Toko 11

1 kôfa raha nandeha tagny Jerosalema Izy re, de niàmàriny an'i Betifaga sy Betania, agny an-tendrombohitra Oliva, Kôfa Jesosy nagniraka roe tamin -dre mpianany 2 Kôfa nivôlagna taminjare hoe: "Mandihàna amin'iry vohitra hely manolôagna antsena iry. raha tafiditra aka nare, dia hahita zanaboriky raika Mbôla tsy nitengenanôlo. vahao Izy de ndeso aty amiko. 3 Raha misy ôlo mivolagna amin-jare hoe: 'magnino nare magnano zô? 'De atôvo hoe: Misy ilain' ny Tompo azy dia haverina haingana aty izy." 4 l Nandeha niboaka izire de nahita zanaboriky tôkana nifatotra take avelagny tragno agnilan'ny tamiagna tôkana také amorondalagna , ary novahanandre ny fatorany. 5 Nisy olô sanany nijaridigna také ary nivolagna tamindre hoe : ino raha ataonàre, mamaha io zanaboriky io?" 6 De nikoragniny andre ny volagnan' i Jesosy tamindre, ary nabelan'ôlo nandeha amin'ny lalany izire. 7 Kôfa nindesinjare mpianatra gognalahy roe take amin'i Jesosy gny zaboriky de natôny take ambonin' izeigny ny sikinan'jare ka afaka nideba azy Jesosy. 8 fontry gny ôlo namelatra gny sikinany tègny andalagna,ary gny sasany kôza namelatra ratsan-kazo izay notapatahiny avy tagny antsabö . 9 Ireo izay nadeha take alhany sy ireo nagnarakan' Azy nagnatsoantso hoe: " Hozana! deraina ilay tôkana avy tamin'ny Agnaran'ny Tompo 10 deraina ny fanjakana ho an'i Davida Babantsika! Hozana amin'ny Avo indrindra! " 11 Avake Jesosy niditra tao Jerosalema ka nakao amin'ny kianjan'ny Tempoly ary nijerijery ny raha jiaby. kôfa, nihariva gny andro dia nizotra nankany Betania izy sy ireo roembinifôlo lahy. 12 Gny andro magnaraka raha niverina avy tany Betania izire, de vôasôlogna Izy. 13 Kôfa nahita kakazo aviavy tokana nodoroboka avy tery lavidavitra, de nagnatogna Izy hijery raha misy vôgniny teo aminy ary rehefa nakeo Izy de tsy nahita na inona na inona afa tsy ravigny ny fôgna, fa tsy mbôla taompamozan' ny aviavy tamin' io. 14 Ary Izy nivôlagna tamizeigny hoe: tsy hisy hihinagna voa avy aminao intsony mandrakizay." Ary ny mpianany nitandregny izegny. 15 Nenga tagny Jerosalema izire ary niditra tao ankianjan'ny Tempoly izy ary nanomboka nandrôaka gny mpivarotra sy ny mpividy jiaby takà. Niravany ny latabatra-njaré mpanakalo vola sy ny sezan- mpivarotra voromailala 16 Tsy nambela na iza na iza hitôndra raha izay azo amidy hiditra ny kianjan'ny Tempoly Izy. 17 De nampianatra andre Izy ka nikoragna hoe: tsy efa voasoratra fô hoe: Ny tragnoko atao hoe tragno fivavahagna ho an'ny firenena jiaby nataonare ho johy fiherehan'ny mpangalatra 18 Regninjare mpisorina sy ny mpanoradalana ireo izay nokoragniny dia nitady fomba amonoana azy ireo fa natahotra Azy izy ireo satria ny fôkonolo jiaby varigna tamin'ny fampianarany 19 Rehefa tonga gny hariva, de niala ny tanàna izire. 20 kôfa raha nadeha izy ire gny mandraigna de nahita ilay kakazo aviavy nalazo hatramin'ny vahany 21 Ary Petera nahatsiaro ka nikoragna hoe: Raby ô! jahavo nalazo ilay aviavy nozogninà." 22 Jesosy namaly azy ireo hoe: 'Manàgna finoana an'Andriamanitra 23 koragniko aminare marina tokoa fa na iza na iza mivôlagna amin'ity tendrombohitra ity hoe :mitsangàna ka mirodàgna agny andranomasina. kôfa tsy misy fisalasalana ao am-pony fa mino fa ho azony izay nikoragniny. de toy izany no ataon' Andriamanitra. 24 Noho ny izegny Izaho mivôlagna aminare hoe: izay jiaby ivavahanare sy angantahire, minoa fa efa nandray izegny ianare de ho azonare izegny. 25 Rehefa mijaridigna sy mivavaka ianare de tsy maintsy mamela izay alahelo jiaby izay anagnanare na amin'jôvy na amin'jôvy ianare mba ho ambelan ny Rainare izay agny an-danitra fô koa gny fahotanare.[Fanamarihana: fa gny fandikagna tsara 26 indrindra dia tsy maintsy gny hoe :(zahavo matio 15:16 ) MK 11:26" Fa raha tsy mamela heloka kôza anare dia tsy hamela ny fahotanare kôza gny Babanàre izay agny an danitra . 27 Dia niakatra agny Jerosalema indray izire. Ary raha nandehandeha take ankianjan'ny tempoly Jesosy, de tônga nagnatogn' Ananjy ny lôhan'ny mpisorona, ny mpanoradalagna, ny loholo 28 Ahozy izy ireo taminy hoe "Fahefagna aviitakeza no agnanovanà iregny raha iregny ahozy re taminy hoe: ary iza nagname ana iregny fahefagna iregny.? 29 Jesosy nikoragna tamindre hoe; " hametraka fanontaniana iraika aminare aho .koragno dia volagniko dia holazaiko nare hoe fahefana avy aiza no agnanôvako iregny raha iregny 30 Ny Batisan'ny Jaona avy any andanitra va izeigny sa avy amin'ny olona?Valio Aho." 31 Nifapidinika miaraka izire sady nifamaly sy nivôlagna raha mamaly antsika hoe avy agny an-danitra de nivolagna izy hoe fa nahoana ary no tsy nino anànjy anare fa raha mamaly kôza antsika hoe :avy amin'ny 32 ôlo.....natahotra ny ôlo izire satria resy lahatra ny olo-jiaby fa Jaona de mpaminany tokoa 33 Avy namaly an'i Jesosy izire ka nagnano hoe tsy hainé de hoy Jesosy taminjare hoe zah fô koha tsy hivôlagna hoe fahefana aviakeza no agnanôvako iregny raha iregny."