Tôko faha 5

1 Nôho izégny ôko mbô ho mpangala tahaka an'Andriamanitra, karaha ny zanaka malala. 2 Ké mandihana amin'ny fitiavagna, karaha ny nitiavan'i Kristy atsika foagna koà sy nagnomezagny ny tegnany ho atsika, fanatitra manim-pofona sy sorogna ho an'Andriamanitra. 3 Fô tsy tôkony hisy na de koragna fijangajangagna na karazagna fahalotoagna na tsy fahonognan-tegna aza aké aminaré, fô tsy mendrika ny ôlo-masin'Andriamanitra iré. 4 Oka tsy hisy mamoafady, koragna adaladala, ary vazivazy tafahoàtra _ fô tsy mendrika ny jiaby amin'iré. Fô ndraiky tôkony hisy fankasitrahagna. 5 Fô afaka mahazo antoka ny aminjô anarè, fô tsy hisy mpijangajanga, maloto, na ny mpierigna _ izegny hoe, mpanompo sampy _ managna lova akô amin'ny fanjakan'i Kristy sy Andriamanitra. 6 Oka tsy hisy hamitaka anaré amin'ny teny foana, satrià noho iré raha iré de tônga amin'ny zanaky ny tsy fankatoavagna ny hatezeran'Andriamanitra. 7 Noho izegny, aza mikambagna aminanjy iré. 8 Fô maizigna anaré fahiny, fô zao anaré de fahazavagna akô amin'ny Tompo. Mandihana karaha ny zanaky ny mazava, 9 (fô ny vokatry ny fahazavagna de akô amin'ny fahatsaragna jiaby, fahitsiagna, sy fahamarignana). 10 Ké tadiava zay mahafinaritra ny Tompo. 11 Aza mikambagna amin'iré asa tsy mamokatry ny haizigna, fô ampiharihario kosa iré. 12 Fô mahamegnatra na de ny manognona iré raha atônjaré ré agny amin'ny miafigna aza. 13 Fô kôfa hazavain'ny fahazavagna ny raha araika, de lasa mibaribary. 14 Fô ny raha jiaby zay mibaribary de fahazavagna. Noho izégny de voalaza hoe: ''Mifohaza, anà mandry, ké mitsangàna amin'ny toeran'ny naty, de hamiratra aminà Kristy.'' 15 Mitandrema amin'ny fômba fianagna _ tsy karaha ny tsy hendry fô karaha ny hendry. 16 Ararôty ny fotoagna satrià zao andro zao de ratsy. 17 Noho izégny, aza midaladala, fô takary hoe ino no sitrapôn'ny Tompo. 18 Ké aza magnano mamon'ny divay, fô mitondra agny amin'ny fahasimban-toetra izegny. Fô ndraiky, ôka ho fenon'ny Fagnahy Masigna, 19 mifampizakà aminaré samy anaré amin'ny salamo sy fihiragna ary hiram-panahy, mihirà ké mikaloa amin'ny Tompo amin'ny fonaré jiaby. 20 Misaora mandrakariva amin'ny raha jiaby, amin'ny agnaran'i Jesosy Kristy Tompontsika ho an'Andriamanitra ilay Ray, 21 mifanolora tégna amim-pagnajagna ho an'i Kristy. 22 Ry viavy, magneke ny vadinaré, karaha ny amin'ny Tompo. 23 Fô ny lalahy no lôhan'ny viavy karaha an'i Kristy kôa lôhan'ny fiangonagna, ké Kristy tegnany no mpamonjy. 24 Fô karaha ny hagniken'ny fiangonagna an'i Kristy, de karaha izegny kôa no tôkony hagneken'ny viavy ny vadiny amin'ny raha jiaby. 25 Ry lalahy, tiava ny vadinaré, karaha ny tiavan'i Kristy ny fiangonagna sy nagnomezany ananjy ny agnany. 26 Nanolotra ny tegnany ho an'ny fiangonagna Kristy mbô afahany magnamasigna ananjy, tamin'ny fahadiovagna ananjy tamin'ny rano fanasagna amin'ny teny, 27 mbô afahany mampiseho ananjy ho be voninahitra aké aminanjy, tsy misy pentigna na kentrogna na raha karanjegny, fô masina sady tsisy diso. 28 Karanjegny foagna kôa ny lalahy de tôkony ho tià ny vadin-jaré ré avy karaha ny tegnan-jaré ré. Izy zay tià ny vadiny de tià ny tegnany foagna kôa. 29 Tsy mbôla nisy nankahala ny tegnany, fô mamahagna sy mikarakara izégny tsara, karaha an'i Kristy mamahagna ny fiangonagna sy mikararaka ananjy foagna kôa, 30 satrià atsika de ratsam-batany. 31 Noho izegny antony izegny ny lalahy de handao ny babany ndraiky mamany ké hikambagna amin'ny vadiny, ké izy aroy de ho tônga nofo raika foagna.'' 32 Lehibe izegny fahamarignana mivony izegny _ fô zaho de mikoragna momban'i Kristy sy ny fiangonagna. 33 Kanefa, ny tsiraikaraika aminaré foagna kôa de tôkony ho tià ny vadiny avy karaha ny tegnany, ké ny viavy de tôkony hagnaja ny vadiny.