Toko faha 8

1 Avy aminahy gny zakan'i Yaveh toponigny maro, nanao anizahoky ho: 2 "Zao gny zakan'i Yaveh toponigny maro: Tia fatrasy an'i Ziona aminigny zoto-po lahibe Zaho dra saropiaro nohonigny aminazy aminigny fahoria lahibe Zaho! 3 Zao gny zakan'i Yaveh toponigny maro: hevery agny Ziona Zaho dra hitoetra ao agnevon'i Jerosalema, fa natao ho gny tananigny Fahamarigna i Jerosalema dra gny tendrombohis'i Yaveh toponigny maro dra hatao ho gny Tendrombohisy Masy! 4 Zao gny zakan'i Yaveh toponigny maro: Lahy atisy vo apela atisy ndraiky gny ho egny an-dalam-ben'i Jerosalema, dra gny olo sirairay hitalia fitekena ho egny atagnany akory fa niha-atisy izy. 5 Ho feno tovolahy vo tovovavy mihira egny amireo lalam-beny gny tana. 6 Zao gny lazakan'i Yaveh toponigny maro: Amizay andro zay raha misy raha sy hay atao eo amason'ireo vahoaky sisa tavela, dra tokony sy ho hay atao eo amasoko koa ra zay? __zay gny fagnambaran'i Yaveh. 7 Zao gny zakan'i Yaveh toponigny maro: Ingo, eo an-dalam-pagnavota gny oloko aminigny tany filetehanigny masoandro! 8 Fa hinday anereo hihery Zaho, dra honin'ao agnevon'i Jerosalema ereo, ba ho vahoako ndraiky ereo, dra ho Zagnaharin'ereo aminigny mary vo aminigny fahamarigna Zaho! 9 Zao gny zakan'i Yaveh toponigny maro: Ino zay manohy miteno reo zaka mitovy ze niboaky boak'aminigny vavanigny paminany gny fa natoby gny fotosy gny tragnoko__ty tragno ty, Yaveh toponigny toponigny maro: Atazaho reo tagnanao ba ho voasanga gny tepoly. 10 Fa talohan'izay andro zay dra sy nisy vokasy voavorinigny olo , sy nisy tombony na ho anigny olo na ho anigny biby, dra sy nisy fedagna ho an'ize olo miboaky na midisy boak'amireo fahavalo. Fa nanoby gny olo sirairay hanohisy gny namany Zaho. 11 Fa amizao zay dra sy hanahaky gny taminigny andro fahiny, homba gny sisanity vahoaky ty Zaho__zay gny fagnambaran'i yaveh toponigny maro. 12 Fahafay gny voanigny fedagna; dra gny tany hagnome gny voka-pambole; hagnome gny andony gny lagnisy, fa hapandovako anizay raha aby zay gny sisa amity vahoaky ty. 13 Ohasy ho an'ireo firenany gny ozona hafa handrareo, ry taranak'i Joda vo taranak'Israely. Ko dra hamozy andareo Zaho dra ho Fitahia andrareo. Ka matahosy; aoky hatazaky gny tagnandrareo! 14 Fa izao gny zakan'i Yaveh toponigny maro: manahaky gny nagnomanako hanao rasy amindrareo gny fa napaory Anahy reo razambendrareo__hoy Yaveh toponigny maro__dra sy nilefisy Zaho, 15 gny hagnomanako hanao raha soa ndraiky ho an'i Jerosalema vo gny taranak'i Joda avo koa amizay andro zay! Ka matahosy! 16 Tahoky gny raha ze sy maisy hataondrareo: Mizaka gny mary, gny olo sirairay aminigny namany. Mizaka aminigny mary, rariny, dra fedagnan'eo aminigny vavahadindrareo. 17 Ka mano fikasan-drasy ao apondrareo aminigny hafa, dra ka mitia fianian-diso__akory malaiky reo raha reo Zaho!__zay gny fagnambaran'i Yaveh." 18 Dra avy aminahy gny zakan'i Yaveh toponigny maro, manao anizahoky ho: 19 "Zao gny zakan'i Yaveh toponigny maro: Gny fifalin-kany aminigny vola fahaefasy, vola fahadimy, vola fahafito, dra gny vola fahafolo dra ho lasa fotoanigny fifalia, firavoravoa, dra fotoa mahafinarisy ho anigny taranak'i Joda! Noho zay tiavo gny fahamarigna vo gny fedagna! 20 Zao gny zakan'i yaveh toponigny maro: Hoavy ndraiky gny vahoaky, na dre reo ze monin'amin'ireo tana maro sambihafa aza. 21 Handeha ho agny aminigny tana hafa: "Aoky handeha malaky eo agnoloan'i Yaveh sika dra hitalia an'i Yaveh toponigny maro! Handeha avo koa sika. 22 Vahoaky maro vo ferenena mahery maro gny hoavy hitalia an'i Yaveh toponigny maro agny Jerosalema dra hengavy gny fakasitrahan'i Yaveh! 23 zao gny zakan'i Yaveh toponigny maro: Amizay andro zay dra lelahy folo boak'aminigny fizaka vo firenena aby gny hihazo gny sisinigny akazonao dra hizaka ho: 'Aoky hindray aminao zahay, fa renay fa momba anao gny zagnahary!"'