Toko faha 10

1 Niala tamin-jègny toèragna zègny Jesosy avitaké nandèha tagny amin'ny faritr'i Joda ndraiky tagny amin'ny faritra ambaniny Reniranon'i Jordana, kè avitake nagnatognan'anjy ny fokon'ologna. Kè araka ny fatôny, de nampianatra anjare ndrèky Izy. 2 De nagnontany Ananjy zare Fariseo mbô hizaha Ananjy kè nagnao fô: '' Ara-dàlagna ho any lalahy môa magnary vady ? '' 3 Namaly Izy fô: '' Ino ny nagnäsan' i Mosesy anan-dre? 4 De ahozy njareo fô: '' Mosesy de nagneky ny lalahy hagnamia taratasy fanamarignana fisaraham-bady kè magnary ananjy avakeo.'' 5 Ahozy Jesosy tamin-jare hoe: ''Nony tsy finohanan-dre no antony nanoratany anan-dre zegny lalagna izegny.'' 6 ''Fany am-olognan'ny famoronagna, 'Andriamanitra nagnano an-jare ho lahy ndaiky vavy.' 7 Amizègny antony zègny de hiala ny papany ndraiky mamany ny lalahy kè hitambatra amin'ny vadiny, 8 ary hanjary ho nôfo raika zare roy.' Ka tsy ho roy erika zare, fa ho nôfo raika ihany. 9 Ka zègny natambatran'Andriamanitra, de aoka tsy ho sarahin'olom-belogna.'' 10 Ary raha tô an-dragnon-jare, de mbola namerigna nagnontany mikasika izègny indraika ny mpianatra. 11 Ahozy Izy tamin-jare hoe: ''Na zôvy na zôvy lalahy misaraka amin'ny vadiny nangalaka viavy hafa de mijangajanga. 12 Raha misaraka amin'ny vadiny ny viavy ka manambady lalahy hafa, de mijangajanga.'' 13 Avitake nindesin-jare t'Aminy zanakan-jare mbo hametrahagna tagnana, fa nivigniran'jare mpianatra zare. 14 Raha nahay zegny Jesosy, de vignitra be Izy ka nivolagna zare hoe: ''Ambila ny zaza hagnatogna Anahy, ary aza raragna zare, fa ny fanjakan'Andriamanitra an'ire zegny toa azy ireo. 15 Volagniko aminan-ndre ny tegna marigna, na zôvy na zôvy tsy mandray ny fanjakan'Andriamanitra kara ny zamadinika de tsy hitsofotra amin-jegny velively izy.'' 16 Avitake de nibatainy reo zamadinika ka notsofany rano sady nametrahany tagnana. 17 Kôfa nantetra ny diany Izy, de nisy lalahy nihazakazaka ka nandongalita te alohany, sady nagnontany hoe: ''Ry mpampianatra tsara, ino no tsy maintsy hatôko mbo handôvàko ny fiainagna mandrak'izay?'' 18 Jesosy nagnao hoe: ''Nagnino Zaho antsohino hoe tsara? Tsisy tsara afa-tsy Andriamanitra irery ihany. 19 Fantano ny didy hoe: 'Aza mamono ologna, aza mijangajanga, aza mangalatra, aza mijoro ho vavolom-belogna tsy marigna, aza mamitaka, hajèo ny baba sy mamanao'.'' 20 De ahozy lè lalahy hoe: ''Mpampianatra ô efa narahiko laitra za hatramin'ny fahatanorako raha jiaby zegny.'' 21 Nizaha ananjy Jesosy de tia anan-jy. Ary ahozy Izy tamin'ny hoe: ''Misy raha tsy ampy raika amino. Tsy mahintsy ambidinao izay rehetra anagnano ary amiavo ny mahantra izany, de hanagna haregna any an-dagnitra ano. Avake magnaraha Zaho.'' 22 Fa nohizany filazagna izany de nalahelo ka nandeha nangasihasy, satria nanagna fanagnam-be tokoa izy. 23 Nizaha ny magnodigna anan-jy Jesosy ary ny volagna tamin-dreo mpianatra hoe: '' Tegna sarotra hoan'ireo managna harem-be ny miditra ny fanjakan'Andriamanitra!'' 24 De magnana taminy teniny ireo mpianatra. Fa ahozy Jesosy tamin-jare hoe: ''Anaka sarotra ny fidiragna ao amin'ny fanjakan'Andriamanitra! 25 Mora kokoa ho an'ny rameva ny miditra amin'ny vody filo, noho ny hidiran'ny mpanakarena ao amin'ny fanjakan'Andriamanitra.'' 26 De mbola magnana migna ny mpianatra ary nifagnontany hoe: ''Izovy no afaka ho voavonjy?'' 27 Nizaha an-jare Jesosy ary Ahozy hoe: ''Tsy vitan'ny ôlogna izany fa vitan'Andriamanitra. Satria ny rahà jiaby de hain'Andriamanitra atô.'' 28 Nantetra nizaka taminy i Petera hoe: ''Zahavo, Izahay reto de nafoe ny rehetra ary nagnaraka ano.'' 29 Ary ahozy Jesosy: ''Volagniko maringa aminan-dre, tsy misy ôlogna nafœ ny tragnony, na ny rahalahiny; na ny rahavaviny na ny mamany, na ny papany, na ny zanagny, na ny taniny nohony amina, sy ny Filazantsara, 30 ka tsy nahazo avo zato heny amin-jo taonjato ankehitriny zao: dia tragno, rahalahy, rahavavy, mama, zanaka, sy tany miaraka amin'ny fagne-njehagna, ary amin'ny taonjato hoavy, de ny fiaignana mandrakizay. 31 Fa maro ny voalognany no holasagna farany, ary ny farany ho lasagna volongnany.'' 32 T'andalagna zare, hiakatra ho agny Jerosalema, ary Jesosy nandè talôhan-jare. Gaga ny mpianatra, ary izay nagnaraka tafaran'Anan-jy dia natahotra. Nantsovin'i Jesosy ho Aminy ndreka izy roa ambiny folo ary nantetra nivolagna ny raha ahazo Anan-jy tsy hoèla Izy. 33 ''Zahavo, miakatra ho any Jerosalema antsika izo, ary ny Zanak'Ologna dia hatondro ny mpisorogna be sy mpanora-dalàna. Ho helohin-jare ho faty Izy ary atondrony Jentilisa. 34 Ireo dia haneso Azy, handrora Azy, handamokan'Anjy, sy hamono Ananjy. Raha afaka telo andro de hitsangana amin'ny maty Izy.'' 35 Jakoba sy Jaona, zanak'i Zebedio,nanantogna Azy ary nivolagna Taminy hoe: ''Mpampianatra ô, mbo tinay raha mba atono izay rehetra angatahinahy amino. 36 ''Dia hoziny tamin-jare hoe: ''Ino ny tianare ho atoko ho anareo?" 37 Ahozin-jare hoe: "Abela hiarak'ipetraka amino izahay, ka raika ake an-tanan-kavanano ary ny raika eke ank'avino.'' 38 Fa jesosy namaly anjare hoe: ''Tsy fantanan-dre izay angatahinan-dre. Anandre afaka misotro amin'ny kapoaka izay hisotroako va na hatanty ho ato batisa amin'izay hagnanovagna batisa Ana?" 39 Ahozin-jare Taminy hoe: "Vitanay izany.'' Ary nivolagna taminjare Jesosy hoe: Ny kapoaka izay ho sotroiko dia ho sotroinan-dre ary amin'ny hanovam-batisa Zaho, no agnanovam-batisa anan-dre koa. 40 Fa zegny hipetraka eo antagnan-vanako na eo an-kaviako koza tsy miankina aminah izany, fa izègny dia hoanjareo nagnomagna anjany.'' 41 Raha naregny mômban-jagny ny mpianatra folo hafa, dia vignitra mafy tamin'i Jakoba sy Jaona. 42 Nantsovin'i Jesosy ho eo aminare ary nivolagna hoe: ''Fantanan-dreo fa ire izay heverigna ho mpanapaky ny Jentilisa de mpanompo azy ire, ary ny lebibe mpifehy anjare dia manapatra fahefagna aminjare. 43 Fa tsy tokony ho kara zegny ny amin'andre. Fa na zôvy na zôvy magniry ho lehibe aminan-dre de oka izy ho mpanompon'andre, 44 ary na zôvy na zôvy magniry aminan-dre dia oka izy no andevonan-dre jiaby. 45 Fa ny Zanak'Ologna tsy tonga ho tompoina, fa mba hanompo, sy hanolotra ny aignany ho takalon'aina ho an'ny maro.'' 46 Tonga to Jeriko zaré. Raha nivoaka ny tanagna niaraka tamin'ny mpianatra sy fokon'ologna maro be Izy, ny zanak'i Timeo, Bartolomeo, izay mpangataka sady jamba, niantotra teo amorondalagna. 47 Ra naregny izy fa Jesosy avy tagny Nazareta izany, nantetra nihoraka be izy ary nivolagna hoe: ''Ry Jesosy Zanak'i Davida ô, mamindrà fo amiko!'' 48 Betsaka no nivolagna mafy lè jamba, nivolagna taminy mba hangina. Fa vao maika izy niaka mafy hoe: "Ry Zanak'i Davida ô, mamindrà fo amiko!'' 49 Nidogna Jesosy ary nampiantso anazy. Nantsovin-jare lè jamba, ary nivolagniny hoe: '' Mahereza! Mitsangana! Magnantsova ano Izy.'' 50 Nariany ny lambany, ary nitsangana, ka nagnatogna amin'i Jesosy izy. 51 Dia namaly anan-jy Jesosy nivolagna hoe: ''Ino no tiano atoko amino?'' Ahozy le lalahy Jamba hoe: ''Raby ô, te-hahita zaho.'' 52 Ary ahozy Jesosy taminy hoe: ''Mande-hana. Ny nognano no nahavonjy ano.'' Dia nahita niaraka tamin-jany ny masony, ary nagnaraka an'i Jesosy tagny an-dalagna izy.