Toko faha 7

1 Tamin'i Dariosa pazaka gny panapaky nandrisy gny efa-tao, taminigny andro fahaefasy nazakan'i Kisleva (zay vola fahasivy), dra avy tamin'i Zakaria gny zakan'i Yaveh. 2 Nandefa an'i Serezara vo Regema-meleka dra reo olony gny vahoakin'i Betela ba hengavy anoloanigny tavan'i Yaveh. 3 Nizaka tamireo pisoro ze tao atragnon'i Yaveh toponigny maro vo tamireo paminany ereo; hoy ereo ho: "Tokony handala aminigny alalanigny fifalia-kany ra zaho aminigny vola fahadimy, manahaky anizay fa nataoko tao maro reo?" 4 Dra avy taminahy gny zakan'i Yaveh taminigny maro, nanao anizahoky ho: 5 "Mizaka aminigny pononigny tany aby vo amireo pisoro dra atovy anizahoky ho: 'Raha nifaly hany vo nandala taminigny vola fahadimy vo fahafito handrareo nandris'zay fotoa fito tao zay,moa ra nifaly hany honahy mary handrareo? 6 Raha nihina vo nino handrareo, moa ra sy nino vo nihina ho anigny vatandrareo handrareo? 7 Moa ra sy reo zaka reo avo gny zinakan'i Yaveh taminigny vavan'ireo paminany taloha, raha bo niny tao Jerosalema vo reo tana nagnodidy taminigny fagnambina dra nitoby tao Negeva, vo reo lemaka amoro-siraky agny andrefa handrareo? "' 8 Avy tamin'i Zakaria gny zakan'i Yaveh, nanao anizahoky ho: 9"Zao gny zakan'i Yaveh toponigny maro: 'Misara aminigny fisara mary, fagneke mahatoky, dra famindra-po. Aoka gny olo sirairay hanao anizay aminigny rahalahiny. 10 Gny aminigny pitondratena vo gny kamboty, gny vahiny, dra gny olo mahatra __dra mapahory anereo, dra aoky sy hisy amindrareo hitetiky anereo, dra aoky sy hisy amindrareo hitetiky hagnisy rasy gny hafa ao apondrareo.' 11 Nefa nanda gny hiteno ereo dra nagnamafy sorok'ereo. Nagnakato gny sofiny ereo ba sy hahare. 12 Nagnamafy gny fony manahaky gny vato ereo ba sy hahare gny lalana na reo zakan'i Yaveh toponigny maro. Nandefa hafasy reo ho anigny vahoaky taminigny alalanigny Fagnahy taminigny fotoa taloha, taminigny alalanigny vavan'ireo paminany Izy. Nefa nanda gny hiteno gny vahoaky, dra ory fatrasy tamireo Yaveh toponigny maro. 13 Dra gny fa nitoka Izy, dra niteno ereo. Manahaky anizay avo koa," hoy Yaveh toponigny maro," gny hitokavan'ereo fatrasy anahy, fa sy hiteno zaho. 14 Fa haeliko aminigny talio agny amireo firenena aby ze sy bo hitany ereo, dra ho lao mindray aminereo gny tany. Fa sy misy olo handalo aminigny tany na hihery ao amizay akory fa namadiky gny tanin'ereo soasoaho tany ngazana gny vahoaky."