Tôkô faha: 3

1 Tsy ôlogno fôntry no tokony ho lasagna mpampianatra, ry ralahiko. Haintsika fô handray fitsaragna mafy kokôa antsika. 2 Fa antsika jiaby dia tafitôhagna amin'ny fômba fontry. Kô misy tsy tafitôhagna amin'ny iré koragna, dia lilahy matôtro tantèraka izy, afaka mifehy na dia ny tègnany araiky manontôlo aza. 3 Ary kô asiantsika lamboridy aké ambavan'jaré sovaly mbô hikehin'jaré antsika, dia afaka mitôndra ny vatan'jaré jiaby foagna koa antsika. 4 Zahano foagna koa fô iré sambo, na dia maventy be tokôatra aza izy regny mbola hidôsin'drivotra-mahery, dia vôavilin'ny familiagna samba hely agny amin'jègny jiaby tian'ny mpagnamory. 5 Karan'jegny koa ny lèla dia rantsagna hely amin'ny vatagna, kanèfa izy dia mihambo raha bètsaka. Zahano koa ny ahilèzan'ny afo zègny mandôro atiala maro. 6 Ny lèla koa dia afo, tontôlon'ny fahotagna napètraka také amin'ny ratsam-batagnantsika. Zègny dia magnisa pentipentigna ny vatagna araiky manontôlo ary mandôro ny lalam-piainagna. Arehitrin'ny helo ny tègnany. 7 Fô ny karazam-bibidia jiaby, vôrogno, biby mandady, ary zava-boarin-dranomasigna dia fôlaka ary nifôlahin'ny ôlombélogno. 8 Fa ny mômban'ny lèla, tsisy ôlogno mahavita mamôlaka anjegny. Io dia ratsy tsy hay fihézigny, feno poizigny mafaty. 9 Amin'io no hidèrantsika ny Tompo sy ny Ray, ary amin'io no hagnozônantsika ôlogno, zègny natô nitôvy tamin'Andriamanitra. 10 Avy amin'jègny vava zègny foagna no hivoahan'ny fitahiagna sy fagnozôgnana. Ry ralahiko, tsy tôkony hibôaka iré raha iré. 11 Moa ny lôharano mô mamôaka rano mamy sy mangidy avy amin'ny fibôahany? 12 Moa ny kakazon'aviavy mô, ry ralahiko, mamoa oliva? Na ny voalôboko, mamoa aviavy? Ny rano masira koa dia tsy afaka hagnamia rano mamy. 13 Zôvy no hendry sy mahay aké antèntègnaniré? Ambilay zègny ôlogno zègny hamoaka fihainagna tsara amin'ny asany amin'ny fanetrèn-tègnan'ny fahendregna. 14 Fa koa managna fialôgnana mangidy anaré ary fagnirian-daza ako am-ponaré, dia aza mihambo na mandainga manôhitry ny marigna. 15 Zègny dia tsy fahendregna zay nidigna avy agny ambôny. Fa kosa, avy amin'ny tany, ny tsy ara-paganhy, ny demoniaka zègny. 16 Fa agny amin'jègny misy fialôgnana sy fagniriagn-daza, dia misy fifanjevogna sy fagnanovagna ny ratsy jiaby. 17 Fa ny fahendregna avy agny ambôny dia madi alôha, avy ake feno fiadagnana, malemy fagnahy, mihevitry ny hafa, feno famindram-pô sy vokatra tsara, tsy mamely, ary tsotra. 18 Ny vokatra ny fahamarinagna dia voafafy am-piadagnana ake atèntègnan'jaré mampihavagna.