Tôko faha 6

1 Ôka iré raha zay akô ambanin'ny zioga karaha iré andevo mbô hagnano ny tômpony ho mendrika ny haja jiaby. Izy iré de tôkony hagnano izégny mbô tsy hivolanagna ratsy ny agnaran'Andriamanitra ndraiky fampianaragna. 2 Iré andevo zay managna tompo mino de tsy tôkony hagnano tsinontsinogna ananjy iré satrià mpirahalahy aminanjy. Fô ndraiky, zaré ré de tôkony hanômpo iré hatragny hatragny. Fô iré tompo zay nampiagna tamin'ny asanjaré ré de mpino sady tiavigna. Ampianaro ké ambarà iré raha iré. 3 Hevero fô ny ôlogno de mampianatra amin'ny fômba hafa kè tsy manaiky ny fanoroantsika ara-pinoàgna, zay, koragnin'i Jesosy Kristy Tompontsika. Hevero fô zaré ré de tsy manaiky ny fampianaragna zay mitôndra agny amin'ny toetra araka an'Andriamanitra. 4 Izégny ôlogno izégny de mirehareha ké tsy mahalala na ino na ino. Fô ndraiky, izy de adalan'iré adihevitra sy iré fandresen-dahatra momba iré koragna. Iregny koragna iregny de miteraka fialonagna, fagnevatevagna, ahiahy ratsy, 5 kè ny fifandonagna aké amin'ire ôlogno maloto fisaignagna. Mialà amin'ny marigna zaré ré. Mihevitra izy fô ny toetra araka an'Andriamanitra no fômba ahatongavagna ho mpanan-kariagna. [Fagnamarihagna: Ny fandikagna talôha sanany de magnampy hoe: ''Mialà amin'ny raha karaha izégny''. Fô ny fandikagna talôha tsara indrindra de tsy magnampy izégny.] 6 Ké ny toetra araka an'Andriamanitra miaraka amin'ny fahafaham-pô de tombony maventy. 7 Satrià atsika de tsy nitôndra na ino na ino amin'izô tontôlo izô. Tsy hahavita hitôndra na ino na ino atsika. 8 Fô ndraiky, ôka atsika ho afa-pô amin'ny hanigna ndraiky fitafiagna. 9 Ké iré zay te ho lasa mpanan-kariagna de latsaka akô agnatin'ny fakam-pagnahy, akô agnatin'ny fandrika. Latsaka takô agnatin'ny hadalagna sy iré filàgna mampidi-dôza maro zaré ré, ké foagna koà iré hafa mandetika iré ôlogno akô amin'ny faharavagna ndraiky fandriganagna. 10 Satrià fôtotr'iré karazan-dratsy jiaby ny fitiavam-bôla. Ny ôlogno sanany zay magniry izégny de efa vôvily niala tamin'ny finoagna kè nagnindroa ny tegnanjaré ré tamin'ny fahoriagna maventy. 11 Fô anà, ry lalahin'Andriamanitra, mandosira iré raha iré. Miezaha mitady ny fahamarinagna, ny toetra araka an'Andriamanitra, ny fahatokisagna, ny fitiavagna, ny faharetagna ké ny hatsaram-pagnahy. 12 Miadia ny ady tsaran'ny finoagna. Hazogny ny fiainagna mandrakizay fô ho amin'izégny no niantsoagna anà. Izégny de momba ny nijoronà vavôlombelogno ny amin'izay inoanà také agnatrehan'irè vavôlombelogna maro tamin'izay tsara. 13 Zaho de magnamia anà izégny didy izégny aketo agnoloan'Andriamanitra, zay nahatônga ny raha jiaby ho velogno, iré aké agnatrehan'i Kristy Jesosy, zay nivôlagna ny marigna také agnatrehan'i Pontio Pilato: 14 Tehirizo tsara ny didy, tsy manan-tsigny, mandra-pisehon'ny Tompontsika Jesosy Kristy. 15 Andriamanitra de maneho ny fisehoany amin'ny fotoàgna tôkony ho izy_Andriamanitra, lay araiky zay notahiagna, lay hery tôkagna, lay Mpanjaka zay manjaka, ké lay Tompo zay manapaka. 16 Izy irery foagna no managna ny tsy fahafatesagna ké mitoetra aké amin'ny hazavagna tsy azo hagnatôgnagna. Tsisy ôlombelogno mahita ananjy na afaka mijery Ananjy. Ho ananjy anie ny vôninahitra ndraiky hery mandrakizay. Amena. 17 Volagno ny mpanan-karigna amin'izô tontôlo izô mbô tsy hirehareha, sy manantegna ny haregna, zay tsy azo antoka. Fô ndraiky, tôkony hagnantegna an'Andriamanitra zaré ré. Magnamia antsika ny hariagna marigna jiaby Izy mbô hifaliantsika. 18 Volagno zaré ré mbô hagnano ny tsara, mbô hanan-kariagna amin'ny asa tsara, mbô alala-tagnagna, ké vônogno hizara. 19 Amin'izégny fômba izégny, de ho tehirizinjaré ré ny fototra tsara ho an'ny tagnany amin'izay ho avy, ké hihazognany ny tegna fiaignagna. 20 Ry Timoty, arovy zay natôlotra anà. Hiala ny koaragna adala ndraiky fandresen-dahatra mifanohitra momba ny fiantsoagna diso ny amin'izay atô hoe fahalalagna. 21 Ny ôlogno sanany de magnambara izégny raha izégny ké de tsy nahatsiaro ny finoagna zaré ré. Ho aminaré anie ny fahasoavagna.