Toko faha 11

1 Sokafo gny vatrangaranao, ry Libanona, ba handevognanigny afo gny sederanao! 2 Mandala, ry hazo kypreso, fa nezera gny hazo sedera! reo abo dra fa nifongory! Mandala, handrareo ry hazo terebitan'i Basana, fa ripaky gny ala kitroky. 3 Midradradradra reo perak'agnondry, fa rava gny voninahis'ereo! Miero gny feonigny zanaky gny liona, fa rava gny reharehanigny Ony Jordana! 4 Zao gny zakan'i Yaveh Zagnahariko: "Manahaky gny piarak'agnondry, miamby gny agnondry ze ho vono! 5 (Mamono anereo gny mivily anazy dra sy voasazy, dra gny mivarosy anereo manao anizahoky ho: 'Isoran'anie Yaveh! Fa panandraha Zaho!' fa reo pandigny asa ho an'ireo topon'agnondry dra sy niatra ereo.0 6 Fa sy hiatra gny poninigny tany sasy Zaho!__zay gny fagnambaran'i Yaveh. Ingo! Gny tagnako mihisy gny hagnery gny olon'aby eo atagnanigny namany vo eo atagnanigny pazakany, dra handrava gny tany ereo dra sy hisy dre raiky amin'ereo aza hafahako eo atagnan'ereo reo." 7 Ko dra lasa perak'agnondry voalahasy ho vono Zaho, ho an'ireo ze ninday agnondry. Natakasy tehy ro Zaho; gny tehy raiky nataoko ho"fahasoava" dra gny hafa nataoko ho "Fikambagna". Tamizay fomba zay gny nerazako gny agnondry. 8 Piaraky agnondry telo gny nivonoko tao agnatinigny volany raiky, akory sy naharisy tamin'ereo zaho, dra nalaiky anahy rahateo ereo. 9 Dra hoy zaho taminigny topon'agnondry ho: "Sy hiasa ho piaraky agnondrinao sasy zaho. Gny agnondry ze maty__dra aleo ho maty, gny agnondry ze ringa__dra aleo ho ringa. Aoky gny agnondry ze sisa tavela samby hihina gny nofonigny namany." 10 Dra nitakariko gny tehiko "Fahasoava" dra nisolaky zay ba hagnafoagnako gny fagneke ze fa nataoko tamireo fikoko aby. 11 Tamizay andro zay dra rava gny fagneke, dra reo ze ninday gny agnondry vo nagnety anahy dra nahafatasy fa nizaka Yaveh. 12 Dra hoy zaho tamin'ereo ho: "Raha toa ka soa amindrareo zay, dra aloavo gny karamako. fa raha sy zay, dra aok'avo." Dra nilazan'ereo gny karamako__sekely volafosy telopolo. 13 Dra ho Yaveh taminahy ho: ''Apetraho ao amigny fipetran-drakisy gny volafosy, gny sanda soa avo izay nagnomba- nan' ereo hanao!'' Ka dra nalako gny se- masaisaiky volafosy dra napetrako tao amigny fitoera-drakosy tao atragnon'i Yaveh. 14 Boak'eo nipotehiko gny zakako faharo, "Fikambana", ba hamoteha gny firahalahian'i Joda vo i Israely. 15 Hoy Yaveh taminahy ho: "Alao ho anigny tagnanao ndraiky gny fitovanigny perakandro mola, 16 fa ingo, hanoby perakandro eo aminigny tany zaho. Sy hiraharaha gny agnondry maty izy. Sy hitalia agnondry levo izy, na koa hagnasitra gny mandringa. Sy hagnaha gny agnondry ze salama izy, fa hihina gny nofonigny agnondry matavy dra hamiravira gny kitron'ereo. 17 Loza ho anigny piaraky agnondry sy mendriky ze mahafo gny agnondry! Hamely gny sandriny vo gny masony akavana anie gny mesa! Halazo anie gny sandriny dra ho Poaky gny masony akavana!"