Toko faha 6

1 Anareo zanaka, ekeo amin'ny Tompo ny ray aman-dreninareo, fa izany no mety. 2 "Magnaja an'ny abanao izy amin'ny endrinao" (fa io de didy vôlohany misy fampagnantenana), 3 "mba hahitanao gny raha tsara sady mba hahalava ny andro iaignanao ambonin'ny tany." 4 De anareo baba, aza mitondra ny zanakareo amin'ny raha tsy manjary. Fa koza, tezay amin'ny fitsipika mban'ny famperan'ny Tompo iary zareo. 5 De anareo mpiasa, mankatoava ny mpampiasanareo eto ambonin'ny tany amin'ny fagnajana sy fatahorana, amin'ny fahatsoram-ponareo. 6 Mankatoava anazareo kara ny fankatoavanareo an'i Kristy. Mankatoava amin'ny raha marobe fa tsy amin'ny mpampiasanareo fotsiny mba hatonga an'iary zareo hankasitraka. Atôvy kara ny fankatoavan'ny mpiasan'i Kristy io, magnano gny raha ten'Andriamanitra amin'ny fonareo manontolo. 7 Miasà amin'ny fonareo manontolo, kara hoe miasa amin'ny Tompo anareo fa tsy amin'olona, 8 satria fantatsena fa na ino na ino asa tsara ataon'olona , de tsy mentsy resiny ny valim-pitia avy amin'ny Tompo, na andevo izy na olona afaka. 9 De anareo mpampiasa, magnamboara karan'izany my koa amin'ny mpiasanareo. Aza mampijaly anazaraeo. Fantanareo fa ny Tomponareo sady Tompon'iary zareo de an-danitra agny, sady tsisy fagnavakavahana Aminazy. 10 Farany, de mahereza ao amin'ny Tompo sy amin'ny tanjaky ny heriny. 11 Tano aby ny fiaden'Andriamanitra marobe, mba ahafahanao miady amin'ny tetikan'ny devoly. 12 Fa ny adintsena de tsy manohitra ny nofo na ny rà. Fa koza, manohitra ny fanjakana mban'ny fahefana ara-panahy de ny mpanapaka amin'ny fanjakan'ny fahamizignan-dratsy, manohitra ny fagnahy ratsy egny amin'ny abakabaka. 13 Ka amin'izany de tano aby fiaden'Andriamanitra marobe, mba afahanareo mijoroa tsara amin'ny andro ratsy izao, de ndreka vitanareo aby gny raha marobe, de haresy anareo. 14 Ka amin'izany, de mijoroa ndreka avy magnano gny fehinkibo ho fahamarinana mban'ny fiarovan-tratra ho fahitsiana anareo. 15 De kara ny kiraro amin'ny tongotranareo de apetay ny fahavognonana hitory filazantsaran'ny fihavanana. 16 Amin'ny raha marobe de tano ny finôna ho ampinga, mba ahafanareo manohitra ny zana-tsipika mirehitra afo alefan'ny ratsy. 17 De reso ny famonjena mba ho fiarovan-doha, de ny tenin'Andriamanitra ho sabatran'ny Fanahy. Amin'ny vavaka mban'ny fangatahana marobe, de mivavaha amin'ny Fanahy fôgna amin'ny fotôna marobe. 18 Amin'io fomba fisaignana io de miambena fôgna amin'ny faharetana marobe, ndreka mivavaka ho an'ny olona masina an'Andriamanitra anareo. 19 De mivavaha ho anaha koa, mba hisy hafatra homena anaha ndreka manokatra ny vavako aho. Mivavaha mba hanagnako fahasahina hampafantatra ny fahamarinana misitrika momban'ny filazantsara. 20 Ho an'ny filazantsara manko maha ambasadôro vôfatotra anaha amin'ny gadra, amin'izay aho de afaka mizaka an'izany amin'ny fahasahina, na raha tsy mentsy hizaka my aho. 21 I Tykiko, rahalahy malala sady mpiasa mahatoky amin'ny Tompo, hampafantatra anareo gny raha marobe, mba halalanareo an'ny ndregny ataoko. 22 Nagniraka anazy taminareo aho noho io tanjogna io mintsy, mba hafantanareo gny raha mikasika anay, sady mba hafahany mampahery an'ny fonareo. 23 Fiadanana anie ho amin'ny rahalahy, de fitiavana miaraka amin'ny finôna avy amin'Andriamanitra Aba sy Jesôsy Kristy Tompo. 24 Fa ny fahasoavana koza ho amin'ny zegny tia an'i Jesôsy Kristy Tompontsena amin'ny fitiavana tsy mety maty mandrakizay.