Toko faha 13

1 "Amizay andro zay dra hisy loharano hisokaky ho anigny akohonan'i Davida vo reo ponin'i Jerosalema, nohonigny fahotan'ereo vo gny sy fahaliovan'ereo. 2 Amizay andro zay__zay gny fagnambaran'i Yaveh toponigny maro__gny hagnafoagnako gny agnaran'ireo sapy aminigny tany ba sy ho saroa sasy ereo. Hapiboaky reo maloton'ereo aminigny tany avo koa Zaho. 3 Raha misy olo manohy maminany, dra hizaka aminazy gny raiky vo gny reniny ze niteraky anazy ho: 'Sy ho velo hanao, akory mizaka vandy aminigny agnaran'i Yaveh!' Boak'eo gny rany vo gny reniny ze niteraky anazy handefon'anazy gny fa maminany izy. 4 Amizay andro zay gny paminany sirairay dra ho magnasy aminigny fahitany aby eo apaminania izy. Reo paminany reo dra sy hanao lamba voloy, ba hamitaha gny olo sasy. 5 Fa gny sirairay hizaka ho: 'Sy paminany zaho! Lelahy miasa tagny zaho, akory gny tany gny lasa asako raha bo tovolahy zaho!' 6 Fa hisy olo raiky hizaka aminazy ho: 'Ino reo rasy eo agnelagnelan'ireo sandrinao reo?' dra hamaly izy ho : 'Narasy nindray tamireo ze tao aminigny tragnon'ireo namako zaho."' 7 "Ry mesa! Asandrato aminigny perakandroko, gny lelahy ze misangan'eto agnilako gny tagnanao__zay gny fagnambaran'i Yaveh toponigny maro. Veleso gny perakandro, dra hiparitaky reo agnondry! Fa hagnery gny tagnako hanohisy reo madiniky Zaho. 8 Dra manera gny tany aby__zay gny fagnambaran'i Yaveh__dra hisy ro apahatelon'izay hofoagna! Ho levo reo olo reo; raiky apahatelony avo gny hizanon'agny. 9 Handesiko aminigny afo io apahatelony io dra ho lioviko manahaky gny magnalio volafosy ereo; hatiako manahaky gny volamena voazaha ereo. Hitoka gny agnarako ereo, dra hamaly anereo Zaho dra hanao anizahoky ho: 'Tihoky gny oloko!' dra hizaka ereo ho: 'Yaveh gny Zagnahariko!""