Toko faha 9

1 Zao gny fagnambaranigny Zakan'i Yaveh mahakasiky gny zakan'i Hadraka vo i Damaskosy. Fa gny mason'i Yaveh dra aminigny olombelon'aby, dra aminigny fokon'Israely aby koa. 2 Ty fagnambara tihoky avo koa dra mahakasiky an'i Hamata, ze mifanolosy amin'i Damaskosy, dra mahakasiky an'i Tyro vo Sidona zay, na dre tena hendry aza ereo 3 Fa nagnory fiarova fatrasy ho an'ny vatany i Tyro dra nagnoro volavosy manahaky gny botany vo volamena voalio manahaky gny fotoky egny an-dala. 4 Ingo! hagnafoa anazy Zagnahary dra hanola gny tazany andranomasy, ba ho levon'ny afo izy. 5 Hahita i Askelpona dra hatahosy! Hangovisy fatrasy avo koa i Gaza! Ekrona, ho foa gny fanantenany! Ho maty agny Gaza gny pazaka, dra i Askelona dra sy hisy ponina sasy! 6 Hanao gny tragnony ao Asdoda ireo apela, dra hagnafoa gny fireharehan'ireo Filistina zaho. 7 Fa hangalaky gny lion'izy ireo eo amigny vavany zaho dra gny fahavetavetan'izy ireo eo agnelagnelan'ny nifiny. Dra mizary sisa ho an'ny Zagnahary manahaky gny foko agny Joda izy ireo, dra Ekrona dra hizary manahaky ireo Jebosita. 8 Hitoboky magnodidy gny taniko zaho ba hanohisy ireo maramilan'ny fahavalo dra sy hisy na raiky aza afaky madroso na mihery, fa sy hisy mahaory handalo eo amin'izay sasy. Fa ankehitriny dra hiamby gny zakako amigny masoko zaho! 9 Mihobia amigny fifaliam-be, dra zanaky vavin'i Ziona! mihobia am-pifalia, dra zanaky vavin'i Jerosalema! Ingo! avy amifahamarina aminao gny pazaka dra magnavosy anao.Manitry tena izy dra mitikisy eo amigny boriky, eo agnabo zana-boriky. 10 Dra ho foagnako gny kalesy avy agny Efraima vi gny sovala avy agny Jerosalema, dra gny sipiky dra ho foagna amigny aly; fa hizaka fiadagna amin'ireo firenena izy , dra gny fanapahany dra ho avy amigny ranomasina dra hatramigny ranomasina, dra hatramigny Ony dra hatramigny faravaza-tany. 11 Gny amidrareo, nohon'ny liony fagnekeko ao amidrareo, dra hafahako avy ao andavaky izay sy misy rano ireo gadrandrareo. 12 Miharegna agny amigny ferova fatrasy, ry gadranigny fanatena! EH na dre amizao aza dra mitalily Zaho fa hanohisy avo ro heny amindrareo, 13 fa nagneza an'i Joda ho sipikako Zaho. Fa namaha gny zana-sipikako taminigny Efraima Zaho. Fa nanaisy reo zanandrareo zaho, ry Ziona, hanohisy reo zanadahindrareo, ry Grisia, dra fa nanao andrareo manahaky gny mesa gny pialy Zaho, ry Ziona! 14 Hiseho amin'ereo i Yaveh, dra hitifisy manahaky gny helasy gny sipikany! Fa Yaveh topoko hisioky tropotra dra handroso boak'aminigny tafio-drivosy boak'agny Temana. 15 Yaveh toponigny maro gny hiaro anereo, dra handovan'anereo vo handresy gny vaton'asamotaliny reo. Dra hino ereo vo hodradradradra manahaky gny olo mamonigny divay, dra ho feno divay manahaky reo lovia ereo, manahaky reo zoronigny alitara. 16 Ko amizay andro zay dra hamozy anereo i Yaveh Zagnahariny; dra hanahaky gny agnondrinigny vahoakiny ereo, fa ereo gny ho firavaky gny satro-boninahisy, hisandrata eo aminigny taniny. 17 Fa akory gny hasoany vo gny hapelasoan'ereo! Hagniry eo aminigny vary gny tovolahy vo gny viriziny eo aminigny voaloboky mamy!