Toko faha 2

1 Ry ralahiko, aza mitazogna ny finoagna an'ny Tompontsika Jesosy Kristy. lay Tompon'ny voninahitra, amin'ny fiangarana amin'ny ôlogna asananay. 2 Atova hoe misy ôlogna magnisy peratra volamena sy akanjo tsara no miditra ako amin'ny fivorianareo, ary misy lalahy mahantra ihany koa magnato lamba maloto. 3 Raha mizaha ilè ologna magnisy lamba tsara anà ary mivolagna hoe: '' Azafady mipitraha eto amin'ny toeragana tsara,'' fa hivolagna amin'ilè lalahy mahantra koza hoe: ''Mitsangàna ano ary,'' na hoe: ''Mipetraha eto an-tongotra,'' 4 ka tsy mifampitsara aminy anan-dre? Ka tsy lasa mpitsara amin'ny eritreri-dratsy anan-dre? 5 Tandrigneso, ry rahalay mlalako, tsy efa nifidin'Andriamanitra ve ny mahantran'izo tontolo izo mbo hanankarena amin'ny finoagna sy mbô mpandova ny fanjakana izo nampananteniny ire izay tian'Anjy? 6 Fa anan-dre de nagnalabarka ny mahamtra! Moa tsy ny mpana-karena ve no mampijaly anan-dre? Moa tsy ire va no mitarika anan-dre ho any amin'ny fitsaragna? 7 Moa va tsy izi ire no magnaratsy ny agnaragna tsara izay anan-dre? 8 izegny aza, raha manantanteraka ny lalagnan'ny mpanjaka anan-dre, araka ny Sôratra Masigna hoe: ''de tiavo ny namano tahaka ny tegnano,'' de magnano tsara anan-dre. 9 raha magnome sitraka ny ologna asanany koza anan-dre, de manota, ka voheloka kara ny mpamadika lalàna. 10 Na zôvy na zôvy mankasitraka ny lalàgna jiaby kanefa lavo amin'ny lalagna iraika monja, de ho meloka amin'ny lalàgna jiaby. 11 Fa ilè nivolagana hoe: ''Aza mijanganga,'' de nivolagna koa izy hoe: '' Aza mamono ologna.'' Raha tsy mijangajanga anandre, kanefa mamono ologna de lasa mpamadika ny lalàna. 12 Nohizany mivolagna sy magnanova kara ire izegy ho tsaraigna amin'ny lalàgnan'ny fahafahagna. 13 ny fitsragna de tônga de tsisy famindram-pô. Ary ny famindram-po de mandresy ny fitsaragna. 14 Ino no tsara, ry ralahiko,raha mivolagna ny ologna raika fa efa manamp-pinogna izy, kanefa tsisy asa? 15 Atôvy hoe misy rahalahy na hanakavy ratsy fitafy sy tsy ampy sakafo isan'andro. 16 Atôvy hoe misy raika aminan-dre mivolagna amin-jareo hoe: ''Mandehana am-piadanana, magnova mafana ary magnano voky.'' Raha tsy magnôme an-jare ny ràhà tadiaviny vatana anan-dre, ino ny mahatsara izegny. 17 De karanjany koa ny finoagna, raha tsisy asa izany, de mety. 18 Nèfa mety misy ologna mivolagna hoe: '' Manampinoagna ano, ary izaho managan'asa.'' Atoro zaho ny finogna tsisy asa, dia atoroko ano ny finoako amin'ny alalan'ny asako. 19 Ano dia mino fa raika ny Andriamanitra; tsara izegny atôno zegny.Fa na ire demonia aza mino izegny, ka dia magôrohoro zare. 20 Tianan-drè hofantatra ve, ry rahalahy adaladala, fa ny finoagna tsisy asa dia tsisy ilagna ananjy? [Fanamarihagna: ''Ny dikan-tey talôha asanany dia mamaky hoe: ''Tianan-dre hofantatra va, ry lelahy adaladala, hoe nagnino ny finoagna tsisy asa no maty''] 21 Tsy tamin'ny asa koa me nagnamarinagna an'i Abraham raintsika rehefa nanondro an'Iska zanagny lahy teo aminy alitara izy? 22 Hitano fa ny finoagna dia niasa niaraka taminan'ny asany, ary amin'ny asan'ny dia nivotra tanteraka ny finoagnany. 23 Dia tanteraka ny Sôratra Masigna izè mivolagna hoe: ''abrahama ninoan'Andriamnitra, ka nisaigna taminy fahamarinagna,'' ary izy nantsovigna hoe: sakaizan'Andriamanitra. 24 Hitanan-dré izô fa amin'ny asa hanamarinagna ny ologna, fa tsy amin'ny finogna ihany. 25 Karanjègny kôa, Rahaba mpivaro-tègna tsy nohamarinigna tamin'ny asa koa va izy, raha nandray irè fagnasana sy nagnondefa zaré tamin'ny lalagna afa? 26 Fa maty ny vatagna raha misaraka amin'ny fagnahy dia karanjègny koa ny finogna raha tsisy asa dia maty.