Toko faha 12

1 Tihoky dra fagnambara gny zakan'i Yaveh mahakasiky an'Israely__fagnambaran'i Yaveh, ze nanandrasy reo habakabaky vo nanoby gny fotosy gny tany, ze mamolavola gny fagnahin'aolmbelo ao agnatigny olo ho: 2 "Ingo, eo an-dalanovan'an'i Jerosalema agnaty kapoaky Zaho hahaavy reo vahoak'aby magnodidin'anazy hivembe. Dra hanahaky anizay avo koa gny an'i Joda mandrisy gny fihirano an'i Jerosalema. 3 Amizay andro zay, hataoko ho vato mavesasy ho anigny olon'aby i Jerosalema. Ze magnandra gny hagnenga(hagnozo) anizay vato zay dra handrasy fatrasy gny vatany, dra hitambasy hanohisy anizay tana zay reo firenenigny tany aby. 4 Amizay andro zay __zay gny fagnambaran'i Yaveh__hamely gny sovala sirairay aminigny horohoro Zaho dra gny pitikisy anazy aminigny fahavereza-say. Hagnety apahakasitraha gny taranak'i Joda Zaho dra hamely gny sovalan'ireo tafiky aminigny fahapoaha. 5 Boak'eo reo pitarik'i Joda hizaka anakapo ho: 'Reo ponin'i Jerosalema gny tazasika noho i Yaveh toponogny maro, Zagnaharin'ereo.' 6 Amizay andro zay dra hataoko manahaky gny fata mirehisy egny aminigny hazo dra manahaky gny fanilo egny aminigny amboara reo pitariky gny Joda, fa ereo gny handevo reo firenena aby magnodidin'eo akavanany vo eo akaviany. Hitoby eo aminigny toerany ndraiky i Jerosalema." 7 Hamozy reo lain'i Joda i Yaveh, ba sy ho lahibe noho gny sisa tavela amin'i Joda gny voninahisy gny taranak'i Davaida vo gny voninahis'ireo ze manin'ao Jerosalema. 8 Amizay andro zay dra ho piaro reo ponin'i Jerosalema i Yaveh, dra amizay andro zay reo ze ketraky amin'ereo dra hanahaky an'i davida, dra gny taranak'i Davida dra hanahaky an'Agnahary, manahaky gny azelin'i Yaveh eo anoloan'ereo. 9 "Amizay andro zay dra hanomboky handringa reo firenena aby ze avy hanohisy an'i Jerosalema Zaho. 10 Nefa handraraky gny fagnahinigny fangoraha-po vo fitaraigna aminigny taranak'i Davida vo reo ponin'i Jerosalema Zaho, ba hitolihan;ereo aminahy, gny Raiky ze nilefonin'ereo. Handala nohonigny Aminahy, manahaky gny olo mandala aminigny zanadahiny toka ereo; handala honazy manahaky reo ze mandala nohonigny fahafatesanigny voloha-zanak'ereo. 11 Amizay andro zay gny fandala ao Jerosalema dra hanahaky gny fandala tao hadadrimona eo aminigny lemak'i Megido. 12 Handala gny tany, gny fianakaviambe sirairay hitokan'amireo fianakaviambe hafa. Gny fianakaviambenigny taranak'i Davida hitoka vo reo valin'ereo hitokan'amireo lelahy. Gny fianakaviambeny taranak'i Natana hitoka dra reo valin'ereo hitokan'amireo lelahy. 13 Gny fianakaviambeny taranak'i Levy hitoka dra reo valin'ereo hitokan'amireo lelahy. Gny fianakaviamben'ireo Simeita hitoka dra gny valin'ereo hitoka amireo lelahy. 14 Gny fianakaviambe sirairay amireo fianakaviambe tafazano__gny fianakavia sirairay dra samby hisitokatoka dra gny valin'ereo hitoka amireo lelahy."