Toko faha 5

1 Nony zany aoka mba ho mpangala tahaka an'Andriamanitra, kara ny zanaka malala. 2 Sady mandihana amin'ny fitiavana, kara ny nitiavan'i Kristy antsena my koa de nagnomezany ny tegnany ho atsena, fagnatitra magni-pofogna sy sorogna ho an'Andriamanitra. 3 Ka tsy tokony hisy na de korana fampirafesana na karazagna fahalotoana na tsy fahalalana ny ampy aza eo aminareo, fa tsy mendrika ny olo-masina iregny. 4 Aoka tsy hisy mamoafady, korana afokafokana, ary boso tafahôtra _ fa tsy mendrika ny olona maro be amin'iregny. Fa koja tokony hisy fankasitrahana. 5 Ka afaka mahazo antoka ny amin'zany anareo, ka tsy hisy mpampirafy, maloto, na ny mpierina _ zany hoe, mpanompo sampy _ managna lova amin'ny fanjakan'i Kristy sy Andriamanitra. 6 Mitandrema mba tsy hisy hamitaka anareo amin'ny teny fitaka, satria nony amin'zany raha zany de tonga amin'ny zanaky ny tsy fankatoavana ny havigniran'Andriamanitra. 7 Nony zany, aza miaraka amin'izy iregny. 8 Fa tamin'ny mizigna anareo taloha, fa amin'zao anareo de fahazavana ao amin'ny Tompo. Mandihana kara ny zanaky ny mazava, 9 (fa ny vokatry ny fahazavana de ao amin'ny fahatsarana maro be, fahitsina, sy fahamarinana). 10 Sady amboary ndreny mahafaly ny Tompo. 11 Aza mitambatra amin'iregny asa tsy mamokatra ny haizigna, fa abaribario koja zany. 12 Fa mampamegnatra na de ny mizaka an'iregny raha amboarin'iary zareo agny amin'ny takona aza. 13 Fa ndreka hazavain'ny fahazavana ny raha raika, de manjary mibaribary. 14 Ka ny raha maro be zay mibaribary de fahazavana. Nony zany de voazaka hoe: "Mifohaza, anao zay mandry, sady mitsangàna amin'ny plasin'ny maty, de hampazava anao Kristy." 15 Mitandrema amin'ny fomba fiaignanao _ tsy kara ny foka fa kara ny kanty. 16 Ararôty ny fotôna satria zao andro zao de ratsy. 17 Nony zany, aza misarifoka, fa diniho hoe ino ny sitrapon'ny Tompo. 18 Sady aza magnano mamona divaigna, fa mitondra agny amin'ny faharatsian-toetra zany. Fa koja, aoka ho fenon'ny Fanahy Masina, 19 mifampikorana aminareo samy anareo amin'ny salamo sy fihirana ary hiram-panahy, mihirà sady mikaloa amin'ny Tompo amin'ny fonareo maro 20 be. Misaora fehizay amin'ny raha maro be, amin'ny agnaran'ny Jesôsy Kristy Tompontsena ho an'Andriamanitra Ray, 21 mifalonora tegna amim-pagnajana ho an'i Kristy. 22 Anareo viavy, magneke ny vadinareo, kara ny amin'ny Tompo. 23 Fa ny lilahy no lohan'ny vavy kara ny Kristy koa lohan'ny fiangonana, ary Kristy tegnany no mpamonjy. 24 Fa kara ny hagneken'ny fiangonana an'i Kristy, de ôtrany zany koa no tokony hagneken'ny viavy amin'ny raha maro be. 25 Anareo lilahy, tiavo ny vadinareo, kara ny nitiavan'i Kristy ny fiangonana sy nagnomezany an'azy ny aigny. 26 Nanolotra ny tegnany ho an'ny fiangonana Kristy mba afahany magnamasina an'azy, tamin'ny fagnadiovana an'azy tamin'ny rano fanasana amin'ny teny, 27 mba afahany mampiseho an'azy ho be voninahitra eo amin'azy, tsisy tasy na kentrogna na raha kara an'zany, fa masina sady tsisy diso. 28 Kara an'zany my koa ny lilahy de tokony ho tia ny vadin'iary zareo aby kara ny tegnan'iary zareo. Izy zay tia ny vadiny de tia ny tegnany my koa. 29 Tsy mbola nisy nankahala ny tegnany, fa mamahana sy mikarakara N'zany tsara, kara an'i Kristy mamahana ny fiangonana sy mikarakara an'azy my koa, 30 satria atsena de ratsam-batagny. 31 Nony zany antony zany ny lilahy de hiala ny ray aman-dreniny ka hiaraka amin'ny vadiny, ary izy roy de ho tonga vatagna raika my." 32 Leibe zany fahamarinana tsy hita zany _ fa Zaho de mikorana momban'i Kristy sy ny fiangonana. 33 Kanefa, ny tsiraidraika aminareo my koa de tokony ho tia ny vadiny aby kara ny tegnany, ary ny viavy de tokony hagnaja ny vadiny.