TOKO faha: 5

1 Avia, anaré zegny magnan-kariagna, mitomagnia sy migogogogoa nony iré fahoriagna tônga aminaré. 2 Ny hariagnanaré èfa io, ary ny fitafiagnanaré efa lanign-kalôlo. 3 Ny vôlamènanaré sy ny vôlafôtsinaré dia èfa rifesigny. Ny rifesigny dia ho vavôlombelogno hagnampanga anaré. Handôro nôfonaré karaha afo izégny. Hankajiagnanaré karaha ny hariagnanaré hagny amin'ny andro farany. 4 Igny, ny karaman-jaré mpiasa dia mitarègny-ny karama zegny nitananaré tsy ho anjaré zegny nampamôakatra ny Tsabonaré, ary iré fitaraignan'ny mpijinja èfa tônga agny an-tadigny ny Zagnahary. 5 Nihaigny tami'ny hariagna tatô ambôn-tany anaré ary nagnaram-pô tamin'ny tegnanaré. Natavezinaré ny fônaré ho an'ny andro famonoagna. 6 Nagnameloko sy namôno ny ôlo-marigny anaré. Tsy nanohitry anaré izy. 7 Kôa maharèta, ry ralahy, mandra-pavian'ny Tompo. igny, ny mpamboly mandigny ny vokatra sarobidy avy amin'ny tany. Mandigny amim-paharetagna anjegny izy, mandram-pazahoanian'jegny ny vôlohany sy ny fara-ôragna. Anaré, 8 fôgna koa, mahàreta. Hatanjaho ny fônaré satria èfa mariny ny fatongavan'ny Tompo. 9 Aza mifampitaregny, ry ralahy, mbo tsy ho tsaraigny anaré. igny ny mpitsara mijaridigny aké am-bavatamiagna. 10 Malaka ôhatra, ry ralahy, avy amin'ny fijalianagna sy faharètan'jaré mpaminagny, iré zegny nivôlagna tamin'ny agnaran'ny Tompo. 11 igny, atôntsika kara ny miadagna zaré zegny èfa niharitry. Èfa régninaré ny fiharètan'i Joba, ary fantanaré ny tanjognan'ny Tompo ny maha-feno fangorahagna sy famindram-pô Ananjy. 12 Fô agnambon'ny jiaby, ry ralahikô, aza magnaniany, na amin'ny lagnitry na amin'ny tany, na amin'ny fihainagna hafa. fo kosa, hôka ny vôlagnanaré hoe: "Ia" no "Ia" ary ny "Ahe" no "Ahe," mbo tsy hiditry amin'ny fitsaragna anaré. 13 Misy ôlogno mo aké aminaré mijaly amin'ny andraikitry sarotro? Ôka izy hivavaka. Misy ôlogno faly mo?Ôka izy hihira fideragan. 14 Misy marary mo eké antaintaingnanaré?Ôka izy hagnatso ny lôholon'ny fiangonagna, ary hôka zaré hivavaka ho ananjy.Ôka zarè hagnosotro mènaka ananjy amin'ny aganran'ny Tompo. 15 Ny fivavaha ny finoagna no hagnasitragna ny ôlogno marary, ary ny Tompo hanangagna ananjy, dia hagnambèla ananjy Andriamanitra. 16 Koa mifagnikia heloko anaré, ary mifampivavaha, mbo ho sitragna anaré. Ny vavaka atôn'ôlo-marigny dia tegna matanjaka amin'ny fatôny. 17 Elia dia lalahy mitôvy tamintsika fogna. Nivavaka mafy izy mbô tsy hilatsahan'ny ôragn'andro, ary tsy nilatsaka tamin'ny nandritry ny telo tôgno sy enim-bolagna zegny. 18 Avy take nivavaka koa Elia. Ny lagnitry dia nagnomia ôran-andro, ary ny tany nagnomia ny vokany. 19 Ry halahikô, izy koa misy aké aminaré miala amin'ny fahamarinagan, ary misy araiky mamerigny ananjy, 20 dia tokony ho fantan'io ôlogno io fô na izovy na izovy magnala ny mpanota araiky amin'ny lalagna-diso dia hamonjy ananjy amin'ny fahafatèsagna, ary agnarogna fahotagna maroboe.