Toko faha 3

1 Ka amin’izany, izaho Paoly, de gadran'i Kristy Jesôsy ho anareo Jentilisa. 2 Neveriko fa regninareo ny fitantanana ny fahasoavan’Andriamanitra nomena anaha ho anareo. 3 Manoratra araka ny fagnambarana nampahafantarina anaha aho. Izany no marina misitrika momba ny raha nisoratako bitabitaka taminareo. 4 Ndreka mamaky an’izany anareo, de afaka hahafantatra ny fomba fazahoako ny marina misitrika io. 5 Tamin’ny taranaka hafa de natao fantan’ny zanak’olombelona io marina io. Fa amin’izao koza io de nizakaina tamin’ny alalan'ny Fanahy amin’ny Apostoly mban’ny mpaminany zegny efa voatokana amin’ity asa ity. 6 Io marina misitrika io de mizaka fa ny Jentilisa de mpiara-mandova, de mpiara-miombogna amin’ny vatagna, sady mizara ny fampagnantegnana amin’i Kristy Jesôsy avy amin’ny filazantsara iary zareo. 7 Fa nanjary mpanompon’io filazantsara io aho tamin’ny fahasovan’Andriamanitra nomena anaha avy tamin’ny fiasan’ny heriny. 8 Nomen’Andriamanitra anaha io fagnomezana io, ndre de izaho farany bitaka indrindra tamin’ny olo-masin’Andriamanitra. Io fagnomezana io de ny fomba hitoriako aminareo Jentilisa ny fizantsaran’ny harenan’i Kristy sarotra eragnina. 9 Ny fagnomezam-pahasoavan’Andriamanitra ho anaha de ny hitondrako fagnazavana amin’ny olona marobe ny fandaharan’Andriamanitra . Io fandaharana io de navonin’Andriamanitra, zay namorogna ny raha marobe, nandritra ny taogna maro taloha. 10 Nampafantarina tamin’ny fiangonana io fandaharana io mba hatonga ny mpanapaka mban’ny manam-pahefana an-danitra agny hahafantatra ny toetra maro amin’ny fakanten’Andriamanitra. 11 Nitranga araka ny fandaharana mandrakizay ndregny tanterakany tamin’ny Kristy Jesôsy Tompontsena izany. 12 Fa amin’ny Kristy no anagnantsena fasahina mban’ny lalana misy fahatokiana avy amin’ny finoantsena an’Azy. 13 Izany no mahatonga anaha miangavy anareo mba tsy ho kivy tratry ny fijaleko ho anareo, izay voninahitranareo. 14 Avy amin’izany mahatonga anaha mandohalika eo agnatrehan’ny Ray, 15 zay nagnome agnarana ny fianakavena marobe an-ndanitra mban’ny eto an-tany. 16 Mivavaka aho mba hagnomezany anareo, araka ny harenan’ny voninahitrany, mba hatanjaka amin'ny hery avy amin’ny Fanahy Masina, zegny ao aminareo. 17 Mivavaka aho mba hipetraka agnatin’ny fonareo amin’ny finoana Kristy, mba hifikitra sady hiorina amin’ny fitiavany anareo. 18 Enga anie de hahazo hery anareo ka hahatakatra, miaraka amin’ny mpino marobe, ny sakany, ny halavany, ny hamboasany, mban’ny halalignany, 19 sady mba hahafantatra ny fitiavan’i Kristy, zay ambonin’ny fahalalana marobe, ka mba ho fenon’ny fahafenoan’Andriamanitra marobe anareo. 20 Sady ho an’Azy zay mahefa magnano ambonin’ny zegny raha maro angatahintsena na eritreretintsena, araka ny hery zegny miasa ao agnatintsena, 21 ho an’Azy anie ny voninahitra ao amin’ny fiangonana de ao amin’i Kristy Jesôsy koa hatramin’ny taranaka marobe mandrakizay doria. Amena.