Toko faha 4

1 Avitaiza no nivoahany ady sy iré gidragidra také aminan-dre? Mô va tsy fagnirianan-dre zahay miady aminy mpikambagna ake antegateganan-dre? 2 Magniry anan-dré nefa tsy managna. Mamono sady mitsiriritra anan-dre nefa tsy afaka ny ahazo. Miady sy mifamaly anaré. Tsy managna ananré satria mangataka. 3 Managataka anan-dre nefa tsy mahazo satria ratsy fangatahagna, mbô hafahanan-dre mampiasa anizegny fagnirianan-dre. 4 Anaré ry Mpijangajanga! Mô tsy fanatanan-dre mè fa ny fisakizagna an'izi tontolo izo dia fampirafesagna manohitra an'Adriamanitra? Kô na zôvy na zôvy te-ho sakaizan' izô tontolo izô dia magnano ny tegnany ho fahavalon'Andriamanitra. 5 Sa anan-dre mandinika fa ny Sôratra Masigna dia mivolagna zava-poagna hoe: "Ny fagnay zegny natôny nihaigna takô amintsika dia saro-piro lôatra''? 6 Fa Andriamanitra magnome fahasoavagna maromaro kaokao, no hizègny dia ahozy Sôratra Masigna hoe: ''Andriamanitra manohitra ny mpirèharèha, fa magnome fahasoavagna ny mpanetry tègna'' 7 Ka magneke amin'Andriamanitra. Tohero ny devoly, dia hilèfa anan-dre izy. 8 Magnatôgna an'Andriamanitra, dia hagnatogna anan-dre Izy. Diovy ny tagnan-dre ry mpanota, ary diovy ny fonan-dre ry mpiroa saigna. 9 Malahelôva, misaônà, ary mitomagnia! Aôka ny fimœzanan-dre hody fitomagniana, ary ny fifaliagnan-dre ho fanjoretagna. 10 Manetre-tegna eo anatrehan'ny Tompo hanandratra anan-dre Izy. 11 Aza mifagnaratsy anan-dre, ry rahalahy. Ny ologna izè magnaratsy ny rahalahy na mitsara ny ralahy dia manohitra ny lalàgna na mitsara ny lalàgna. Raha mitsara ny lalàgna anan-dré, dia tsy mpakàto ny lalàgna, fa mpitsara. 12 Iray ihany no magnome ny lalagna sy mitsara. Izy lay raika afaka mamonjy sy mandringana. Azôvy mè ano,izay mitsara ny namano? 13 Koa mitandrignesa, anan-dre izay mivolagna hoe: ''Niany na amaraigna hiditra ato amin'ity tanagna ity antsika,hidoka herintogna akagny, hagnano varotra,ary halaka antômbony.'' 14 Izôvy no mahafantatra raha hitranga amaraigna,ary ino ny fiainagnan-dre? Fa zavogna mipoitra anan-dre avake dia malaky levona. 15 Tôkony hivolagna koza anan-dre hoe: ''Raha sitraky ny tompo, dia ho velogna antsika ary hagnano an'ity na hanao an'iroa.'' 16 Fa avahizo anan-dre dia mipoerapoera aminire tetika mieboebo. Ny fireharehagna jiaby karanjegny dia ratsy. 17 Ka ho an'izè rehetra mahafantatra ny ratsy nefa tsy magnano izegny, dia heloka ho ananjy izegny