Tôko faha 22

1 Kè nasehon'ilay anjely anahy lay onin'ny ranon'ny fiainagna, madio karaha ny kristaly. Izégny de mikoriagna avy agny amin'ny sezy fiandrianan'Andriamanitra ndraiky Zanak'ondry 2 mamakivaky aké afovoan'ny lalan'ny tanàgna. Ké ny andagniny roy amin'ny ogny de samy misy lay hazon'ny fiainagna, mamoa karazagna voa roy ambin'ny fôlo, ké izégny de mamoa ny vôny isam-bôlagna. Ny ravin'izégny hazo izégny de natô hagnasitragna ny firenegna jiaby. 3 Ké tsy hisy intsony ny vôhozogna. Ny sezy fiandrianan'Andriamanitra ndraiky Zanak'ondry de ho an'ny tanàgna, ké iré mpanompony de hanompo Ananjy. 4 Hahita ny Endriny zaré ré, ké ny Agnarany de ho aké amin'ny handrinjaré ré. 5 Ké tsy hisy aligna intsony; zaré ré de tsy mila fahazavan'ny jiro na ny masôva intsony satrià ny Tompo Andriamanitra no hazava aké aminjaré rè. Ké hanjaka mandrakizay doria zaré ré. 6 Ahozy lay anjely taminahy: ''Iré teny iré de azo atokisagna sy marigna. Ny tompo, lay Andriamanitra fagnahin'iré mpaminany, de nandefa ny anjeliny mbô hampiseho zay raha tsy maintsy hitranga tsy ho ela amin'iré mpanompony.'' 7 Io! Efa akaiky ny fihaviako! Sambatra zay manaiky iré tenin'ny faminaniagna amin'itô boky itô.'' 8 Zaho, Jaona, lay araiky naharegny sy nahita iré raha iré. Kôfa naharegny sy nahita izégny zaho, de niakôhoka také amin'ny tongotr'ilay anjely ny tegnako mbô hidera ananjy, lay anjely zay nampiseho anahy iré raha iré. 9 Ahozy izy taminahy: ''Aza magnano izégny! Fô mpanompo namanô miaraka aminô zaho, miaraka amin'iré mpaminagny rahalahinô, ké miaraka amin'iré zay mankàto iré tenin'itô boky itô. Miderà an'Andriamanitra!'' 10 Ahozy izy taminahy: ''Aza asiagna tombo-kase iré tenin'ny faminaniagna amin'itô boky itô, fô antomotra ny fotoagna. 11 Zay magnano ny tsy marigna, avelà izy hanohy ny tsy fahamarinagna. Zay maloto fiaigna, avelà izy hanohy ny fiaignany maloto. Zay marigna, avelà izy hanohy ny fanaovagna ny marigna. Zay masina, avelà izy hanohy ny fahamasinagna.'' 12 "Io! Efa akaiky ny fihaviako. Ny valisoako de miaraka aminahy, mbô hamaliako ny tsiraikaraiky araka ny raha-vitany. 13 Zaho no Alfa sy Omega, ny voalôhany ndraiky farany, ny fiandohagna ndraiky fiafaragna. 14 Sambatra iré zay manasa ny akanjonjaré ré mbô hahazo alalagna mihinagna avy amin'ny hazon'ny fiainagna sy hiditra akô amin'ny tanàgna avy aké amin'ny vavahady. (Fagnamarihagna: Kôfa tôkony: ''Sambatra iré zay manasa ny ankanjonjaré ré.'' Iré antontan-taratasy hafa talôha de mivaky hoe: ''Sambatra iré zay magnano ny didiny.'') 15 Fô agny ivelany iré kivà, iré mpijangajanga, iré mpamono ologno, iré mpanompo sampy, ké zay jiaby tia mandainga sy iré mpandainga. 16 Zaho, Jesosy, de nandefa ny anjeliko mbô hagnambara aminarè iré raha ho an'iré fiangonagna. Zaho no fakany sy taranak'i Davida, lay kintagna mamirapiratra maraigna.'' 17 Ny Fanahy ndraiky Ampakarigna magnano hoe: ''Avià!'' Ôka zay maharegny hivôlagna hoe: ''Avià!'' Na zôvy na zôvy mangetaheta, ôka izy hagnatogna, ké na zôvy na zôvy magniry izégny, ôka izy hahazo maimaim-poagna ny ranon'ny fiaignagna. 18 Zaho de magnambara amin'izay jiaby maharegny ny koragnan'ny faminaniagna amin'itô boky itô: ''Kôfa misy magnampy irè, Andriamanitra hagnampy loza ho ananjy zay voasôratra akô amin'itô boky itô. 19 Kôfa misy magnaisotra ny koragnany faminaniagna amin'itô boky itô, Andriamanitra de hagnaisotra ny anjarany amin'ny hazon'ny fiaignagna ndraiky masina zay voasôratra akô agnatin'itô boky itô.'' (Fagnamarihagna: Ny antontan-taratasy talôha de mivaky hoe: ''Andriamanitra hagnaisotra ny anjarany akô amin'ny Bokin'ny Fiaignagna ké akô amin'ny tanàgna masina zay voasôratra akô amin'itô boky itô.'') 20 Ahozy lay araiky zay magnambara iré raha iré: ''Ia! Efa akaiky ny fihaviako.'' Amena! Tonga, ry Tompo Jesosy! 21 Ho amin'ny ôlogno jiaby anie ny fahasoavan'ny Tompo Jesosy. Amena.