Toko faha 10

1 Mangataha ora amin'i Yaveh aminigny vani-potoanigny oran-dohatao__Yaveh ze manao kotrokora__dra magnome ora mivatravatra ho anigny saka. 2 Fa reo sapy ao atokatragno dra mizaka vandy; mizaka nofy fitaky ereo dra magnome fapionogna vandy, dra mirenireny manahaky gny agnondry dra mizaly nohonigny sy fisianigny piaraky anereo. 3 Gny haoriako dra mirehisy amireo piarak'agnondry; reo osilahy__pitariky__gny ho faiziko. Yaveh toponigny maro avo koa dra hagnatriky reo agnondriny, dra gny taranak'i Joda, dra hanao anereo manahaky gny sovala fetiny agny aminigny aly! 4 Boak'amin'ereo gny hevianigny vato fehizoro; boak'amin'ereo gny hevianigny fetognan-draha gny lay; boak'amin'ereo gny hevianigny sipiky felia; boak'amin'ereogny hevianigny pitaariky aby hindray. 5 Hanahaky gny pialy ze magnisaky gny fahavalony eo aminigny fotaky gny lala aminigny alin'ereo; hialy ereo, akory Yaveh gny momba anereo, dra hahamegnasy reo ze mitikisy sovalin'aly ereo 6 Hapahery gny taranak'i Joda Zaho dra hamozy gny taranak'i Josefa; fa hagnerin'anereo aminigny loniny Zaho dra hamindra fo amin'ereo. Hanahaky gny ho sy nandagnako ereo, akory Zaho gny Yaveh Zagnaharin'ereo, dra hamely anereo Zaho. 7 Dra hanahaky gny pialy i Efraima, dra hifaly manahaky gny azonigny divay gny fon'ereo; hahita anizay reo zanany dra hifaly. Hifaly Aminahy gny fon'ereo! 8 Hisioky ho anereo Zaho dra hamory anereo, akory hamozy anereo Zaho, dra ho lahibe manahaky gny taloha ereo! 9 Namafy anereo tegny amireo olo Zaho, nefa hahasiaro Anahy agny amireo firenena lavisy ereo, dra ho velo vo hihery ereo vo gny zanany. 10 Fa hapoly anereo boak'agny aminigny tany Egypta Zaho dra hamory anereo boak'agny Asyria. Hinday anereo agny aminigny taninigny Gileada vo Libanona Zaho mandra-paha sy hisy efitragno ho anereo sasy. 11 Hamakivavay gny ranomasi-pahorian'ereo Zaho; hamely reo ozan'izay ranomasy zay Zaho dra hagnamaiky gny lalan'i Neily aby. Hahetry gny voninahis'i Asyria, dra gny tehi-pazakan'i Egypta hialy amireo Egyptiana. 12 Hagnamafy orin'anereo aminahy Zaho, dra handeha aminigny agnarako ereo__zay gny fagnambaran'i Yaveh.