Tôko faha 5

1 Aza mibedy ny anti-dahy. Fô ndraiky, anaro karaha ny ray izy. Anaro karaha ny rahalahy iré lalahy tanôra. 2 Anaro karaha ny reny irè vavi-antitra, kè iré viavy tanôra karaha ny anabavy akô amin'ny fahadiôvagna jiaby. 3 Magnajà iré mpitôndrategna, iré tegna mpitôndrategna. 4 Fô kôfa manan-janaka na zafihely ny mpitôndrategna araiky, de avelà zarè ré alôha hianatra haneho fagnajagna akô amin'ny tôkantragnony. Ôka zaré ré hamaly babegna iré ray aman-dregniny, satrià ankasitrahan'Andriamanitra izégny. 5 Fô ny tegna mpitôndrategna de navela ho irery. Mametraka ny fitokiany amin'Andriamanitra izy. Mipetraka hatragny amin'iré fangatahagna sy vavaka andro amagn'aligna. 6 Na izégny aza, ny viavy zay miaigna ho an'ny fahafinaretagna de naty, na de mbôla velogno aza izy. 7 Torio izégny raha izégny mbô tsy anagnanjaré ré tsigny. 8 Fô kôfa misy ôlogno tsy nagnamia ho an'iré havany akaiky, indrindra ho an'iré zay akô amin''ny ankohonanay, de nandà ny finoagna izy ké ratsy lavitra noho ny tsy mpino. 9 Ôka hosoratagna ho mpitondrategna ny viavy zay tsy latsaky ny enimpôlo taogna, viavy araiky zay vadin'ny lalahy araiky. 10 Tôkony ho fantatra noho iré asa tsara izy, na nikarakara iré ankizy, na foagna koà nampiantragno iré mpivahiny, na nanasa ny tôngotr'iré mpino, na nagnamaivagna ny ory, na nanôlo-tegna tamin'ny asa tsara jiaby. 11 Fô ho an'iré mpitondrategna mbôla tanôra ndraiky, de aza manaiky ny hanôratra ananjy iré akô agnaty lisitra. Fô rehefa milavo-lefogna amin'ny filan'ny nôfo hanohitra an'i Kristy zaré ré, de te-hanambady. 12 Amin'izégny zaré ré de hahazo fagnamelohagna satrià namadika ny fagnoloran-tegna voàlôhany. 13 Ké de lasa raha malaigna koà zaré ré. Mandehandeha mitety tragno. Tsy hoe lasa malaigna fotsiny foagna zaré ré, fô lasa mpifôsa sy mpila ady foagna koà. Mivôlagna raha zay tsy tôkony ho volagnina zarè ré. 14 Noho izégny de tiako hanambady iré viavy mbôla tanôra, hiteraka, hikarakara tôkantragno, mbô tsy ahafahany magnamia irika ny fahavalo hiampanga anay ho anà ratsy. 15 Fô ny sanany efa nivily sahady hagnaraka an'i Satana. 16 Kôfa misy viavy mino managna mpitôndrategna, ôka izy hagnampy ananjy iré, mbô tsy hagnavesatra ny fiangonagna, mbô hahafahany magnampy irè tegna mpitôndrategna marigna. 17 Ôka irè lohôlogno zay manapaka tsara mbô ho raisigna ho mendri-bôninahitra ambo roy heny, indrindra iré zay miasa miaraka amin'ny koragna sy amin'ny fampianaragna. 18 Fô ahozy ny Sôratra Masigna hoe: ''Tsy tôkony hagnisy fehiny ny vavan'ny ômby anaré kôfa mbôla mively voa izy.'' ké koà: ''Ny mpiasa de mendrika ny karamany.'' 19 Aza mandray fiampangagna manôhitra ny lohôlogno araiky kôfa tsisy vavôlombelogno roy na telo. 20 Ahitsio aké agnatrehan'ny jiaby iré mpanôta mbô hatahotra ny ambiny hafa. 21 Mandidy anà mafy zaho aké agnatrehan'Andriamanitra sy aké agnatrehan'i Kristy Jesosy ké iré anjely voàfidy, mbô hihazognanà iré didy iré tsisy fitsaratsaragna ké mbô tsy hanaôvanà na ino na ino amin'ny fiandaniagna. 22 Aza maimaika mametra-tanagna aminjôvy na zôvy. Aza miray akô amin'ny fahotan'ny ôlon-kafa. Tôkony hihazogna ny tegnanà hadio anà. 23 Tôkony tsy hisôtro rano intsony anà. Fô ndraiky, tôkony handray divay hely anà ho an'ny vavôny sy iré aretinà mateti-pitranga. 24 Ny fahotan'iré ôlogno sanany de fantatra miharihary, ké zaré ré de mandeha alôhan'iré akô amin'ny fitsaragna. Fô ny ota sanany magnaraka avy atô afara. 25 Karaha izégny foagna koà, misy asa tsara fantatra miharihary, saingy iré sanany aza de tsy azo afenina.