Toko faha 4

1 Noho izany, amin'ny maha gadran'ny Tompo anaha, de mandrisika anareo mba handeha tsara amin'ny antso nagnangizana anareo. 2 Mandrisika anareo koa aho mba hanagna fanetren-tegna goavana sy fahatsorana de faharetana, mifandefera amin'ny fitiavana. 3 Amboary ndregny fara-herinareo mba hitanana tsara ny firaisan'ny Fanahy amin'ny fatotran'ny fihavanana. 4 Raika my ny vatagna de raika my koa ny Fanahy, kara ny nagnangizana anareo tamin'ny fanantenanan'ny fagnangizana anareo my koa. 5 De raika koa ny Tompo, raika ny finoana, raika ny batisa, 6 sady raika my koa Andriamanitra sy ny Aban'ny marobe, zay ambonin'ny raha marobe sady ao amin'ny raha marobe. 7 Antsena marobe de samby nomena fahasoavana araka ny hamarozan'ny fagnomezan'i Kristy. 8 Araka ny raha nizakain'ny Soratra Masina hoe :" Ndreka niakatra tambonibe Izy, de nitondra ny babo ho amin'ny fahababoana, sady nanolotra fagnomezana ho an'ny olona marobe Izy." 9 Ino ny hevitry ny hoe :"NIakatra Izy" raha tsy hoe nandrorogna tagny amin'ny faritra ambanin'ny my koa Izy? 10 Izy my Ilay nandrorogna de ilay olona niakatra ambony tagny an-danitra, mba afahany mameno ny raha marobe. 11 Kristy de nagnome an'ny sasagny ho apostôly, ny sasagny ho mpaminany, ny sasagny ho evanjelista, de ny sasagny ho pasitera sy mpampianatra. 12 Nagnome an'io asa io Izy mba hagnampena an'ny olona masina an'Azy ho amin'ny asa fanompoana, amin'ny fanorenana ny vatagnan'i Kristy. 13 Manohy ny fanorenana ny vatagny Izy mandra-patratrarantsena marobe ny firaisam-pinoana mban'ny fahafantarana ny Zanak'Andriamanitra, sady mba hahatonga antsena ho matotra ka mba hahatratra ny hamaroan'ny fahafenoan'i Kristy. 14 Manorina antsena Kristy mba tsy ho kara zazabitaka atopatopakan'ny onja koa antsena, sady tsy handaon'ny rivotran'ny fampenarana mban'ny hafetsen'ny olona amin'ny tetika feno fitaka. 15 Fa antsena koza, de amin'ny filazana ny fahamarinana amin'ny fitiavana, de tokony hitombo amin'ny fomba marobe amin'Azy lohany, izany hoe, Kristy. 16 Kristy de manangana ny vatagna marobe, sady nakambatra tamin'ny fitohizana, ka ndreka miaraka miasa azareo, de mahatonga ny vatagna hitombo mba hampiorona ny tegnany amin'ny fitiavana. 17 Noho izany, de zakaiko tsara sady sindriko mafy amin'ny Tompo ny mikasika an'izany, mba tsy hiaignanareo kara ny fiaignan'ny jentilisa koa, amin'ny fahafoagnan'ny fisaignan'iary zareo. 18 Fa ny fahafantaran'iary zareo de mizigna, sady tafasaraka tamin'ny fiaignan'Andriamanitra noho ny tsy fahafantaran'iary zareo, de noho ny famafisam-pondreo koa. 19 Tsy mahalala megnatra sady nanolo-tegna ho amin'ny filan'ny nofo iary zareo, ka de manohy fôgna ny fagnamboarana ny karazan-dratsy marobe io. 20 Fa tsy mba karan'izany ny fomba nianaranareo ny mikasikan'i Kristy. 21 Inoako fa naregny ny mikasika an'Azy anareo, sady nampianarina tamin'Azy, satria ny fahamarinana de ao amin'i Jesôsy. 22 Nampenarina anareo mba hagnary ny fomba fiaignanareo taloha, mban'ny toetra taloha. De ny toetra taloha zay niraten'ny fitaky ny filany. 23 Nampenarina anareo mba hiatsara ao amin'ny fagnain'ny saignanareo, 24 sady hagnatao ny maha olom-baovao zay namboarina araka ny endrik'Andriamanitra amin'ny tena fahamarinana sy ny fahamasinana. 25 Noho izany, de engay ny afetsy, de ny tsirai-draika aminareo mba hizaka ny marina amin'ny akamany aby, satria samy agnisany rantsagnan'iary zareo marobe antsena. 26 Mivignira fa aza manota. De aza avela ho tratry ny masoandro mody ny havigniranareo. 27 Sady aza magname lalana ho an'ny devoly. 28 Zegny nangalatra de tsy tokony hangalatra koa. Tsy mentsy miasa izy, sady magnano asa tsara amin'ny tagnany, mba hanagnany raha hozaraina amin'ny ndregny tsy managna. 29 De aza avela hisy zaka maloto hivoaka avy amin'ny vavanareo. Fa mba zaka amin'ny fampihorenana ny sasagny no ampiasaina, de araka ny zegny ilain'iary zareo, mba tena hagnampy an'ny zegny miteno anareo ny raha zakanareo. 30 Sady aza magnano raha mampalahelo ny Fanahy Masin'Andriamanitra, fa avy aminazy ny nagnamboarana tombo-kase anareo ho amin'ny andron'ny fagnavotana. 31 Engay ny andolom-po marobe, haromotana, ny havignirana, ny fifamalena, de ny fifagnasahana, miraka amin'ny karazagna asa ratsy marobe. 32 De managna fahalemem-pagnahy amin'ny tsirai-draika aby, de fahatsoram-po, sady mifamelà heloka, kara ny namelan'Andriamanitra anareo tamin'i Kristy.