Tôkô faha: 9

1 Nivôlagna Izy tamin'jaré hoe: "volagniko aminandré marigna tokôatra, fô misy aminandré zegny mitsangagna akéto tsy hagnandragna zegny fahafatesagna zegny mialohan'ny hahytan'jare ny fanjakan'Andriamanitra zegny ho avy amin'kery maventy." 2 Ary enignandro tavafara, de nindôsiny Jesosy miaraka aminny Petera ndaiky Jakoba ary Jaona takagny amin'ny tanety ambo, ary zaré foagna no tagny. Avy také niôva sôra také alôhan jaré Izy. 3 Ny akanjony niôva nangilangilatra be avaké fôtsy be, fôtsy lômbolômbo ndrahajiaby nampamotsiagna lôatra taketoambonin-tany 4 Avakeo Elia ndraiky Mosesy niboaka tamin'jareo, kai nikoragna tamin'i Jesosy zaré. 5 Petera namaly ke nivôlagna tamin'i Jesosy hoe: "Raby ô, tsara izikôa midôko aketo antsika, kai andeha agnano lay telo, ny araiky ho Anô, ny araiky ho an'i Mosesy, ary ny araiky ho an'i Elia." 6 (Fô tsy hainy zegny rà tôkony ho hivolagniny, satria nangôrohôro boe zaré. 7 Nisy rahogna tônga ke nagnarôgna anjaré. Ary nisy feo nibôaka avy agny agnatin'ny rahogna hoe: "Itô ny Zanako Malalako. Mitandrinaisa Ananjy." 8 Tampoko také, izikôa nizaha magnodidigny zaré, dia tsy nahita na zôvy na zôvy kôza, kofa-tsy Jesosy araiky fôagna. 9 Izy kôa nandrôrogno avy tagny an-tanety zaré, de nivolagniny mafy mbo tsy hikoragna na amin'jovy na amini'jovy ny raha hitan'jaré, izikôa tsy efa mitsangagna amin'ny maty ny Zanak'ôlogno. 10 Ary de nitazognin'jaré ho anjaré zegny koragna zegny, kanéfa nifanpagnotany zaré ny amin'ny manjary ho dikan'jegny "fitsanganagna amin'ny maty" zegny. 11 Nagnotany Ananjy zaré hoe: "Nangnakôry zaré mpanôra-dalàgna no nivôlagna fô tsy maintsy avy alôlôha Elia?" 12 Dia Ahozy tamin'jaré ré hoe: " Aifa tônga voalôhany Elia hagnarigna ny raha jiaby. Ary akôry voasôratra fô ny Zanak'Ôlogna dia ijaly mafy amin'ndraha maro ary atô kara ôlogna tsy misy dikany? 13 Naifa volagniko aminandre fô efa tônga Elia, ary naton'ôlogma taminanjy tiany fôny, araka zegny aifa vôlagnin'ny Sôratra Masigna mamba ananjy." 14 Ary kofa niverigny take amin'ny mpianatra zaré, dia nahita fôkon'ôlo maro nagnodidigna anjare ary zaré mpanora-dalàgna nimalo taminanjy. 15 Kôfa nahita an'i Jesosy zaré, dia nidagnaka ny fôkon'ôlo jiaby ary ra'igny nihazakazaka nagnatogna Ananjy igny zaré dia nifagnontsanfa Ananjy. 16 Nangnotany iré mpianatarany Izy hoe: "Momba nino no mampimalo andré." 17 Ary nisy raiky tamin'jaré fôkon'ôlo namaly Ananjy hoe: "Mpampianatra ô, nindôsiko ho aketo aminô ny zanako lalahy. Misy fagnahy ratsy tsy mampivôlagna ananjy izy. 18 Migôdagna ananjy ràha io kè mampibiribry ananjy avake mifôtafô ranivy izy, sady mihidy vazagna, ary lasa mihènjagna izy. Nangataka tamin'ny mpianatranô zaho mbô handroaka zegny hiala aminanjy, kanaifa tsy vitan'jaré zegny." 19 Ary namaly ananjiré Izy hoe: "Ry taranaka tsy mino, mandra-pahoviagna no antèrako aketo aminandré? Mandra-pahoviagna no handifèrako aminandré? Indeso atô aminahy izy." 20 Ary nindôsiny take amin'ny lay zazalahy, izy kofa nahita an'Jesosy lay fagnahy ratsy, dia nampifagnitôgno ananjy zegny. Lavo tambon'ny tany lay zazalahy ary feno ranivy ny vavany. 21 Jesosy nagnontany ny babany hoe: "Nanômboko noviagna no naha-karany ananjy?" Dia hozy ny baba hoe: "Nanômboko izy mbôla hély." 22 Indraindraiky io fagnahy ratsy io nandavo ananjy tagny agnaty afo na tagny agnaty rano ary nagnandragna ny hamôtiky ananjy. Izikoa mahaÿ magnano ny raha jiaby Anô, dia miantrà zèhay ary ampia zèhay." 23 Jesosy nivôlalagnana taminanjy hoe: "Izikoa mahaÿ anô"? 24 Ny raha jiaby dia hain'jegny mino." Niaraka tamin'jegny ny baban'dra zaza dia nidalala mafy nagnano hoe: "Matôky zahô! Tahy zaho amin'ny tsy finoako!" 25 Kofa hitan'Jesosy iré fôkon'ôlo niazakazaka nagnatogna anjaré, dia nivolagniny mafy lay fagnahy malôto ary nagnano hoe: "Ry fagnahy moà sy maregnina, madidy anô Zaho, mibôaha aminanjy, ary aza miherigny mitsofotro akà aminanjy koà." 26 Nihafatra mafy zegny kè nampifagnintogna mafy lay zazalahy ary avy take niboaka. Karaha ny ôlogna maty lay zazalahy, kè maro no nivôlagna hoe: "Maty izy." 27 Fô Jesosy naalaka ananjy tamin'ny tagnany kè nagnarigny ananjy, dia nitsangangna lay zazalahy. 28 Kôfa nitsôfotra tako an-dragno Jesosy, dia nagnontany Ananjy manôkagna mpianatarny hoe: "Nagnino zaihay no tsy nahavoaroaka lay fagnahy ratsy?" 29 Ahozy tamin'jaré hoe: "Ny kara ndregny dia tsy miboaka izikoa-tsy amin'ny alalan'ny vavaka." 30 Niala také zaré ary nandalo tagny Galilia. Tsy tiàny ho fantan'jôvy na jôvy hoe takaiza zaré, 31 fô nampianatra ré mpianatrany Izy. Ahozy tamin'jaré hoe: "Ny zanakôlogna de hatôlotro akagny an-tagnan'ny ôlogna, ké ho vonôn-jaré Izy. Ary kôfa naty Izy.dia afaka telo andro." 32 fô tsy takan'jaré io fagnambaragna io, ary natahotra zaré hagnotany Ananjy. 33 Avtake tônga takà Kapernaomy zaré, kôfa avy nitsôfotra tan-dragno Izy dia nagnotany ananjy zaré hoe: "Ino ny raha nivolagninare tagny an-dalagna?" 34 Fô nangigna zaré. Satria efa nandinika tagny an-dalagna zaré ny amin'jegny maventy indrindra. 35 Nitoetry, dia nagnatso iré roembifôlo lahy niaraka Izy ary nivolagna tamin'jare hoe: "Izy koa misy te-ho vôlohany, dia tsy maintsy farany amin'ny jiaby izy ary ho mpanômpon'ny jiaby." 36 Nalaka zazahely araiky Izy ary natôny tagnivon'jaré. iré hoe: 37 "Na izôvy na izovy malaka ny zaza karanjo amin'ny agnarako, dia mandray Zaho koa, ary koa misy malaka Zaho, dia tsy malaka Zaho araiky izy, fô lay nagnasa Zaho koa." 38 Hôzy Jaona Taminanjy hoe: "Mpampianatra ô, nahita ôlogna namoaka demonia tamin'ny agnaranô zaihay ary nivolagnina izy, satria tsy magnarak'antsika." 39 Fô Jesosy nagnano hoe: " Aza raragna izy, fô tsy misy ôlogna hagnano asa maventy amin'ny agnarako nefa tailatsaila afaran'jegny dia hivolagna raha ratsy mikasiky Zaho. 40 Na izôvy na izôvy tsy manôhitra atsika dia màgnaraka atsika. 41 Na izôvy na izôvy magnomia anô rano kôpy araiky ho giahigny satria an'Kristy anô, dia volagniko aminô marigny tokoatra, fô tsy ho very ny valim-pitagnany. 42 Fô na izôvy na izôvy magnano ra mavignitra ny raiky amin-dre de hely mino Anahy zaré, dia tsara ho ananjy ny agnatognana vato maventy fikorôham-bary mifatotra agnambôzony alatsaho an-dranomasigna. 43 Rà ny tagnano no matônga ano ho tafitohigny, bongoa. Fô tsara amino ny managnantra agny amin'ny fiainagna naifa managna tagnan-droai ary handèha agny agnafo be, agny amin'ny afo tsy mety vonoigna. 44 [Fanamarihagna: Ny fandikagna tsara kôkoà dia tsy magnisy ny fehezanteny ako amin'ny andigniny faha 44 sy 46 hoe: "Zgny tsy maty mihitsy ny ôfagna agnatiny afo tsy manjary vonoigny mandrakizay."] 45 Rà tôngotranà no magnafitôhagna, bongoà agny. Tsara amina ny mitsikilagna agny amin'ny fiainagna tozay managna tôngotra roai ka naifa mivarigny amin'ny afobe. 46 [Zahano ny fanamarihagna ako amin'ny andigniny faha 44] 47 Izikoa ny masonô no magnafitohagna ano, alao hiala agny. tsara amino ny miditry ny fanjakan'Andriamanitra miaraka amin'ny maso tôkagna kara zegny maso roai ary hariagna agny amin'ny afobe, 48 agny amin'ny toairagna zegny tsy mafaty ny kankan'jaré, ary ny afo tsy manjary vonôgny. 49 Fô ny ôlogna jiaby dia somby ho vôasira amin'ny afo. 50 Tsara ny sira, fô raha ny sira no tônga majaiba, ahôana no afahanô mampamasigny ananjy koa? Asiagna sira ako aminare, ary mihavagna amin'ny tsiraikiraiky aby.a"