômpon'Andriamanitra, ny hiran'ny Zanak'ondry hoe: ''Maventy sy mahatalanjogno iré asanà, Tompo Andriamanitra, lay Avo indrindra. Marigna sy mahitsy iré lalaná, ry Ampanjakan'iré firenegna. 4 Zôvy no tsy hahatahotra Anô, ry Tompo, sy hagnamia voninahitra ny agnaranô? Fô Anô araika no masigna. Ny firenegna jiaby ho avy sy hivavaka aké agnatrehanô satria iré asanô marigna de efa nizakaina.'' 5 Tafaran'iré raha iré zaho de nizaha, ké nisôkatra tegny amin'ny lagnitra lay tempoly zay managna lain'ny fijoroagna vavôlombelogna. 6 Niboaka avy takô amin'ilay toeragna masigna indrindra iré anjely fito mitazogna iré lôza fito. Zarè ré de miakanjo mady, lamba rongony mamiratra sy misy fehin-kibo vôlamena magnodidigna ny tratranjaré ré. 7 Raika tamin'iré raha-managn'aigna efatra nagnamia an'irè anjely fito lasety vôlamena fito feno ny fahavigniran'Andiamanitra, lay velogna mandrakizay doriá. 8 Feno setroka avy amin'ny voninahitr'Andriamanitra sy avy amin'ny herin'ny tempoly. Tsisy na zôvy na zôvy afaka miditra akô mandra-pahatanteraky ny lôza fiton'iré anjely fito.