Tôko faha 3

1 Noho izégny, zaho Paoly, de gadran'i Kristy Jesosy ho anaré Jentilisa. 2 Ataoko fô naharegny ny fitantanagna ny fahasoavan'Andriamanitra zay namiagna anahy ho anaré anaré. 3 Manôratra karaha ny fagnambarana nampahafantarigna anahy zaho. Izégny no marigna mivony mômba izay nosoratako fohifohika taminaré. 4 Kôfa mamaky zégny anré, de ho afaka ny hahazo ny fômba fahazoàko izégny marigna mivony mômban'i Kristy izégny. 5 Tamin'irè taranaka hafa de tsy natao fantatry ny zanak'ôlombelogno izégny marigna izegny. Fô avaizo ndraiky izégny de nambara tamin'ny alalan'ny fagnahy tamin'iré Apostoly sy iré mpaminany zay voatôkana ho amin'itô asa itô. 6 Izégny marigna mivony izégny de mivôlagna fô irè Jentilisa de mpiara-mandôva, sy mpiara miombogna amin'ny vatagna, ary mizara ny fampanantignàna akô amin'i Kristy Jesosy amin'ny alalan'ny filazantsara zaré ré. 7 Fô lasa mpanompon'izégny filazantsara izegny zaho tamin'ny fahasoavan'Andriamanitra namiagna anahy tamin'ny alalan'ny fiasan'ny heriny. 8 Namiàn'Andriamanitra anahy izégny fanomezagna izégny, na de zaho aza no farany hely indrindra amin'iré ôlo-masin'Andriamanitra. Izegny anomezagna izégny de ny mbô hitoriako amin'iré Jentilisa ny filazantsaran'ny herin'i Kristy sarotro katsahina. 9 Ny fanomezam-pahasoavan'Andriamanitra ho anahy de ny hitôndra fagnazavana amin'ny ôlo-jiaby ny fandaharan'Andriamanitra, io fandaharana io de navonin'Andriamanitra, lay nahavoaray ny raha jiaby, nandry ny taogno maro talôha. 10 Nampahafantarigna tamin'ny fiangonana izégny fandaharagna izegny mbô hahatônga iré mpanapaka sy iré magnam-pahifagna agny an-dagnitry hahafantatra ny toeragna maron'ny fahendren'Andriamanitra. 11 Niseho karaha ny fandaharagna mandrakizay zay tantérany takô amin'i Kristy Jesosy Tompontsika izegny. 12 Fô akô amin'i Kristy no ananantsika fahasahiàgna sy lalana am-pahatokiagna nohon'ny finoantsika Ananjy. 13 Noho izégny miangavy anré zaho mbô tsy ho kivy nohon'ny fijaliako ho anaré zay voninahitraré. 14 Noho izégny de mandohalika aké agnatrehan'ny Ray zaho, 15 zay nagnamià anaragna ny fianakaviagna jiaby agny an-danitry sy aké an-tany. 16 Mivavaka zaho mbô hagnamiazagny anaré, karaha ny hariagnan'ny voninahitrany, mbô hatanjaka amin-kery amin'ny alalan'ny fanahy Masina, zay akô aminaré. 17 Mivavaka zaho mbô hitoetra akô am-pônaré amin'ny finoagna Kristy, mbô hifôtotro sy hiorigna akô amin'ny fitiavagny anaré. 18 Hahazo hery ane anaré kè ho afa-mahatakatra, miaraka amin'iré mpino jiaby, ny sakany, ny handavany, ny hambôsany, ary ny halalignany, 19 ké mbô hafantatra ny fitiavan'i Kristy, zay miàtra ny fahalalagna jiaby, ké mbô ho fenon'ny fahafinoàn'Andriamanitra jiaby anaré. 20 Ké ho Ananjy zay mahavita magnano mihoàtra zay jiaby angatahintsika na eritreretintsika, araka ny hery zay miasa, akô agnatintsika, 21 ho Ananjy ny voninahitra akô amin'ny fiangonagna ary akô amin'i Kristy Jesosy hatramin'ny taranaka jiaby mandrakizay dorià. Amena.