Tôko faha 6

1 Ry zanaka, magnike ny ray aman-dreninaré akô amin'ny Tompo, satrià manjary izegny. 2 ''Hajao ny rainà ndraiky mamanà'' (izegny no didy voalôhany misy fampanantignana), 3 ''mbô hahita soa anà ké mbô ho lava andro anà aketo ambônin'ny tany.'' 4 Anaré ray, aza mitôndra ny zanakaré ho amin'ny fahatizeragna. Fô ndraiky, tezao amin'ny fitsipika sy iré fampianaran'ny Tompo zaré ré. 5 Ry mpanompo, mankatoava ny tomponaré atô an-tany amin'ny haja ambôny sy fangovitagna, amin'ny fahatsoran'ny fônaré. 6 Mankatoava ananjy iré karaha ny hankatoavanaré an'i Kristy. Mankatoava tsy aké imason'ny tomponaré foagna mbô hankasitrahan-jaré ré. Fô ndraika, mankatoava karaha ny mapanompon'i Kristy, zay magnano ny sitrak'Andriamanitra amin'ny fônaré jiaby. 7 Manompoa amin'ny fônaré jiaby, karaha ny hoe manompo ny Tompo anaré fô tsy ôlogna, 8 satrià haintsika fô na ino na ino asa tsara atôn'ny ôlogna tsiraikaraika, de handray valim-pitia avy amin'ny Tompo izy, na andevo izy na ôlon'afaka. 9 Anaré Tompo, magnanôva karaha iré raha iré foagna kôa amin'ny mpanomponaré. Aza mampiôrohôro ananjy iré. Fantatraré fô Izy zay sady Tomponaré no Tomponjaré ré de agny an-dagnitra ary tsisy fiangarana akô Aminanjy. 10 Farany, mahereza akô amin'ny Tompo sy amin'ny tanjakin'ny heriny. 11 Itafiao ny fiadian'Andriamanitra jiaby, mbô afahanaré mijoro manohitra iré tetiky ny devoly. 12 Fô ny adintsika de tsy manohitra ny nofo sy ny rà. Fô ndraika, manohitra ny fanjakagna sy ny fahefagna ara-panahy sy iré mpanapaky ny fanjakan'ny fahamaizignan-dratsy, manohitra iré fanahy ratsy agny amin'ny fitoeran-dagnitra. 13 Noho izegny itafio ny fiadagnan'Andriamanitra jiaby, mbô ahafahanaré mijoro aminjô andron'ny ratsy zao, ary kôfa vitanaré ny raha jiaby, de hahatohitra ianaré. 14 Mijoroà, noho izagny, kôfa avy nagnano ny fehikibon'ny fahamarinagna sy ny fiarovan-tratran'ny fahitsiagna anaré. 15 Ké karaha ny kiraro ho an'ny tongotraré, de hapitaho ny fahavononagna hitory ny filazantsaran'ny fihavanagna. 16 Amin'ny toe-javatra jiaby de raiso ny ampingan'ny finoagna, zay afahanaré manohitra iré zana-tsipika mirehitr'afon'ilay ratsy. 17 Ké raiso ny aro-lôhan'ny famonjegna sy ny sabatry ny fanahy, zay tenin'Andriamanitra. 18 Amin'ny vavaka sy fangatahana jiaby, de mivavaha amin'ny fanahy amin'ny fotoagna jiaby. amin'izegny fômba fisainagna izegny, de miambena hatragny amin'ny faharetagna jiaby, kô manolotra vavaka ho an'ire ôlomasign'Andriamanitra ianaré. 19 Ké mivavaha ho anahy, mbô hisy hafatra hamiagna anahy kôfa manôkatra ny vavako zaho. Mivavaha mbô afahako mampahafantatra amin'ny fahasahiagna ny fahamarinagna mivony mômban'ny filazantsara. 20 Ho an'ny filazantsara no maha-ambasadaoro voafatotra amin'ny gadra anahy, mbô afahako magnambara izegny am-pahasahiagna, kô tsy maintsy hikoragna zaho. 21 Tikiko lay rahalahy malala sy mpanompo mahatoky akô amin'ny Tompo, no hampahafantatra anaré ny raha jiaby, mbô hahalalanaré zay ataoko. 22 Nasaiko taminaré izy noho io tanjona io indrindra, mbô hahafantaranaré iré raha mômba anay, ké mbô afahany mampahery ny fônaré. 23 Fiadanagna ho aminaré rahalahy, ary ny fitiavana miaraka amin'ny finoagna avy amin'Andriamanitra Ray sy ny Tompo Jesosy Kristy. 24 Ny fahasoavagna ane ho amin'izay jiaby tià an'i Jesosy Kristy Tompontsika amin'ny fitiavana tsy maty mandrakizay.