Tôko faha 4

1 Avaizo mivolagna mazava tsara ny Fanahy fô amin'ny fotoagna agny afara agny de hiala amin'ny finoagna ny ôlongno sanany ké mitandrema tsara ny amin'iré fanahy mpamitaka sy iré fampianaran'iré demonia 2 amin'ny fihatsarambelatsihin'ny mpandainga. Fô voàmarika amin'ny vy mamay ny feon'ny fieritreretanjaré ré. 3 Ho rarànjaré ré ny manambady ndraiky mandray iré hanigna zay noforonin'Andriamanitra ho zaraigna miaraka amin'ny fisaoragna aké amin'iré zay mino sy zay mahafantatra ny marigna. 4 Fô ny raha jiaby zay noforognin'Andriamanitra de tsara. Tsisy holavigna ny raha noraisintsika tamim-pisaoragna. 5 Fô nohamasinigna tamin'ny koragnan'Andriamanitra ndraiky vavaka izégny. 6 Kôfa apetrakaré aké agnoloan'iré rahalahy iré raha iré, de ho mpanompo tsaran'i Jesosy Kristy anaré. Fô notazaigna tamin'iré koragnan'ny finoagna ny tamin'ny fampianaragna tsara zay narahinaré anaré. 7 Fô lavo ny angano tantarain'ny viavy antitra. Fô ndraiky, tariho hagnamia vôninahitra an'Andriamanitra ny tegnanaré. 8 Fô ny vatagna hofanigna de hely foagna no azo ampiasaigna ananjy, nefa fampiasa amin'ny raha jiaby ny toetra araka an'Andriamanitra. Mihazogna ny fampanantinagna amin'itô fiainagna avaizo itô ndraiky fiainan-ko avy. 9 Itô hafatra itô de mendri-pitokisagna sy mendrika ny fahafenoan'ny fagnekegna. 10 Fô noho izégny de hitôlogna sy hiasa mafy atsika. Fô mahatoky akô amin'Andriamanitra velogno atsika, zay Mpamonjy ny ôlogno jiaby indrindra iré zay mino. 11 Koragno sy ampianaro iré raha iré. 12 Ôka tsy hisy ôlogno hagnano tsinontsinogna ny fahatanoranà. Fô ndraiky, ôka ho ôhatra ho an'iré zay mino, amin'ny fivôlagna, fitondran-tegna, fitiavagna, finoagna, ké fahadiovagna. 13 Mandra-pihaviko, tohizo ny famakiagna, ny fagnanaragna, ndraiky fampianaragna. 14 Aza atô tsinontsinogna ny fagnomezam-pahasoavagna zay akô aminà, zay namiagna anà tamin'ny alalan'ny faminaniagna, niaraka tamin'ny fametrahan-tagnan'iré lohologna. 15 Tandrovy iregny raha iregny. Meteza ho akô aminjaré ré, mbô hiharihary amin'ny ôlogno jiaby ny fandrosoanà. 16 Tandremo tsara ny tegnanà ndraiky fampianaranà. Tohizo iregny raha iregny. Fô kôfa magnano karaha izégny, de ho vonjenà ny tegnanà sy iré zay mihaino anà.