Toko faha 12

1 Nantetra nampianatra azy reo tamin'ny alalany fagnoarana i Jesosy. Ahoziny hoe: ''Nisy lalahy nagnano tanom-boaloka, kè nagnisy lakoro magnodidigna izègny, ary nandavaka famiazagna. Nanangana tilikambo izy avite nampanofany lè tanim-boaloboka tamin'ny mpamboly voaloboka. De nèngalavitra izy avite. 2 Tamin'ny fotogna, dia nagnasa mpanompo handèha any amin'ny mpamboly voaloboka izy mbora halaka amin-jare ny asanagny amin'ireo zay tokony anjarany amin'ny vokatr'ilay tanim-boaloboka. 3 Fa nisamborin-jare izy, nilamohin-jare izy ary niroasigna tsy hitôndra na inona na inona. 4 Nagnasa mpanompo hafa nandeha any amin-jare ndrèka izy, de nivakivakin-jareo ny lohany ary nalany baraka. 5 De mbola nandefa afa migna, ary nivonin-jare raika. Naton-jare karan-jegny ireo zay nalefa tany, nilamohigna ny asanany ary nivoniny ire hafa. 6 Mbôla nanagna ologna raika hasaigna Izy, de zanak'ananjy zany. Izy no farany nalèfany tagny amin-jareo. Ahozy hoe: "Mba hagnaja ny zanako lahy zare." 7 Nèfa nifam-pizaka ny mpamboly voaloboka hoe: "Ity ny mpandôva. Avia, ndo vonintsika izy ary azontsika ny lova.'' 8 Nisamborin-jareo izy, de nivonigna, ary natsipin-jareo tagny ivelan'ny tanim-boaloboka. 9 Koa, ino arika no haton'ny tompon'ny tanim-boaloboka? Ho avy izy handringana ny mpamboly voaloboka ary hagnome tany ho an'olon-kafa. 10 Tsy nivakinan-dre zô soratra masigna zô? 'Ny vato zè nolavin'ny mpanoron-tragno, no nato vato fehizoro. 11 Avy tamin'ny Tompo izegny, ary mahamagna teo imasontsika.''' 12 Nizaha ny hisamboragnan' i Jesosy zareo, saingy matahotra ny fokon'ologna zare satria fantan-jare fa hanoheragnanan-jaré no nivolagnany izañy fagnoharana izañy. Ka de navelan-jare Izy ary lasagna nandeha zare. 13 De nagnasa ireo Fariseo sy Herodiana sanagny ho any Aminan-jy mbo hamandrikan'Anjy amin'ny teny zare. 14 Raha tônga zare de ahozin-jare taminy hoe: '' Mpampianatra ô fantanay fa tsy mivakiloha ny hevitry ny ologna Iano, ary tsy mamoaka fiangaragna eo amin'ny ologna. Mpampinatra marigna ny lalan'Anandriamanitra Ano. Ara-dalagna ve sa tsia ny mandoa hetra amin'i Kaisara? Tokony handoa hetra sa tsia?'' 15 Fantan'i Jesosy ny fihatsaram-belatsihin-jare ka nivolagna izy hoe:' 'Nahogna anandre no mitsapa Za?'' Itondra denaria raika Za mbo hizahavako izany.'' 16 De niton-dran-jare vola raika i Jesosy. Ahozy tamin-jareo heo: ''Mitovy zôvy ito sary sy sôrata ito?" Ahozin-jare hoe: ''An'i Kaisara.'' 17 Ahozy Jesosy hoe: ''Amivo an'i Kaisara zegny an'i Kaisara, ary amivo an'Andriamanitra zegny an'Andriamanitra.'' De midagnako taminy zare. 18 Aviteo zare Sadoseo, ary nivolagna fa tsy misyy fitsanganagna amin'ny maty, de tonga teo aminy. Nagnontany Ananjy zare, nagnano hoe: 19 ''Mpampianatro ô, zô nosoratan'i Mosesy ho anay hoe: 'Raha maty ny ralahalain'ny lalahy iraika ary nambela vady izy, nèfa mbola tsy niteraka, de tokony manambady ny vadin-dralahin'ny lè lalahy, ka hanagna taranaka hoan'ny ralahiny.' 20 Nisy fito miralahy; nanambady lè volognany ary maty, tsy nambela taranaka. 21 Avite nalaka'ananjy ny faharoa de maty, de karan-jany koa ny fahatelo. 22 Tsisy nambela taranaka zeo fito. Taminy farany de maty lè ramatoa. 23 Amin'ny fitsanganana amin'ny maty, raha hitsangana indraiky zareo, de hovadin-jovy izy? Satria favy nanambady anan-jy daholo zare fito miralahy." 24 Ary ahozy Jesosy hoe: ''Tsy zagny raha maha-diso hevitran'andre va, satria tsy fantan'andre na ny Soratra Masina na ny herin'Andriamanitra? 25 Satria raha hitsangana amin'ny maty zare de tsy hanambady na hatolotra hoan'ny fanambadiagna, fa ho kara anjely any andagnitra. 26 Fa mikasika ny fitsanganan'ny tena amin'ny maty, tsy nivakin'andre ny tô amin'ny bokin'i Mosesy, ao amin'ny andalagna mikasika ny voaroy, ny niresahan'Andriamanitra taminy ka novolagny hoe: ''Zâ no Andriamanitr'i Abrahama sy Andriamanitr'Isaka ary Andriamanitr'i Jakoba'? 27 Izy de tsy Andriamanitry ny maty, fa an'ny velogna. Somary diso ny hevitr'andre'' 28 Nisy raika tamin-jare mpanoratra làlagna tonga ka naregny koragnan-jare; fa nivalian'i Jesosy tsara zareo. Ary nagnontany Azy izy hoe: ''Ino tegna lehibe aminy didy jiaby?'' 29 Namaly Jesosy hoe: ''Ny maventy indrindra de hoe: ''Mitandrignesa, nyTompo Andriamanitsika, ry Israely, raika ny Tompo. 30 Tsy mentsy mankatia ny Tompo Andriamanitr'ano aminy fôno rehetra ano, amin'ny fagnahino jiaby, amin'ny sègnano rehetra sy amin'ny herino manontolo.' 31 Ity ny didy faharoa: 'Tsy mèntsy mankatia ny namano kara ny tenano ano. 'Tsy misy didy lehibe ankotran'ire.'' 32 Ozy le mpanoratra làlagna hoe: ''Tsara zany, ry mpmpianatra! Voalazano marigna fa Andriamanitra de Tokagna, ary tsisy afa ts'Izy. 33 Ary mankatia ananjy amin'ny fo manontolo sy amin'ny saigna rehetra, sy ny hery rehetra ary mankatia namagna tahaka ny tena, de tsara lavitra mihoatran'ny fanatitra hidoragna sy ny sorona rehetra. 34 ''Raha hitan'i Jesosy fa nagnome valin-teny hendry Izy, de nizaka taminy izy hoe: ''Tsilavitry ny fanjakan'Andriamanitra ano. ''Tafarak'izany, de tsisy nasahy nametraka fagnontaniagna tamin'i Jesosy èka. 35 Namaly Jesosy, raha nampianatra tako amin'ny tempoly Izy; de Ahozy hoe:"Karakory mo hivolagnan'ny mpanoratra lalagna fa i Kristy de zanak'i Davida? 36 Davida tenany, tamin'ny Fagnay Masigna, magnano hoe: mipètraha eto an-tanan-kavanako, mandrapahagnaboarako ny fahavalono ho fitœrany tongonô.' 37 Davida tegnany no nagnatso Ananjy 'Tompo,' koa karakory no maha zanak'i Davida i Kristy? Nitandregny anan-jy ampi-faliagna ny fokon'ologna maro be. 38 Tamin'ny fampiagnarany Jesosy de nivolagna hoe: Mitandrema amin'ireo mpanora-dalàna, izay mandèndèha amin'ny akanjo lava ary tian-jareo ny fiarabagna azon-jare hagny an-tsena 39 ary tian-jare ny mahazo sezy volognany any synagoga sy ny toeragna volognany any amin'ny fety. 40 Mandroba tranon'ireo mpitondra tena izy ireo, ary magnano vavaka lava be mbora ho hitny ologna. Ireo lalahy ireo andray fagnamelohagna lehibe kokoa.'' 41 Avitaké Jesosy de nipetraka nifagnitsy ny vatan-drakitra tô amin'ny faritry ny tempoly; nizaha ny ologna rehetra izay nandatsaka vola tô amin'ny vatan-drakitra. Mpanankaregna no tegna nandatsaka vola betsaka tô. 42 De nisy viavy mahantra mpitondra tena raika tônga nandatsaka farantsakely roa, izay hely bolitika raha ampitovisagna amin'ny iraimbilanja. 43 Ary nantsoviny ireo mpianatra ary ahozy Izy hoe: ''Volagniko amin-dre marigna tokoa ito viavy mahantra mitondratena ity no nandatsaka vola bètsaka mihoatra amin'ologna nanda-tsaka vola tô amin'ny vatan-drakitra. 44 Satria ny rehetra nagnome tamin'ny fanagnamben-jare. Fa ity mpitondratena ity nagnome taminy fahantrany, de nandatsaka vola tokony hivilomany tô.''