Toko faha 6

1 Dra nitoliky zaho dra napiandrandra gny masoko dranahita kalesy efasy niboaky boak'eo agnelagnelanigny tendrom-bohisy ro; dra reo tandrombohisy ro reo dra vita taminigny varahy. 2 Gny kalesy volohany dra nana sovala mena, gny kalesy faharo nana sovala mety, 3 gny kalesy fahatelo nana sovala fosy dra gny kalesa fahaefasy dra nana sovala sada fosy. 4 Dra namaly zaho vo nizaka taminigny azely nizaka taminahy ho: "Ino reo, ry topoko?" 5 Namaly ilay azely dra nizaka taminahy ho: ''Ereo vo rivosy efatry gny lagnisy izay niboaky teo amgny plasy izay nisanganan'izy ereo teo anoloan'ilay Tompon'ny tany aby. 6 Ilay iray miaraky amigny soavaly mety dra moboaky magnagny amigny firene avarasy; ary ereo soavaly sada fosy dra miboaky mandeha amign'ny firene asimo.'' 7 Reo sovala matazaky reo dra niboaky dra nitalia handeha vo hirenireny egny aminigny tany, dra hoy gny azely ho: "Mandehana mirenireny egny aminigny tany!" dra nandeha nirenireny eranigny tany aby ereo. 8 Dra nitaray taminahy izy dra nizaka taminahy dra agny aminigny firenena avarasy; hapitohy gny fagnahiko mahakasiky gny firenena avarasy ere." 9 Dra avy taminahy gny zakan'i Yaveh, manao anizahoky ho: 10 "Mangala fagnatisy amireo tany asisitany__boak'agny Helday, Tobia, dra Jedaia__dra mandehana maizay andro zay avo dra alao ao atragnon'i Josia zanak'i Zefania, ze boak'agny Babylona zay. 11 Dra alao gny volafosy vo volamena, manova satra-boninahisy dra apetraho eo aminigny lohan'i Josoa zanadahin'i Jozadaka, gny pisorombe zay. 12 Mizaka aminazy dra zakao ho: 'Zao gny zakan'i Yaveh toponigny maro:Ty lelahy tihoky, gny agnarany dra Rasana! Hitombo eo aminigny misy anereo sady hagnory gny tepolin'i Yaveh! 13 Izy gny hgnory gny tepolin'i Yaveh dra hananga abo gny famirapiratan'i zay dra hitoby vo hanapaky eo aminigny seza fiandrianany izy.Ho pisoron'eo aminigny sezafiandriananay izy dra hisy gny fahazava-sainigny fedagna eo amizy ro. 14 Hatobiko eo aminigny tepolin'i Yaveh gny satro-boninahisy hagnomezam-boninahisy an'i Helema, Tobia, vo Jedaia dra ho fahaserova gny hasoafagnanigny zanadahin'i Zefania. 15 Dra reo ze lavisy dra ho avy vo hagnory gny tepolin'i Yaveh, dra ho fatandrareo fa Yaveh toponigny maro gny nigniraky anahy ho amindrareo; fa hitranga zay raha tena miteno gny feon'i Yaveh Zagnaharindrareo handrareo!"'