Tôko faha 2

1 Ké ny mômba anaré, de maty takô anatin'ny fadisoanaré sy ny fahotanaré anaré. 2 Takô amin'iregny fahadisoagna iregny no niainanaré talôha karaha ny fômban'izao tontôlo izao. Niaigny karaha ny mpanapaka iré fahifagna egny amin'ny rivotro anaré, ilay fagnahy izay miasa akô aminaré zanaky ny tsy fankatovagna. 3 Niaigny také amin'iregny ôlogno iregny koà antsika talôha, nanatantéraka iré filan-dratsin'ny nôfontsika, ké nanatatéraka ny fagnirian'ny nôfo sy ny saigna. Efa voahary ho zanaky ny fahatezeragna, karaha ny zanak'ôlombelogno sisa antsika. 4 Saingy manan-karegna famindram-po Andriamanitra noho ilay fitiavagny lehibe izay nitiavany antsika. 5 Tamintsika mbôla maty takô anatin'ny fahadisoagna, de novelominy niaraka tamin'i Kristy_tamin'ny fahasoavagna no namonjegna anaré. 6 Niara-natsangan'Andriamanitra antsika, ké niara-napetragny takô an-dagnitra akô amin'i Kristy Jesosy, 7 mbô afahagny mampiseho antsika amin'ny vanim-potoagna ho avy ny havintesan'ny hariagnan'ny fahasovany izay tsy azo refesigna amboakany amin'ny hatsaram-pagnahiny amintsika akô amin'i Kristy Jesosy. 8 Fô tamin'ny fahasoavagna no namonjegna anaré tamin'ny alalan'ny finoagna, ké tsy avy aminaré izégny, fô fagnomezan'Andriamanitra. 9 Tsy avy amin'ny asa ny fahasoavagna mbô tsy hisy hirehareha. 10 Fô asan'Andriamanitra antsika, noforonina takô amin'i Kristy Jesosy mbô hagnano asa izay fandaharan'Andriamanitra efa éla ho antsika, mbô handehanantsika akô aminjaré. 11 Noho izegny tadidio fô Jentilisa takô amin'ny nôfo anaré talôha. Anaré de antsovina hoe ''voafôra'' akô amin'ny nôfo nataon'ny tanan'ôlombelogno. 12 Satrià mbôla tafasaraka tamin'i Kristy anaré tamin'izegny fotogna izegny. Mpivahiny anaré také amin'ny vahôkan'ny Israely. Ké vahiny tamin'ny fampagnantenana ianareo. Tsy mbola nanana fanantegnana ny amin'ny ho avy ianareo. Ké tsy niaraka tamin'Andriamanitra ianareo také amin'izô tontolo izô. 13 Fô avaizo akô amin'i Kristy Jesosy anaré zay lavitra an'Andriamanitra talôha de napanakékézina tamin'ny ràn'i Kristy. 14 Satrià Izy no fihavanantsika. Izy no nahatônga ny aroa ho raika. Tamin'ny nôfony no nandrodanagny ny rindrin'ny fanoheragna zay nampizarazara antsika. 15 Zégny hoe, nofoanagny ny lalàn'ny didy sy ny fitsipika mbô hagnanôvagny ôlom-bôvô raika akô Aminanjy, sy mbô hagnanôvagna fampiavanagna. 16 Kristy de nampiavagna ny fôkon'ôlo aroa tonta ho vatagna raika amin'Andriamanitra amin'ny alalan'ny kakazofijaliagna, ké namôno ny fagnoheragna. 17 Fô tônga Jesosy ké nitory fihavanagna ho anaré zay lavitry ary fihavanagna ho an'iré zay marigny. 18 Fô amin'ny alalan'i Jesosy no hanagnantsika roa tonta fifandraisagna amin'ny Fagnahy raika makagny amin'ny Ray. 19 Noho izégny, tsy vahiny sy mpivahiny itsony anarè Jentilisa amin-jô. Fô vô maika aza mpiray firenegna miaraka amin'iré zay ôlo-masin'Andriamanitra. 20 Efa namboarigna také amin'ny fôtotro fagnorenan'iré apostoly sy iré mpaminany anaré, ké Kristy Jesosy mihintsy no vato fehizoro. 21 Akô Aminanjy no hitambaran'ny fagnorenagna jiaby ké hitomboàny karaha ny tempoly akô amin'ny Tompo. 22 Akô Aminanjy foagna no hananganagna anaré miaraka ho fitoheragna ho an'Andriamanitra akô amin'ny Fagnahy.